Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Mifohaza!  |  Novambra 2012

Ilay Vorona Manam-peo

Ilay Vorona Manam-peo

VORONA mitovitovy amin’ny ganagana ny huards. * Any Kanada sy Eoropa ary any amin’ny faritra avaratr’i Etazonia no tena ahitana azy. Tsy hay hadinoina ilay feony mitoreo, izay manako avy any amin’ireo farihy sy renirano.

Tsara tarehy io vorondrano io, ary mampiavaka ny fanjakan’i Minnesota, any Etazonia. Ahitana ny sariny eo amin’ny vola madinika iray dolara kanadianina. Mifindra monina izy io rehefa ririnina, ka mianatsimo ny ankamaroany. Inona no mampiavaka ny feony?

Feo isan-karazany

Mihira

Tena miavaka ny feon’io vorondrano io. Re hatrany lavitra be ilay feony mitoreo, rehefa takariva na amin’ny alina. Feo hafa indray no ataony rehefa te hifandray amin’ny vadiny, na ny zanany, na vorona hafa eo amin’ilay farihy izy. Mangovingovitra toy ny feon’olona mihomehy kosa ny feony rehefa te hampitandrina izy, ary izany ihany no feo hainy rehefa manidina.

Milaza koa ny gazety momba ny vorona any Kanada, fa mamoaka feo mitabataba ny vorona lahy, “angamba rehefa miaro ny faritaniny.” Hoy ihany ilay gazety: ‘Samy manana ny feo mampiavaka azy ny vorona lahy tsirairay, ary mihamidoboka izany arakaraka ny itomboan’ny lanjany. Ovany koa io feony io rehefa mifindra faritany izy, ary ataony izay tsy itovizan’izany amin’ilay feony teo aloha.’

Tsara tarehy sy kinga nefa koa mikaviavia

Mainty manopy maitso mangirana ny lohan’io vorondrano io. Mena kosa ny masony ary mainty sy lava matsoko ny vavany. Miova arakaraka ny fizaran-taona ny volony.

Toy ny an’ny ganagana ny tongony, ka kinga erỳ izy rehefa mihaza sy milomano ary  manao antsitrika. Mahavita misitrika hatrany amin’ny 60 metatra izy, ary afaka mijanona any elaela indraindray.

Tena sahirana anefa izy io rehefa hiainga sy hipetraka. Mila farihy midadasika izy rehefa hanao izany satria mavesa-be ny vatany. Tsy maintsy mikopakopaka hatrany amin’ny an-jatony metatra izy vao tafainga. Tsy mampiasa ny tongony koa izy rehefa hipetraka, fa tonga dia ny kibony no mitrosina eo ambony rano, ary misosa elaela izy vao tafajanona.

Mahay milomano be izy amin’ilay tongony. Somary any aoriana anefa no misy azy ireo, ka mikaviavia izy rehefa mamindra sy mijoro. Izay toerana mora idinana mankao anaty rano àry no ametrahany ny akaniny.

Zanany kely maka aina eo an-damosin-drainy na reniny

Mifandimby mikotrika ny atodiny ny lahy sy ny vavy. Matetika no roa ny atodiny, ary mavo maitso mipentimpentina mainty ny lokony. Foy izy ireo rehefa afaka 29 andro. Roa andro monja dia efa afaka milomano ny zanany, ary mahavita manao antsitrika kely mihitsy aza. Mankeo an-damosin’ny rainy na ny reniny fotsiny izy rehefa vizana. Mahay manidina tsara izy ireo rehefa afaka roa na telo volana, ary mandao ny ray aman-dreniny.

Anisan’ny fahavalon’io vorona io ny voromahery sy ny varevaka, ary indrindra fa ny olombelona. Manapoizina azy ny firamainty fampiasan’ny mpanjono sy ny solika very any anaty rano. Misy asidra ny orana noho ny fandotoana, ka mamono an’ireo trondro fihinan’ilay vorona. Manimba ny akaniny koa ny onja avy amin’ny sambo. Ary tsy tamana eo amin’ilay moron-drano fanatodizany intsony izy noho ny fandrosoana.

Tsy atahorana ho lany tamingana ilay vorona, na eo aza izany. Mbola ho afaka hankafy an’io vorondrano io foana àry ireo tia vorona, ka ho variana amin’ny hakantony sy ny feo mangany ary ireo fihetsiny mampihomehy.

^ feh. 2 Antsoina koa hoe vorona lehibe mpanao antsitrika any amin’ny faritra avaratra izy io.