Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

 INONA NO TENA MAHASAMBATRA?

Mahay Mianina sy Malala-tanana

Mahay Mianina sy Malala-tanana

IMPIRY IANAO NO NANDRE AN’ILAY HOE ‘IZAY MANANKARENA IHANY NO SAMBATRA SY TAFITA’? An-tapitrisany no mino an’izany ka miasa hatramin’ny alina be mba hahazoana vola bebe kokoa. Tena mahasambatra ve anefa ny vola sy ny fananana? Inona no asehon’ny zava-misy?

Milaza ny gazety iray momba ny fahasambarana fa ‘ilaina ny vola mba hividianana an’izay tena ilaintsika. Na manana vola mihoatra an’izay aza anefa isika, dia tsy hoe lasa sambatra kokoa.’ Tsy ny vola akory no olana, fa izay ataon’ny olona mba hahazoana azy io. Milaza ny gazety iray momba ny psikolojia fa “tsy sambatra ny olona rehefa mamono tena mitady vola.” Mitovitovy amin’izany ny voalazan’ny Baiboly, izay nosoratana efa ho 2 000 taona lasa. Hoy ny 1 Timoty 6:9, 10: ‘Fitiavam-bola no anisan’ny fototr’izao karazan-javatra ratsy rehetra izao. Ary nikely aina ho amin’izany ny sasany, ka nanindrona ny tenany tamin-javatra maro mampanaintaina.’ Inona ny sasany amin’izany?

MANAHY SY TSY MAHITA TORY SATRIA MILA AROVANA NY FANANANA: “Mamy ny torimason’ny mpanompo, na kely na be ny sakafony, fa ny habetsahan’ny fananan’ny mpanankarena kosa no tsy ahitany tory.”—Mpitoriteny 5:12.

DISO FANANTENANA SATRIA TSY SAMBATRA AKORY: Tsy mety afa-po mantsy ny olona matimatim-bola fa te hahazo foana. “Izay tia volafotsy dia tsy ho afa-po amin’izay volafotsy ananany. Ary izay tia harena koa tsy ho afa-po amin’izay harena azony.” (Mpitoriteny 5:10) Mety hataony tsirambina koa ireo zavatra sasany tena mahasambatra, toy ny fiarahana amin’ny tapaka sy namana, na ny fanompoana an’Andriamanitra.

MALAHELO SY SOSOTRA REHEFA MITOTONGANA NY SANDAM-BOLA NA TSY MAHOMBY NY FAMPIASAM-BOLA: “Aza mandrera-tena mikatsaka harena, ary aza mandany ron-doha amin’izany intsony. Navelanao hitopy any amin’ny harena ve ny masonao, nefa tsinontsinona ireny? Fa maniry elatra toy ny an’ny voromahery tokoa ireny, ka manidina.”—Ohabolana 23:4, 5.

 TOETRA ILAINA RAHA TE HO SAMBATRA

MAHAY MIANINA: “Tsy nitondra na inona na inona ho amin’izao tontolo izao isika, sady tsy hahatondra na inona na inona hiala. Koa raha manan-kanina sy fitafiana ary fialofana isika, dia aoka hianina amin’izany.” (1 Timoty 6:7, 8) Tsy be taraina ny olona mahay mianina ka tsy mitsiriritra zavatr’olona. Tsy miady saina na mitebiteby be koa izy, satria tsy te hahazo zavatra tsy takatry ny volany.

MALALA-TANANA: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.” (Asan’ny Apostoly 20:35) Sambatra ny olona malala-tanana satria tia mampifaly ny hafa izy, na dia ny fotoanany sy ny heriny ihany aza no azony omena. Lasa mamy hoditra sy tena hajain’ny olona àry izy, ary mahazo namana malala-tanana. Tsy voavidim-bola mihitsy izany!—Lioka 6:38.

MIHEVITRA NY OLONA HO SAROBIDY NOHO NY FANANANA: “Aleo mihinana anana ao anatin’ny fifankatiavana, toy izay mihinana omby mifahy ao anatin’ny fifankahalana.” (Ohabolana 15:17) Midika izany fa sarobidy kokoa noho ny vola aman-karena ny fifankatiavana. Tsy ho sambatra isika raha tsy mifankatia, araka ny ho hitantsika ato.

Mipetraka any Amerika Atsimo i Sabina, ary hitany fa tena mahasoa ny toro lalan’ny Baiboly. Nilaozan’ny vadiny izy, ka tsy maintsy nifofotra namelona ny zanany roa vavy. Nanao asa roa izy, ka nifoha tamin’ny efatra maraina isan’andro. Tery be ny fotoanany, nefa nanapa-kevitra ny hianatra Baiboly ihany izy. Inona no vokany?

Tsy hoe lasa nanam-bola be akory izy. Nihatsara kosa ny fahitany ny fiainana. Sambatra, ohatra, izy satria lasa mifandray amin’Andriamanitra. (Matio 5:3) Nahazo tena namana izy teo anivon’ny fiangonana. Lasa sambatra koa izy rehefa niresaka tamin’ny hafa an’izay nianarany tao amin’ny Baiboly.

Hoy ny Matio 11:19: ‘Ny fahendren’ny olona dia hamarinin’izay ataony.’ Voamarina fa hendry tokoa ny olona mahay mianina sy malala-tanana ary mihevitra ny olona ho sarobidy noho ny fananana!