Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

MIFOHAZA! NOVAMBRA 2014

 MATOAN-DAHATSORATRA

Te ho Sambatra ve Ianao?

Te ho Sambatra ve Ianao?

“Raha izaho no mahita vady dia mba manan-janaka an, sambatra aho!”

“Raha izao aho no mba manana trano an, sambatra aho!”

“Raha mba azoko izao io asa tsara be io an, sambatra aho!”

“Raha izaho no mba...”

EFA niteny hoatr’izany ve ianao? Dia nanao ahoana anefa rehefa azonao tokoa izay nirinao? Sambatra be foana ve ianao, sa vetivety ihany? Marina aloha hoe falifaly isika rehefa nahazo zavatra na nahatratra tanjona iray. Mandalo fotsiny anefa izany fa tsy maharitra. Raha tena te ho sambatra kosa ianao, dia misy zavatra maromaro tokony hataonao.

Anisan’izany ny hoe mahay mianina amin’izay ananana, tsy mialona ny hafa, maneho fitiavana, ary tsy mora kivy. Marina aloha fa tsy mitovy ny olona. Ny zavatra mahafaly anao, ohatra, mety tsy hahafaly ny olon-kafa. Mety hiova koa ny zavatra mahafinaritra antsika rehefa mihalehibe isika. Mahatonga ny olona ho sambatra foana anefa ireo zavatra efatra voalaza teo ireo. Andeha hojerentsika tsirairay izany.

 1. MAHAIZA MIANINA

Hoy i Solomona, mpanjaka hendry: ‘Fiarovana ny vola.’ Hoy koa anefa izy: “Izay tia volafotsy dia tsy ho afa-po amin’izay volafotsy ananany. Ary izay tia harena koa tsy ho afa-po amin’izay harena azony. Zava-poana koa izany.” (Mpitoriteny 5:10; 7:12) Midika izany fa na mila vola aza isika mba hivelomana, dia tsy tokony ho tia vola loatra satria tsy misy olona afa-po amin’ny vola ananany. Nilomano tao anatin’ny harem-be i Solomona Mpanjaka, ka fantany tsara hoe mahasambatra ve izany sa tsia. “Tsy nihafihafy mihitsy aho”, hoy izy, “fa izay nirin’ny masoko dia tsy maintsy azoko. Navelako hanaram-po tamin’izay mety ho fifaliana ny foko.”—Mpitoriteny 1:13; 2:10.

Nanao trano ngezabe izy, dia nasiany dobo sy zaridaina tsara tarehy. Nanana mpiasa be dia be koa izy, ary azony daholo izay tiany. Inona anefa no tsapany? Faly aloha izy, nefa vetivety ihany. Hoy izy: ‘Hitako fa zava-poana ny zava-drehetra, ary tsy misy mahasoa.’ Nisy fotoana aza izy niteny mihitsy hoe halany ny fiainana! (Mpitoriteny 2:11, 17, 18) Hitan’i Solomona àry fa raha manaram-po amin’izay tiany fotsiny ny olona, dia tsy ho afa-po mihitsy fa mbola hahatsiaro ihany hoe misy banga ny fiainany. *

Mitovy hevitra amin’izany ve ny manam-pahaizana ankehitriny? Hoy ny Gazety Momba ny Fahasambarana (anglisy): “Mila vola ianao mba hividianana izay tena ilainao isan’andro. Na manana vola mihoatra an’izay aza anefa ianao, dia tsy hoe lasa sambatra kokoa.” Vao mainka aza tsy sambatra ny olona raha manaram-po loatra amin’ny zavatra azony andaniana vola, indrindra raha lasa ratsy fitondran-tena sy tsy miraharaha an’Andriamanitra.

TORO LALAN’NY BAIBOLY: “Aoka ny fomba fiainanareo tsy hisy fitiavam-bola, fa aoka ianareo hianina amin’izay efa eo.”Hebreo 13:5.

2. AZA MIALONA

Araka ny Rakibolana Malagasy, ny hoe fialonana dia “alahelo noho ny soa azon’ny sasany.” Tena ratsy izy io satria ny fiainanao manontolo mihitsy no mety ho simba, ary tsy ho sambatra mihitsy ianao. Iza àry no mety hampialona anao? Ahoana no ahafantarana raha efa mialona ianao? Ary ahoana no hialana amin’izy io?

Milaza ny rakipahalalana iray fa izay mitovitovy aminy ihany no ialonan’ny olona, ohatra hoe izay mitovy taona na fahaizana na fari-piainana aminy. Ny mpivarotra izao tsy hialona mpihira malaza mihitsy, fa mpivarotra toa azy ihany no ialonany raha mahazo tombony kokoa.

Ireo manam-pahefana tany Persa fahiny, ohatra, tsy hoe nialona ny mpanjaka, fa nialona an’i Daniela, izay manam-pahefana toa azy ihany. Tsy tantin-dry zareo mihitsy hoe narani-tsaina kokoa i Daniela, ka nanao tetika izy ireo mba hamonoana azy! Tsy nahomby anefa ilay tetika! (Daniela 6:1-24) Hoy ihany ilay rakipahalalana: “Ilaina ny mitadidy hoe rehefa mialona ianao dia lasa te hanisy ratsy an’ilay olona. Marina izany raha  jerena ny tantara, satria be dia be ny olona nampijaly ny hafa noho ny fialonana.” *

Tsy mety faly mihitsy ny olona mialona, na dia manana zavatra tsara betsaka aza

Ahoana no ahafantarana raha efa mialona ianao? Eritrereto hoe: ‘Ahoana raha mahavita zavatra tsara na mahazo tombontsoa ny zokiko na zandriko, na koa ny mpiara-mianatra na mpiara-miasa amiko? Faly ve aho sa sosotra? Ary ahoana indray raha tsy mandeha tsara ny fianarany na ny asany? Malahelo ve aho sa zarako aza?’ Mety ho efa mialona ianao raha mamaly hoe: “Sosotra”, sy hoe: “Zarako aza.” (Genesisy 26:12-14) Hoy ilay rakipahalalana voalaza tany aloha: ‘Tsy mety faly mihitsy ny olona mialona, na dia manana zavatra tsara betsaka aza. Tsy mba mahay mankasitraka koa izy na dia tsara aza ny fiainany. Ahoana moa no hahasambatra azy amin’izany?’

Inona àry no hanampy antsika tsy hialona? Ilaina ny manetry tena, ka miaiky hoe mba manana ny fahaizany sy ny toetra mampiavaka azy koa ny olon-kafa. Hoy ny Baiboly: “Aza manao na inona na inona noho ny fitia te hifanditra na noho ny fireharehana, fa amim-panetren-tena kosa dia aoka samy hanao ny hafa ho ambony noho ny tenany.”—Filipianina 2:3.

TORO LALAN’NY BAIBOLY: “Aoka isika tsy hirehareha ka hampisy fifaninanana sy fifampialonana.”Galatianina 5:26.

3. MANEHOA FITIAVANA

Hoy ilay boky hoe Toe-tsaina eo Amin’ny Fiaraha-monina (anglisy): “Na tsara asa, be karama, na salama tsara aza ny olona, dia tsy izay loatra no tena mahatonga azy ho afa-po amin’ny fiainany. Ny tena mahafaly sy mahafa-po kosa dia ny mifandray tsara amin’ny namana sy ny fianakaviana.” Mila maneho fitiavana sy mahatsapa hoe tiana àry isika, raha tena te ho sambatra. ‘Raha tsy manam-pitiavana aho dia tsinontsinona’, hoy ny mpanoratra Baiboly.—1 Korintianina 13:2.

Diniho ny tantaran’i Vanessa. Mamo lava ny dadany sady nampijaly azy. Nandositra niala tao an-trano àry izy tamin’izy 14 taona, ka nipetraka tany amin’olona na fikambanana mba nety nandray azy. Nivavaka izy tamin’izany, mba hampian’Andriamanitra. Nivaly angamba ny vavaka nataony, satria nafindra tany amin’ny fianakaviana tsara fanahy be izy. Mazoto mianatra Baiboly mantsy izy ireo, ka mampihatra an’ilay hoe “ny fitiavana mahari-po sy tsara fanahy.” (1 Korintianina 13:4) Nianatra Baiboly koa àry i Vanessa, sady tena nanampy azy ilay fianakaviana. Nihasitrana tsikelikely ny ratram-pony, ary lasa nahay be izy tany am-pianarana ka nihatsara ny naotiny.

Marina aloha fa mbola misy vokany amin’i Vanessa ny zavatra niainany taloha. Sambatra anefa izy izao, miaraka amin’ny vadiny sy ny zanany vavy roa.

TORO LALAN’NY BAIBOLY: “Mitafia fitiavana fa fatorana mampiray tonga lafatra izy io.” Kolosianina 3:14.

 4. AZA MORA KIVY

Iza moa no tsy mba manana olana eo amin’ny fiainana? Ny Baiboly aza milaza fa “misy fotoana itomaniana”, ary misy aza “fotoana idradradradrana.” (Mpitoriteny 3:4) Na misy aza anefa ny olana, dia miezaka miarina haingana ny olona tsy mora kivy. Diniho ny ohatr’i Carol sy Mildred.

Voan’ny diabeta i Carol, sady marary hazondamosina. Sempotra koa izy rehefa matory, ary marary ny masony ka lasa jamba ny ilany. Hoy anefa izy: “Miezaka aho mba tsy ho kivy be foana. Misy fotoana aloha aho tena malahelo, nefa amboariko ny saiko avy eo mba tsy hifantoka be amin’ny tenako. Misaotra an’Andriamanitra aho satria mbola afaka manao zavatra, indrindra hoe mbola afaka manampy olona.”

Marary be koa i Mildred. Sady voan’ny diabeta izy no voan’ny kanseran’ny nono sy aretin’ny tonon-taolana. Ataony koa izay tsy hifantohana be amin’ny aretiny. Hoy izy: “Miezaka manampy olona sy mampahery an’izay marary aho. Hitako hoe mahasoa ilay izy, satria tsy mieritreritra be ny tenako aho rehefa mampahery olon-kafa.”

Tia mampahery olona i Carol sy Mildred ka falifaly foana

Marina fa samy miezaka mitsabo tena izy roa vavy. Tsy ny aretiny anefa no tena eritreretiny. Miezaka hatanja-tsaina kosa izy ireo, ka mampiasa an’izay fotoana ananany mba hanaovana zavatra tsara. Falifaly foana ry zareo noho izany. Lasa tena tian’ny olona koa izy ireo, sady modely ho an’izay manana olana lehibe.

TORO LALAN’NY BAIBOLY: “Sambatra izay olona miaritra hatrany rehefa iharam-pitsapana, satria rehefa ankasitrahana izy, dia hahazo ny satroboninahitry ny fiainana.”Jakoba 1:12.

Mahasoa tokoa ny toro lalan’ny Baiboly rehefa ampiharina. “Hazon’aina ho an’izay mitana azy izy, ary izay mifikitra aminy no atao hoe sambatra.” (Ohabolana 3:13-18) Andramo àry dia ho hitanao fa marina izany. Avy amin’ilay “Andriamanitra falifaly” mantsy ny Baiboly, ka mba tiany ho sambatra koa ianao.—1 Timoty 1:11.

^ feh. 11 Hita ao amin’ny Mpitoriteny 2:1-11 ny tantaran’i Solomona.

^ feh. 17 Porofoin’ny tantara fa “noho ny fialonana” no nahatonga an’ireo lehiben’ny mpisorona hampamono an’i Jesosy Kristy.—Marka 15:10.

Fanampim-panazavana

Tianao ho Sambatra ve ny Fianakavianao?

Tian’i Jehovah ho sambatra ny fianakaviana. Jereo ato ny torohevitry ny Baiboly ho an’ny mpivady, ray aman-dreny, ary zanaka.

Ho An’ny Fianakaviana

Mitadiava torohevitra ara-baiboly ho an’ny fianakavianao.

Tianao ve ny ho Ray Mahay Mitaiza?

Diniho ireo toro lalana 5 avy ao amin’ny Baiboly, izay hanampy anao ho ray be fitiavana sy mahay mandanjalanja.