Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

INONA NO TENA MAHASAMBATRA?

Manana Fanantenana

Manana Fanantenana

“Mieritreritra ny hanome anareo fiadanana aho fa tsy loza, mba hahatonga anareo hanana ny hoavinareo sy hanana fanantenana.”Jeremia 29:11.

‘MANAMPY ANTSIKA HIFANDRAY TSARA AMIN’ANDRIAMANITRA NY FANANTENANA. Izy io koa no tena manampy antsika tsy ho kivy, na hitokantokana, na hatahotra.’—Be Fanantenana na Manjaka aza ny Tebiteby (anglisy).

Resahin’ny Baiboly hoe mila manana fanantenana isika, nefa koa mila mitandrina amin’ny fampanantenana poakaty. Hoy ny Salamo 146:3: “Aza matoky ny olona ambony na ny zanak’olombelona izay tsy mahavonjy.” Aleo kosa mitoky amin’ny Mpamorona, satria mahavita manatanteraka ny fampanantenany rehetra izy. Inona avy no nampanantenainy antsika? Diniho ireto:

TSY HISY INTSONY NY FAHARATSIANA, ARY HIADANA MANDRAKIZAY NY OLO-MARINA: Hoy ny Salamo 37:10, 11: “Rehefa afaka kelikely, dia tsy hisy intsony ny ratsy fanahy. ... Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany, ka tena ho finaritra amin’ny fiadanam-be.” Milaza koa ny andininy faha-29 hoe hiaina ‘mandrakizay eto an-tany ny olo-marina.’

TSY HISY INTSONY NY ADY: “Mampitsahatra ady hatrany amin’ny faran’ny tany [i Jehovah]. Tapatapahiny ny tsipìka, ary potipotehiny ny lefona. Dorany ny kalesin’ady.”—Salamo 46:8, 9.

TSY HISY INTSONY NY ARETINA SY FIJALIANA ARY FAHAFATESANA: “Eo amin’ny olombelona ny tranolain’Andriamanitra. ... Hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana.”—Apokalypsy 21:3, 4.

HO AMPY TSARA NY SAKAFO: “Hahavokatra be ny tany, ary na eny an-tampon-tendrombohitra aza dia ho be ny vokatra.”—Salamo 72:16.

NY FANJAKAN’I KRISTY IHANY NO HITONDRA, ARY HANJAKA NY RARINY: “Nomena [an’i Jesosy Kristy] ny fitondrana sy ny voninahitra ary ny fanjakana, mba hanompo azy avokoa ny vahoaka sy ny firenena ary ny olona samy hafa fiteny. Ny fitondrany dia fitondrana haharitra mandritra ny fotoana tsy voafetra fa tsy handalo, ary ny fanjakany tsy ho rava.”—Daniela 7:14.

Nahoana isika no matoky fa ho tanteraka izany? Noporofoin’i Jesosy tamin’izy tetỳ an-tany fa mendrika ny ho Mpanjaka izy. Nanasitrana ny marary izy, nanome sakafo ho an’ny mahantra, ary nanangana ny maty. Mbola sarobidy kokoa aza ny fampianarany, satria misy toro lalana hanampy ny olona hihavana sy hiray saina mandrakizay. Natorony koa hoe ahoana no hamantarana fa efa hifarana ity tontolo ity. Nitanisa fisehoan-javatra maro izy.

MBOLA HO AVY NY MARAINA

Tsy nilaza i Jesosy hoe hisy fiadanana sy filaminana amin’ny andro farany. Inona kosa, hoy izy, no anisan’ny famantarana fa efa ‘hifarana ny rafitr’ity tontolo ity’? Hisy ady, mosary, areti-mandringana, ary horohoron-tany lehibe eran-tany. (Matio 24:3, 7; Lioka 21:10, 11; Apokalypsy 6:3-8) Nilaza koa i Jesosy hoe: “Hihamangatsiaka ny fitiavan’ny olona maro, noho ny fitomboan’ny fandikan-dalàna.”—Matio 24:12.

Betsaka ny porofo ahitana hoe mihamangatsiaka ny fitiavan’ny olona. Resahin’ny 2 Timoty 3:1-5, ohatra, fa ho tia tena, ho tia vola, ary ho tia fahafinaretana ny ankamaroan’ny olona amin’ny “andro farany.” Hanambony tena izy ireo ary ho masiaka be. Tsy hifankatia ny mpianakavy, ary tsy hankatò ray aman-dreny ny ankizy. Maro koa no mody hiseho ho mpivavaka.

Ireo zava-dratsy ireo no manaporofo hoe efa hifarana ity tontolo ity. Hita avy amin’izany koa hoe efa ho avy ny maraina, izany hoe efa hitondra ny Fanjakan’i Kristy. Hoy koa i Jesosy momba ny andro farany: “Hotorina maneran-tany ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, vao ho tonga ny farany.”—Matio 24:14.

Fampitandremana ho an’ny mpanao ratsy izany vaovao tsara izany, fa hitondra fanantenana kosa ho an’ny olo-marina. Ho tanteraka tsy ho ela mantsy ireo fitahiana nampanantenain’Andriamanitra. Te hahafantatra bebe kokoa momba izany ve ianao? Jereo àry ny pejy manaraka.