Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Mifohaza!  |  Novambra 2012

 Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Hita tany Alemaina fa ny 33 isan-jato eo ho eo amin’ny zaza teraka tamin’ny 2010 no zaza sary, nefa 15 isan-jato monja izany tamin’ny 1993.—ÄRZTE ZEITUNG sy THE LOCAL, ALEMAINA.

Nasehon’ny fanisam-bahoaka tamin’ny 2010 fa ny 69,4 isan-jaton’ny ankizy any Etazonia no miara-mipetraka amin’ny ray aman-dreniny, ny 23,1 isan-jatony no tezain’ny reniny irery, ny 3,4 isan-jatony tezain’ny rainy irery, ary ny 4,1 isan-jatony no tsy miara-mipetraka amin’ny rainy sy ny reniny.—BIRAO MOMBA NY FANISAM-BAHOAKA, ETAZONIA.

Mitentina 836 tapitrisa tapitrisa ariary eo ho eo ny zavatra simba eran-tany, noho ny hetraketraky ny natiora tamin’ny 2011. Ilay horohoron-tany tany Japon no “nanimba zavatra be indrindra hatramin’izay, satria 462 tapitrisa tapitrisa ariary eo ho eo ny teti-bidin’ny zavatra simba, ankoatra an’izay simba tao amin’ilay foiben-kerinaratra ao Fukushima.”—NEW SCIENTIST, GRANDE-BRETAGNE.

Ny fromazy no sakafo tena angalarin’olona eran-tany. Maherin’ny 3 isan-jaton’ny fromazy amidy eran-tany no angalarin’ny mpiasan’ny fivarotana na ny olon-tsotra.—FOIBEM-PIKAROHANA MOMBA NY VAROTRA, GRANDE-BRETAGNE.

Ratsy ny “Mandona” Baolina Amin’ny Loha

Mahazatra ny “mandona” baolina amin’ny loha, rehefa manao baolina kitra. Mety hampidi-doza anefa izany, rehefa jerena ny vokatry ny fitarafana sy ny fitiliana natao tamin’ny loha. Milaza ny mpikaroka tao amin’ny Oniversite Fianarana ho Mpitsabo Albert Einstein, any New York, Etazonia, fa “atahorana hanimba ny atidoha sy ny saina” izany. Hita fa misy vaky ny karandohan’ny olona iray, raha andonany baolina mihoatra ny inarivony ka hatramin’ny in-1 500 isan-taona. Be lavitra noho izany anefa ny ataon’ny mpilalao matihanina.

Atahorana Kokoa Handona Olona ny Fiara Mandeha Amin’ny Herinaratra

Hoy ny Minisiteran’ny Fitaterana any Etazonia: “Misy antokon’olona manahy hoe mety handona ny mpandeha an-tongotra ireo fiara mandeha amin’ny herinaratra, satria tsy re tsaika. Tsy mamoaka feo toy ny fiara hafa izy ireny ka tsy henon’ny mpandeha an-tongotra sy ny mpandeha bisikileta rehefa manatona, na eny an-dalana izany na eny amin’ny sampanan-dalana.” Milaza ilay tatitra fa ‘atahorana handona olona kokoa noho ny fiara mahazatra izy ireny, rehefa mihodina na mihemotra.’ Tokony hatao mamoaka feo ihany izy ireny rehefa mandeha miadana, hoy ny Fiadidiana ny Aro Lozan’ny Fifamoivoizana.