Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hisy Fahagagana Tsy ho Ela!

Hisy Fahagagana Tsy ho Ela!

Hisy Fahagagana Tsy ho Ela!

AOKA hatao hoe mila didiana ianao sady fandidiana sarotra ilay izy. Ahoana anefa raha fantatrao hoe sambany ilay dokotera vao hanao fandidiana toy ilay hatao aminao? Azo antoka fa hatahotra be ianao. Ahoana kosa raha fantatrao hoe izy no dokotera mahay indrindra an’ilay karazana fandidiana? Efa nandidy olona an-jatony nitovy aretina taminao koa izy ary vita soa aman-tsara daholo izany. Tsy hatoky kokoa azy ve ianao?

Toy ny marary mila fandidiana lehibe ity tontolo misy antsika ity. Mampanantena àry i Jehovah Andriamanitra fa hovany ho Paradisa indray ny tany. (2 Petera 3:13) Tsy maintsy hofoanana tanteraka anefa aloha ny faharatsiana. (Salamo 37:9-11; Ohabolana 2:21, 22) Mila hesorina koa ny zavatra mampalahelo rehetra. Tsy maintsy hisy fahagagana àry vao hisy izany rehetra izany!—Apokalypsy 21:4, 5.

Mino ny Vavolombelon’i Jehovah fa ho tanteraka tsy ho ela ireo. Efa nanao fahagagana mantsy i Jehovah taloha, ka azo antoka fa hahavita hanatanteraka izay nampanantenainy izy. Ireto, ohatra, misy fahagagana enina nitranga tamin’ny lasa sy fampanantenana amin’ny hoavy. Ampitahao ange izy ireo e!

Enga anie ianao ka hanohy hianatra izay ampanantenain’ny Baiboly amin’ny hoavy. Hitombo ny finoanao amin’izay, ary vao mainka tsy ho andrinao ny fotoana hanaovan’i Jehovah fahagagana, ka ianao mihitsy no handray soa amin’izany.

[Efajoro/Sary, pejy 9, 10]

FAHAGAGANA:

NANOME SAKAFO OLONA AN’ARIVONY TAMIN’NY MOFO SY TRONDRO VITSIVITSY MONJA I JESOSY.—MATIO 14:13-21; MARKA 8:1-9; JAONA 6:1-14.

FAMPANANTENANA:

“Hahavokatra tokoa ny tany. Hitahy antsika Andriamanitra, eny, ilay Andriamanitsika.”SALAMO 67:6.

NY DIKANY:

TSY HISY OLONA TSY AMPY SAKAFO INTSONY.

FAHAGAGANA:

NAMPAHIRATRA NY JAMBA I JESOSY.—MATIO 9:27-31; MARKA 8:22-26.

FAMPANANTENANA:

“Hampahiratina ny mason’ny jamba.”ISAIA 35:5.

NY DIKANY:

HAHITA DAHOLO NY JAMBA.

FAHAGAGANA:

NOSITRANIN’I JESOSY NY KILEMAINA.—MATIO 11:5, 6; JAONA 5:3-9.

FAMPANANTENANA:

“Hahavita hianika tendrombohitra toy ny serfa ny malemy tongotra.”ISAIA 35:6.

NY DIKANY:

HO SITRANA DAHOLO NY KILEMAINA.

FAHAGAGANA:

NANASITRANA KARAZANA ARETINA MARO I JESOSY.—MARKA 1:32-34; LIOKA 4:40.

FAMPANANTENANA:

“Tsy hisy mponina hilaza hoe: ‘Marary aho.’ ”ISAIA 33:24.

NY DIKANY:

HOFOANANA DAHOLO NY ARETINA. HO SALAMA TSARA NY OLON-DREHETRA.

FAHAGAGANA:

NAHAFEHY NY HERIN’NY NATIORA I JESOSY.—MATIO 8:23-27; LIOKA 8:22-25.

FAMPANANTENANA:

“Hanao trano ny olona ka honina ao, ary hanao tanimboaloboka ka hihinana ny vokatra avy amin’izany. Tsy ho very maina ny fisasarany.”ISAIA 65:21, 23.

“Ho lavitra anao ny zavatra mampihorohoro satria tsy hanatona anao ireny.”ISAIA 54:14.

NY DIKANY:

TSY HISY INTSONY NY LOZA VOAJANAHARY.

FAHAGAGANA:

NANANGANA NY MATY I JESOSY.—MATIO 9:18-26; LIOKA 7:11-17.

FAMPANANTENANA:

‘Hivoaka izay rehetra any am-pasana.’JAONA 5:28, 29.

“Ny ranomasina dia namoaka ny maty tao aminy, ary ny fahafatesana sy ny Fasana namoaka ny maty tao aminy.”APOKALYPSY 20:13.

NY DIKANY:

HATSANGANA NY HAVANTSIKA EFA MATY.