Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Efa Nolazain’ny Baiboly Mialoha Momba ny Horohoron-tany Lehibe?

Inona no Efa Nolazain’ny Baiboly Mialoha Momba ny Horohoron-tany Lehibe?

 Misy horohoron-tany an’aliny isan-taona. Kely ny ankamaroany, fa misy anefa tena mahery vaika ka mety ho betsaka ny zavatra simba sy ny olona mijaly ary maty. Miteraka tsunami izy ireny indraindray, dia mandravarava ny faritra amoron-tsiraka sy mahafaty olona be dia be. Efa voalazan’ny Baiboly mialoha ve ireny horohoron-tany lehibe ireny?

Ho hitantsika ato ireto:

 Efa voalazan’ny Baiboly mialoha ve ireny horohoron-tany ireny?

 Miresaka momba ny horohoron-tany ny Baiboly ao amin’ny faminaniana iray nolazain’i Jesosy. Voasoratra ao amin’ny boky telo ao amin’ny Baiboly ny zavatra noteneniny:

 “Hisy firenena hiady amin’ny firenena, ary hisy fanjakana hiady amin’ny fanjakana. Ary hisy mosary sy horohoron-tany any amin’ny toerana samihafa.”​—Matio 24:7.

 “Hisy firenena hiady amin’ny firenena, ary hisy fanjakana hiady amin’ny fanjakana. Hisy horohoron-tany any amin’ny toerana samihafa, ary hisy mosary koa.”​—Marka 13:8.

 “Hisy horohoron-tany lehibe, ary hisy mosary sy areti-mandringana any amin’ny toerana samihafa.”​—Lioka 21:11.

 Nilaza mialoha àry i Jesosy fa hisy “horohoron-tany lehibe” any amin’ny “toerana samihafa”, amin’ny fotoana hisian’ny ady sy mosary ary areti-mandringana. Rehefa miara-mitranga ireo, dia izay no famantarana fa “efa akaiky ny faran’izao tontolo izao” ary miaina amin’ny “andro farany” isika. (Matio 24:3; 2 Timoty 3:1) Araka ny fanisan-taona ao amin’ny Baiboly, dia nanomboka tamin’ny 1914 io “andro farany” io ary mbola tsy nifarana.

 Manatanteraka ny faminanian’ny Baiboly ve ny horohoron-tany mitranga amin’izao?

 Eny. Mifanaraka tsara amin’ny faminanian’i Jesosy ny zava-mitranga hitantsika amin’izao, anisan’izany ny horohoron-tany. Efa 1 950 mahery ny horohoron-tany lehibe nitranga nanomboka tamin’ny 1914, ary olona roa tapitrisa mahery no matiny raha atambatra. a Ireto misy ohatra vitsivitsy amin’izao taonjato iainantsika izao:

 2004: Oseana Indianina. Niteraka tsunami ny horohoron-tany iray mirefy 9,1 amin’ny maridrefy Richter. Firenena maromaro no tratran’io tsunami io, ary olona 225 000 teo ho eo no maty.

 2008: Chine. Nandravarava tanàna kely sy tanàn-dehibe maromaro ny horohoron-tany iray mirefy 7,9 amin’ny maridrefy Richter. Araka ny tombantombana, dia olona 90 000 no maty, 375 000 teo ho eo no naratra, ary an-tapitrisany no rava trano.

 2010: Haïti. Nisy horohoron-tany mirefy 7,0 amin’ny maridrefy Richter, indray mandeha, ary mbola nihovotrovotra imbetsaka ny tany taorian’izay. Olona 300 000 mahery no maty ary iray tapitrisa mahery no rava trano.

 2011: Japon. Nahafaty olona 18 500 teo ho eo ny horohoron-tany iray mirefy 9,0 amin’ny maridrefy Richter sy ny tsunami naterak’ilay izy. Ana hetsiny koa no voatery nafindra toerana. Simba ny foibe mpamokatra angovo niokleary tao Fukushima ka namoaka taratra mampidi-doza. Na dia efa folo taona aza izay no lasa, dia mbola tsy afaka miverina any amin’ny tranony ireo olona 40 000 teo ho eo nipetraka teny akaikin’io toerana io, satria mbola ambony be ny tahan’ny taratra radiôaktifa any.

 Inona no ianarantsika avy amin’ny faminanian’ny Baiboly momba ny horohoron-tany?

 Mampahafantatra antsika an’izay zavatra hitranga atsy ho atsy ny faminanian’ny Baiboly momba ny horohoron-tany. Hoy i Jesosy: “Rehefa hitanareo hoe miseho izany zavatra izany, dia fantaro fa efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra.”​—Lioka 21:31.

 Milaza ny Baiboly fa fitondram-panjakana tena misy ny Fanjakan’Andriamanitra. Any an-danitra izy io ary i Jesosy Kristy no Mpanjakany. Io ilay Fanjakana nasain’i Jesosy nangatahin’ny mpianany amin’ny vavaka.​—Matio 6:10.

 Rehefa hitondra ny tany ny Fanjakan’Andriamanitra, dia tsy havelan’Andriamanitra hampidi-doza ny olona intsony ny loza araka ny natiora, anisan’izany ny horohoron-tany. (Isaia 32:18) Tsy vitan’izay fa hofoanany daholo ny fijaliana vokatry ny horohoron-tany amin’izao, na ara-batana izany na ara-tsaina. (Isaia 65:17; Apokalypsy 21:3, 4) Raha mila fanazavana bebe kokoa, dia vakio ilay lahatsoratra hoe “Inona no Hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra?

a Tao amin’ny Tahirin-kevitra Momba ny Horohoron-tany Lehibe Eran-tany, izay navoakan’ny Ivon-toerana Mpitahiry Fanazavana Momba ny Tany any Etazonia, no nahazoana an’ireo antontan’isa ireo.