Salamo 67:1-7

  • Hatahotra an’i Jehovah ny olona hatrany amin’ny faran’ny tany

    • Ho fantatra ny lalan’i Jehovah (2)

    • ‘Hidera an’Andriamanitra anie ny vahoaka rehetra’ (3, 5)

    • “Hitahy antsika Andriamanitra” (6, 7)

Ho an’ny mpitarika; ampiarahina amin’ny zavamaneno fitendry. Salamo. Hira. 67  Hiantra sy hitahy antsika Andriamanitra;Ho miramirana* amintsika izy,+ (Sela)   Mba ho fantatra eran-tany ny lalanao,+Ary ho fantatra eo amin’ny firenena rehetra ny asa famonjenao.+   Hidera anao anie ny vahoaka, Andriamanitra ô!Hidera anao anie ny vahoaka rehetra!   Aoka ireo firenena hifaly sy hihoby,+Fa hotsarainao ara-drariny ny vahoaka.+ Hitari-dalana an’ireo firenena eto an-tany ianao. (Sela)   Hidera anao anie ny vahoaka, Andriamanitra ô!Hidera anao anie ny vahoaka rehetra!   Hahavokatra ny tany;+Hitahy antsika Andriamanitra, eny, ilay Andriamanitsika.+   Hitahy antsika tokoa Andriamanitra,Ary hatahotra* azy ny olona hatrany amin’ny faran’ny tany.+

Fanamarihana

Abt: “Hampamirapiratra ny tavany.”
Na: “hanaja.”