Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ho Vitanao Izany!

Ho Vitanao Izany!

“Faly erỳ aho rehefa mamihina ahy tampoka izy roa vavy sady milaza hoe: ‘Tianay be moa i Neny ô!’ ”—ANNA, RENY TOKAN-TENA ANY POLONINA.

“Tena tiako rehefa mankasitraka an’izay ataoko ny zanako. Manao fanomezana ho ahy ry zareo indraindray, ohatra hoe sarisary nataony. Afa-po erỳ aho mahita an’izany.”—MASSIMO, RAY TOKAN-TENA ANY ITALIA.

“Rehefa kivikivy iny aho indraindray, dia tamy ny zanako lahy iray ka mamihina sy manoroka ahy sady miteny hoe tiany be mihitsy aho.”—YASMIN, RENY TOKAN-TENA ANY AFRIKA ATSIMO.

IREO no sasany amin’ny fihetseham-pon’ny ray na reny tokan-tena eran-tany, rehefa nanao fanadihadiana ny Mifohaza! Saika renim-pianakaviana ny ankamaroan’izy ireo, ary nilaza fa tiany raha mba teo ny vadiny nanampy azy. * Hita tamin’ny resak’izy ireo koa anefa fa vitany tsara ny niatrika an’ilay olana.

Inona no nanampy azy ireo? Ho hitantsika ao amin’ireo lahatsoratra manaraka ny tenin’izy ireo sy ny toro lalana tena nanampy azy. Matoky izahay fa hanampy anao hanatontosa an’io andraikitra sarotra io ireo lahatsoratra ireo, raha mitaiza irery ny zanakao ianao. Hanampy anao ho faly sy ho afa-po koa izany. Tsy mora anefa ny mitaiza irery, satria miovaova ny fiainana sady tsy fantatra izay havoaky ny ampitso. *

Hazavaina ao amin’ireo lahatsoratra manaraka hoe ahoana no ahafahan’ireo mitaiza irery...

  1. Mahazo fanampiana

  2. Mifampiresaka tsara amin’ny zanany

  3. Manao loha laharana an’izay zava-dehibe

  4. Manome fitsipika mazava tsara

  5. Manampy ny zanany hanana fitondran-tena tsara

  6. Manampy ny zanany hifandray tsara amin’Andriamanitra

^ Vehivavy ny ankamaroan’ireo mitaiza irery ny zanany eran-tany, ka reny mitaiza irery no tena resahina ato amin’ity andian-dahatsoratra ity.

^ Mahasoa an’ireo fianakaviana misy ray sy reny koa ny ankamaroan’ireo toro lalana omena ato.