Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

MIFOHAZA! MEY 2014

 MATOAN-DAHATSORATRA

Adin-tsaina Foana ve no Iainanao?

Adin-tsaina Foana ve no Iainanao?

“Matetika aho no miasa adiny 16 isan’andro, ary mbola miasa koa ny faran’ny herinandro. Reraka be aho nefa tsy hitako akory izay vokany. Efa matory foana ny zanako vao tonga aho. Mahasosotra be ilay izy! Mandraiki-marary mihitsy aho.”Kari, Failandy.

TSY i Kari irery no tratran’izany. Milaza mantsy ny fikambanana iray momba ny fahasalamana, any Royaume-Uni, fa ny ampahadimin’ny mpiasa no marary mihitsy noho ny adin-tsaina. Ny ampahefany kosa no miferinaina be rehefa miasa, ka mitomany mihitsy. Be mpividy ny fanafody mampitony saina tamin’ny 2009, satria nisy olana ara-toe-karena.

Inona no mampiady saina anao?

  • Misy mampanahy: Ohatra hoe vola

  • Be atao loatra

  • Nisy olona niady taminao

  • Nisy loza nitranga

Inona ny vokany aminao?

  • Lasa marary

  • Rera-tsaina

  • Tsy mahita tory

  • Kivy

  • Tsy mifandray tsara amin’olona

 Manao zavatra avy hatrany ny vatanao, rehefa miady saina be ianao na matahotra. Mitombo, ohatra, ny hormonina ao aminao ka lasa misefosefo be ianao. Midobodoboka be koa ny fonao, ary miakatra ny tosidranao. Misondrotra koa ny tahan’ny sela mena sy ny siramamy ao amin’ny ranao. Miverina amin’ny laoniny daholo anefa izany, rehefa voavaha ilay olana. Raha maharitra kosa ilay izy, dia ho sorena sy hitebiteby lava ianao. Lasa hoatr’ireny milina fitotoam-bary tsy mijanona ireny mihitsy ianao, ka ho reraka ihany amin’ny farany! Mila mahay miatrika olana àry ianao, raha te ho salama sy hilamin-tsaina.

Mila mahay miatrika ianao

Ilaina ny miasa saina, fa tsy tokony ho tafahoatra. ‘Azo oharina amin’ny tadin-dokanga mihenjana araka ny antonony ilay izy: Raha malefaka loatra dia mivalana ny feo, fa raha henjana loatra dia kentsona ny feo na tapaka ilay tady. Toy izany koa ny adin-tsaina. Mampisy tsirony ny fiainana ilay izy, fa raha be loatra dia mahafaty. Ilaina fotsiny ny mahay miatrika azy.’—Fikambanana Amerikanina Momba ny Psikolojia.

Tadidio koa fa tsy mitovy daholo ny toetran’ny olona sy ny fahasalamany. Ny zavatra mampiady saina anao, ohatra, mety tsy hampihontsina ny hafa. Diniho àry hoe mirotoroto lava ve ianao, ka tsy mba afaka miala sasatra? Tonga dia mikorontana be ve ny sainao raha vao misy olana tampoka, ka tsy hitanao izay hatao? Efa miady saina loatra ianao raha izany.

Misy olona miady saina lava ka lasa misotro toaka, na mifoka sigara na rongony mba “hamonoana eritreritra.” Ny sasany indray misakafo be loatra na mandany andro mijery tele. Vao mainka anefa izany manampy trotraka ny olana mahazo azy. Inona àry ny tena vahaolana?

Maro no nahita soa rehefa nanaraka ny torohevitry ny Baiboly. Afaka manampy anao koa izy io! Andeha hodinihintsika ireo antony efatra mety hampiady saina anao, sy ny torohevitry ny Baiboly momba izany.

 1 MISY MAMPANAHY ANAO VE?

Tsy maintsy hisy foana ny olana. Milaza mantsy ny Mpitoriteny 9:11 fa “mety ho azon-tsampona [isika] rehetra amin’ny fotoana tsy ampoizina.” Andramo àry ireto, rehefa misy mampanahy anao:

  • Miresaha amin’ny fianakaviana na namana atokisanao. Hita tamin’ny tatitra mantsy fa marina foana ny hoe: Tsy dia mijaly loatra ny olona miady saina, raha manana namana na havana manohana azy. Tadidio fa “tia amin’ny fotoana rehetra ny tena namana, sady toy ny rahalahy natao hanampy amin’ny fotoam-pahoriana.”—Ohabolana 17:17.

  • Aza mamisavisa zavatra ratsy be. Hanakivy anao fotsiny izany, nefa mety tsy hitranga akory. “Aza manahy mihitsy ny amin’ny ampitso”, hoy ny Baiboly, “fa ny ampitso hanana ny fanahiany.”—Matio 6:34.

  • Miresaha amin’Andriamanitra, satria tena misy heriny ny vavaka. ‘Apetraho aminy daholo izay rehetra mampanahy anao, satria miahy anao izy’, hoy ny 1 Petera 5:7. Homeny fiadanan-tsaina ianao, rehefa mitady fanampiana sy fampaherezana any aminy. Manome toky izy fa “tsy handao anao mihitsy.”—Hebreo 13:5; Filipianina 4:6, 7.

2 BE ATAO LOATRA VE IANAO?

Tena mandreraka ny mivezivezy, miasa na mianatra, ary ny mikarakara zanaka na ray aman-dreny be taona. Matetika anefa izany no tsy misy azo ajanona. (1 Timoty 5:8) Inona àry no hanampy anao?

  • Manokàna fotoana mba hakanao aina. Hoy mantsy ny Baiboly: “Aleo fialan-tsasatra eran-tanan’ila, toy izay asa mafy eran-tanan-droa nefa toy ny misambo-drivotra fotsiny.”—Mpitoriteny 4:6.

  • Miezaha hanana fiainana tsotra, ka izay zava-dehibe ihany ifantohana. (Filipianina 1:10) Azonao ahena, ohatra, ny fotoana iasanao, na ny zavatra mandany ny volanao.—Lioka 21:34, 35.

Nianatra Baiboly i Kari, voalaza tany aloha, ka nandinika ny fiainany. Namidiny àry ny fivarotany, dia nanao asa tsotsotra izy. Hoy izy: ‘Tsapako hoe tia tena be aho, ka naleoko niova. Izao aho manana fotoana iarahana amin’ny fianakaviako sy ny namako. Marina fa lasa tsy manam-bola be izahay mivady, nefa tsy miady saina loatra intsony. Milamina tsara izao ny saiko. Tsy hatakaloko an’izany, na dia asa ahazoana vola be aza.’

 3 NISY OLONA NIADY TAMINAO VE?

Tena mandreraka ny fiainana rehefa misy olona tsy mifankahazo aminao, indrindra raha hoe any am-piasana. Ireto misy hevitra azonao andramana, raha izany no mahazo anao:

  • Miezaha ho tony, na dia misy mampahatezitra aza. Aza itarina intsony ilay ady. Hoy ny Ohabolana 15:1: “Mampitony fahatezerana mafy ny valin-teny malefaka, fa ny teny maharary kosa mahatonga fahasosorana.”

  • Resaho moramora ilay olona rehefa mitokana ianareo, ary hajao foana izy fa aza manala baraka azy.—Matio 5:23-25.

  • Ezaho fantarina ny heviny sy izay tsapany. Hahay hipetraka amin’ny toerany ianao amin’izay, ka hahavita ‘hanindry fo.’ (Ohabolana 19:11) Mba afaka mandini-tena amin’ny saina tsy miangatra koa ianao raha manao an’izany.

  • Mahaiza mamela heloka. Tsy hoe toetra tsara fotsiny izany fa mahasalama koa. Milaza ny tatitra iray tamin’ny 2001 fa “rehefa mitana lolompo ny olona”, dia lasa miakatra ny tosidrany, ary midobodoboka be foana ny fony.—Kolosianina 3:13.

4 NISY LOZA NITRANGA VE?

Nampalahelo ny nahazo an’i Nieng, mipetraka any Kambôdza. Naratra mafy izy tamin’ny 1974, rehefa nisy baomba nipoaka tany amin’ny seranam-piaramanidina. Maty koa ny zanany mianadahy sy ny reniny ary ny vadiny, herintaona tatỳ aoriana. Tamin’ny taona 2000 indray, dia may ny tranony sy ny fananany rehetra. Ary telo taona taorian’izay, dia maty ny vadiny faharoa. Saika hamono tena mihitsy izy tamin’izay.

“Aleo fialan-tsasatra eran-tanan’ila, toy izay asa mafy eran-tanan-droa”

Nisy zavatra nanampy an’i Nieng anefa. Nianatra Baiboly izy, ary noresahiny tamin’ny hafa ny zavatra nianarany mba hahasoa azy ireo koa. Hita amin’izany fa marina ilay nolazain’ny mpikaroka anglisy tamin’ny 2008 hoe: ‘Mahazaka adin-tsaina kokoa ny olona, rehefa manao soa ho an’ny hafa.’ Ny Baiboly aza efa ela no nanome an’io torohevitra io.—Asan’ny Apostoly 20:35.

Nianaran’i Nieng tao amin’ny Baiboly koa fa tena ho tsara ny hoavy. Tsy hisy intsony mantsy ny zava-manahirana mampijaly ny olona. Fiadanana kosa no hanjaka eran-tany.—Salamo 72:7, 8.

Te hanana an’io fanantenana io koa ve ianao? Tianao ve ny hahazo fahendrena mba hiatrehana adin-tsaina? Samy tena ilaina ireo, ary samy ao amin’ny Baiboly. An-tapitrisany no efa nahita soa tamin’io boky miavaka io. Afaka mandray soa koa ianao!