Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

MIFOHAZA! NOVAMBRA 2012

 Manontany ny Tanora Hoe...

Inona no Hataoko fa Miady Saina Aho?

Inona no Hataoko fa Miady Saina Aho?

Miady saina ve ianao?

  • Mbola tsy niady saina mihitsy aho
  • Mbola zakako tsara
  • Efa mila tsy ho tantiko
  • Tena efa tsy zakako intsony

TOY ny mitarika kaontenera feno entana ianao rehefa miady saina. Vitan’ny kamiao lehibe ny mitarika azy io. Ny fiara kely kosa tsy mahavita an’izany na dia akaiky kely aza, fa mety ho simba ny maoterany. Mety hanimba anao koa ny adin-tsaina rehefa be loatra.

Misy zavatra azo atao anefa. Tsy ho tototry ny adin-tsaina ianao, raha mitady fanampiana na mampihena ny zavatra ataonao. Samy azo atao ireo, araka ny ho hitantsika.

Ahenao ny zavatra ataonao

OLANA: Be atao loatra.

“Rehefa misy zavatra tena tokony hataoko dia misy olona mitady fanampiana na manasa ahy hiara-hikorana aminy. Sarotra amiko ny handa izay angatahin’ny olona.”—Koloina. *

VAHAOLANA: Mianara mandà.

Hoy ny Baiboly: ‘Izay manetry tena no hendry.’ (Ohabolana 11:2) Ho sahy handa ianao raha manetry tena rehefa hitanao hoe be loatra ny zavatra tsy maintsy hataonao.

Tsy afaka mandà anefa ianao indraindray, ohatra hoe rehefa mampahatsiahy anao ny anjara raharahanao ny ray aman-dreninao. Na izany aza, dia tsy ho arakao ny hanao an’izay rehetra ampanaovin’ny olona. Ny entana zakan’ny kamiao lehibe indrindra aza mantsy mbola voafetra.

Soso-kevitra: Izao lazaina raha sarotra aminao ny handa avy hatrany izay angatahin’ny olona: “Aleo aloha aho hieritreritra.” Alohan’ny hanomezana valin-teny, dia eritrereto hoe: ‘Tena hanam-potoana sy hery hanaovana an’izany ve aho?’

 OLANA: Fangatahana andro.

“Tsy tonga dia ataoko ny zavatra iray raha vao hitako hoe sarotra. Mitebiteby foana anefa aho avy eo, satria tsy maintsy mbola hanao an’ilay izy ihany. Mikoropaka aho rehefa hanao an’ilay izy ka vao mainka miady saina.”—Sitraka.

VAHAOLANA: Tonga dia atombohy ilay izy na tsy ho vitanao amin’iny fotoana iny aza.

Hoy ny Baiboly: “Aza malaina amin’izay ataonareo.” (Romanina 12:11) Efa manahirana ny manao zavatra sarotra. Ho ela kokoa anefa ilay izy vao ho vita raha mangataka andro ianao, ka vao mainka ho sahirana.

Manaova lisitra mba hampahazoto anao ary tsinjarao ny asa lehibe. Hoy ny tovovavy atao hoe Carole: “Tia manao lisitra aho ka izay tena tsy tiako no soratako voalohany. Tsy hitahita akory ireny dia vitako, ka faly aho rehefa manao an’ireo zavatra mahafinaritra ahy kokoa.”

 Soso-kevitra: Raha tsy vitanao mihitsy ny manomboka asa iray, dia mampiasà famohamandry ary ataovy maneno izy io rehefa afaka 10 na 15 minitra. Atombohy avy hatrany ilay asa avy eo. Rehefa maneno ilay famohamandry, dia ho hitanao hoe efa 10 na 15 minitra no nanaovanao an’ilay asa. Ho mora kokoa aminao ny hanohy an’ilay izy rehefa natombokao.

Ataovy madio sy milamina tsara ny efitranonao. Vao mainka ianao hiady saina raha tsy maintsy tadiavina any anaty korontana ny akanjo madio na ny devoara. Manokàna dimy minitra hampiriman-trano alohan’ny hatoriana, dia tsy ho sahirana ianao rehefa maraina

Mitadiava fanampiana

Toy ny fiara ny vatanao, ka ho vitanao izay tokony hataonao raha matanjaka tsara izy io

Ataovy izay hampahatanjaka anao.

Milaza ny manam-pahaizana fa hahavita zavatra betsaka kokoa ianao raha mihinana sakafo mahasalama sy manao fanatanjahan-tena ary ampy torimaso. * Tsy sarotra izany fa ilana ezaka kely fotsiny. Andao aloha hojerentsika ilay resaka torimaso. Andramo izao:

  1. Manaova ampy torimaso. Aza ovaovana ny ora atoriana sy ny ora ifohazana, fara faharatsiny, mandritra ny andro fianarana na fiasana.
  2. Omeo fotoana hialana sasatra ny vatanao. Aza manao fanatanjahan-tena ao anatin’ny adiny telo alohan’ny hatoriana. Aza mihinana sakafo mavesatra na zavatra misy kafeinina rehefa akaiky hatory.
  3. Vonoy ny jiro sy ny zava-maneno ary ataovy mahazo aina tsara ny vatanao rehefa hatory ianao.

Miresaha amin’ny hafa.

Aza misalasala mitady fanampiana amin’ny ray aman-dreny na ny namana. Tena ilaina ve izany? Nasehon’ny fikarohana fa mety harary fo sy ho tapaka lalan-dra ary ho mora marary ny olona miady saina be loatra. Tsy hiharan’izany anefa ianao raha tsy miady irery.

Mifanaraka amin’izay lazain’ny Baiboly izany. Hoy izy io: “Ny tebiteby ao am-pon’ny olona no mahakivy ny fony, fa ny teny soa kosa no mahafaly ny fony.” (Ohabolana 12:25) Kivy ve ianao satria misy zavatra ‘mampitebiteby’ anao? Angamba “teny soa” na fampaherezana avy amin’ny namanao fotsiny no ilainao mba handresena an’izany.

Raha mila fanazavana fanampiny ianao, dia jereo ireto toko ireto, ao amin’ny boky Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Voalohany sy Faharoa, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

BOKY VOALOHANY

  • Toko 18: Inona no Hataoko fa Miferinaina Be Aho?
  • Toko 21: Ahoana no Andaminako Fotoana?

BOKY FAHAROA

  • Toko 26: Inona no Hataoko Raha Mora Tezitra Aho na Mora Malahelo?
  • Toko 27: Maninona no Tiako ho Tsara Be Foana Izay Ataoko?

^ feh. 12 Novana ny anarana sasany ato amin’ity lahatsoratra ity.

^ feh. 24 Misy soso-kevitra momba ny sakafo sy ny fanatanjahan-tena ny toko 10 amin’ny boky Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Voalohany, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

ANONTANIO NY RAY AMAN-DRENINAO

Inona no tena mampiady saina anareo? Ahoana no ataonareo mba hiatrehana an’izany? Inona no fomba hitanareo hoe tena mahomby?

Fanampim-panazavana

Adin-tsaina Foana ve no Iainanao?

Ato misy torohevitra tsotra avy ao amin’ny Baiboly, mba hiatrehana olana efatra mety hampiady saina anao.

Manontany ny Tanora, Boky Voalohany

Anisan’ny resahina ao ny momba ny toaka, ny zava-mahadomelina, ny firaisana, ary ny fanaovana sipa.

Manontany ny Tanora, Boky Faha-2

Anisan’ny horesahina ao ny momba ny fianarana, fialam-boly, namana, fifandraisana amin’ny ray aman-dreny, fiovana eo amin’ny vatana, fihetseham-po, ary fitiavana.