Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Handray Soa Ianao Raha Tia Manome

Handray Soa Ianao Raha Tia Manome

NIJANONA teo amin’ny sisin-tanin’ny firenena iray any Amerika Atsimo ny bisy nandehanan’i Alexandra. Henony ilay mpiambina sisin-tany nivazavaza hoe: “Mahazo mandeha ilay bisy, fa ilay Sinoa mijanona!” Nivoaka i Alexandra mba hijery izay nitranga. Io misy tovolahy sinoa miezaka miteny espaniola mba hanazavana an’izay nanjo azy. Nanolo-tena handika teny i Alexandra, izay Vavolombelon’i Jehovah. Ao amin’ny fiangonana miteny sinoa mantsy no misy azy.

Nanana taratasy ara-dalàna, hono, io Sinoa io fa nisy nangalatra niaraka tamin’ny volany ilay izy. Tsy nino an’izany anefa ilay mpiambina. I Alexandra aza noheveriny hoe mpanondrana olona an-tsokosoko. Resy lahatra izy tamin’ny farany, saingy tsy namelany ilay Sinoa raha tsy nandoa lamandy. Tsy nanam-bola ilay tovolahy, ka nampindramin’i Alexandra 20 dolara. Nisaotsaotra azy teo ilay Sinoa, ary nilaza fa haveriny ilay vola sady hampiany kadoa. Nanazava anefa i Alexandra fa tsy nitady valiny izy, fa izay tokony ho natao ihany no nataony. Mahafaly azy, hono, ny manampy olona. Nomeny boky ara-baiboly ilay tovolahy, ary nampirisihiny hianatra Baiboly amin’ny Vavolombelona.

Faly erỳ isika rehefa maheno hoe nisy olona nalala-tanana tamin’olona tsy fantany. Azo inoana hoe manao an’izany daholo na ny mpivavaka na ny tsy mpivavaka. Vonona hanao soa hoatr’izany ve ianao? Tsara saintsainina izany satria hoy i Jesosy: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.” (Asan’ny Apostoly 20:35) Voaporofon’ny mpahay siansa koa fa mandray soa ianao raha tia manome. Amin’ny fomba ahoana?

“MPANOME AMIM-PIFALIANA”

Matetika ny olona no faly rehefa manome. Nilaza ny apostoly Paoly fa “ny mpanome amim-pifaliana no tian’Andriamanitra.” Ireo Kristianina nanome fanampiana ho an’ny mpiara-mivavaka aminy sahirana no tiany holazaina tamin’izany. (2 Korintianina 8:4; 9:7) Tsy nilaza akory i Paoly hoe noho izy ireo faly no nahatonga azy hanome. Lasa faly kosa izy ireo satria nanome.

Hitan’ny mpikaroka fa “mahatsiaro ho afa-po” ny olona iray rehefa mizara ho an’ny hafa. ‘Miasa [mantsy] ilay faritra ao amin’ny atidohany, izay mahatonga azy ho finaritra, hahay hifandray amin’ny hafa, ary hatoky olona.’ Nasehon’ny fikarohana hafa koa fa “faly kokoa ny olona iray raha nataony fanomezana ny volany, noho ny hoe izy no nandany azy.”

Mahatsiaro ho tsy afa-manoatra angamba ianao, satria sahirana na manana olana hafa. Samy afaka ‘manome amim-pifaliana’ daholo anefa isika. Tsy voatery ho vola be ilay izy, fa tokony ho tsara fotsiny ny antony anomezana azy. Nandefa fanomezana tany amin’ny mpampanonta an’ity gazety ity ny vehivavy iray Vavolombelon’i Jehovah sady nanoratra hoe: ‘Vola kely ihany no mba azoko narotsaka tany amin’ny Efitrano Fanjakana tao anatin’izay taona maro izay. Noneran’i Jehovah Andriamanitra be dia be foana anefa izany. Faly aho fa afaka mandefa an’ity fanomezana ity. Mampahery ahy izany.’

Tsy voatery ho vola foana anefa no azo omena, fa mety ho zavatra hafa koa.

HO SALAMA KOKOA IANAO

Handray soa ianao sy ny hafa raha tia manome ianao

Hoy ny Ohabolana 11:17: “Manao soa amin’ny tenany ny olona tsara fanahy sy be fitiavana, fa mitondra loza ho an’ny tenany kosa ny lozabe.” Malala-tanana ny olona tsara fanahy. Mahafoy fotoana sy hery ho an’ny hafa, ohatra, izy, ary tena be fitiavana. Maro ny soa azony avy amin’izany, fa anisan’izany ny hoe lasa salama kokoa izy.

Hitan’ny mpikaroka fa tsy mora kivy be sady tsy dia mahatsiaro manaintaina ny olona tia manampy ny hafa. Salama kokoa izy amin’ny ankapobeny. Na ny olona manana aretina mitaiza aza mihasalama rehefa tia manome. Anisan’izany ny olona voan’ny aretin’ny rafi-pitatitra na ireo mitondra ny tsimokaretina VIH. Mandray soa koa ny olona miezaka miala amin’ny toaka, rehefa tia manampy ny hafa. Tsy kivy be intsony izy, ary tsy dia atahorana hiverina hisotro indray.

Inona no mahatonga an’izany? Voalaza fa “tsy dia mora kivy ny olona mangoraka sy tia manome ary tsara fanahy.” Mety tsy hanahy be loatra koa izy sady tsy hiakatra tosidra. Ahoana indray raha kivikivy ny olona iray maty vady? Mora misinda kokoa izany raha tia manampy ny hafa izy.

Handray soa tokoa àry ianao raha tia manome.

MIFINDRA ILAY TOE-TSAINA

Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany: “Aoka ianareo ho zatra manome dia mba homena koa ianareo. Fatra tsara sy mifatratra sy nahintsana ary mihoatra no hararaka eo am-pofoanareo. Fa araka izay famarana ampiasainareo no hamarana ho anareo.” (Lioka 6:38) Tsy hoe mankasitraka fotsiny ny olona raha omenao zavatra, fa lasa tia manome koa. Mahatonga ny olona hahay hiara-hiasa sy ho lasa mpinamana izany.

Hahay hiara-hiasa sy ho mpinamana ny olon-droa raha samy tia manome

Hitan’ny mpandinika ny fifandraisan’ny olombelona fa “manome modely ho an’ny hafa ny olona tia manao soa.” Na “mamaky tantaran’olona nahavita be tamin’ny hafa fotsiny aza ny olona iray dia lasa malala-tanana kokoa.” Hita tamin’ny fanadihadiana fa “mety hisy vokany amin’ny olona am-polony na an-jatony ny zavatra resahin’ny olona tsirairay mampiasa tranonkala fifaneraserana. Olona mbola tsy hitany na fantany akory anefa ny sasany aminy.” Na indray mandeha fotsiny aza ianao no malala-tanana amin’ny olona iray, dia mety halala-tanana amin’ny hafa koa iny olona iny, dia hifindra foana izany toe-tsaina izany. Tena tsara raha hoatr’izany ny toe-tsain’ny manodidina antsika. Betsaka tokoa ny soa azo rehefa tia manome ny olona.

Izany no nitranga tany Floride, Etazonia. Nanolo-tena hanampy tra-boina ny Vavolombelon’i Jehovah vitsivitsy, taorian’ny rivo-doza. Nisy trano tokony hamboarin’izy ireo, nefa mbola nisy fitaovana nila nandrasana. Naleony àry aloha nanamboatra ny vavahadin’ilay rangahy teo akaiky teo, satria hitany hoe simba ilay izy. Nanoratra tany amin’ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah ilay rangahy hoe: “Tsy hohadinoiko mihitsy ny zavatra nataon’izy ireo. Mbola tsy nahita olona tsara fanahy hoatran-dry zareo mihitsy aho.” Faly izy dia nandefa vola be, mba hampiasain’ny Vavolombelona amin’ny asa soa ataon’izy ireo, hono.

MIEZAHA HO TIA MANOME TOA AN’I JEHOVAH

Hitan’ny mpahay siansa fa “toa efa voajanahary amin’ny olona ny manampy ny hafa. ... Na mbola tsy mahay miteny aza ny ankizikely dia efa tia mizara.” Nahoana? Milaza ny Baiboly fa noforonina “araka ny endrik’Andriamanitra” ny olona, izany hoe mitovy toetra aminy.—Genesisy 1:27.

Malala-tanana i Jehovah Andriamanitra Mpamorona antsika. Anisan’ny toetra mampiavaka azy izany. Nanome aina antsika izy, sady nanome izay ilaintsika mba hahafaly antsika. (Asan’ny Apostoly 14:17; 17:26-28) Raha mianatra Baiboly isika, dia hahafantatra kokoa an’io Raintsika any an-danitra io sady hahalala ny fikasany. Resahina ao koa fa efa nanao fandaharana i Jehovah, mba hahasambatra antsika amin’ny hoavy. * (1 Jaona 4:9, 10) Avy amin’i Jehovah ilay toetra hoe malala-tanana ary natao tahaka ny endriny ianao. Miezaha àry halala-tanana toa azy, dia handray soa ianao sady hahazo sitraka aminy.—Hebreo 13:16.

Ahoana no niafaran’ny tantaran’i Alexandra, ilay voaresaka tany aloha? Nilaza taminy ny olona iray tao anaty bisy fa verivery fotsiny, hono, ilay vola nampindraminy an’ilay Sinoa. Tsy izany anefa no nitranga. Niara-niala tao amin’ny tanàna iray i Alexandra sy ilay tovolahy. Niantso ny namany izy io, dia voaloa teo no ho eo ilay trosa. Nanaraka ny tenin’i Alexandra koa izy, ka nianatra Baiboly. Faly be i Alexandra rehefa tafahaona tao Peroa izy ireo telo volana tatỳ aoriana, nandritra ny fivoriamben’ny vondrom-paritra amin’ny teny sinoa nalamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Te hankasitraka an’i Alexandra izy tamin’izay rehetra nataony ho azy, ka nasainy hisakafo tao amin’ny hoteliny i Alexandra sy ireo niaraka taminy.

Tena faly isika rehefa tia manome sy tia manampy ny hafa. Vao mainka isika ho faly, raha afaka manampy olona hahalala tsara an’i Jehovah Andriamanitra, ilay Loharanon’ny fanomezana tsara rehetra. (Jakoba 1:17) Efa nahatsapa an’izany ve ianao?

^ feh. 21 Raha mila fanazavana fanampiny dia jereo ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy io, ary azo jerena ao amin’ny www.jw.org/mg. Jereo ao amin’ilay hoe ZAVATRA MISY > BOKY & BOKIKELY.