Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tadidinao Ve?

Tadidinao Ve?

Novakinao tsara ve ireo Tilikambo Fiambenana faramparany? Jereo àry raha hainao ny mamaly an’ireto fanontaniana ireto:

Tokony hivavaka amin’i Jesosy ve ny Kristianina?

Tsia. I Jesosy mihitsy no nampianatra hoe i Jehovah no tokony hivavahana. Nanome modely koa izy ka nivavaka tamin’ny Rainy. (Mat. 6:6-9; Jaona 11:41; 16:23) Nivavaka tamin’Andriamanitra àry ny mpanara-dia azy voalohany fa tsy tamin’i Jesosy. (Asa. 4:24, 30; Kol. 1:3)—1/1, pejy 14.

Inona no azo atao isan-taona mba hiomanana amin’ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy?

Miezaha mba haharaka ny famakiana Baiboly mifandray amin’ny Fahatsiarovana. Manompoa bebe kokoa. Saintsaino koa ny fanantenana nomen’Andriamanitra antsika ary mivavaha momba izany.—15/1, pejy 14-16.

Inona no niafaran’ireo gadra roa lahy, izay samy nitantara ny nofiny tamin’i Josefa?

Nilaza i Josefa fa haverina amin’ny asany ilay mpandroso zava-pisotron’i Farao. Ilay mpanao mofo kosa hovonoin’i Farao ary hahantony. Tanteraka ireo tenin’i Josefa ireo. (Gen. 40:1-22)—1/2, pejy 12-14.

Inona ilay fanomezana tsy nampoizina azon’ireo rahalahy any Japon?

Nahazo bokikely vaovao misy ny bokin’i Matio izy ireo. Nalaina tao amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao izy io. Zaraina eny am-pitoriana izao io bokikely io ary maro ny olona tsy zatra mamaky Baiboly tia azy io.—15/2, pejy 3.

Inona no zava-nisy tamin’ny taonjato voalohany ka nanamora ny fielezan’ny vaovao tsara?

Tsy dia nisy ady nandritra an’ilay vanim-potoana natao hoe Fandriampahalemana Romanina. Tsara koa ny lalana. Ny teny grika koa no be mpampiasa, ka mora ny nitory ny vaovao tsara. Nahare izany hatramin’ny Jiosy niely eran’ny Fanjakana Romanina. Afaka nampiasa ny lalàna romanina koa ny mpianatra mba hiarovana ny vaovao tsara.—15/2, pejy 20-23.

Nahoana ny tena Kristianina no tsy mankalaza Paka?

Ny nahafatesany no nasain’i Jesosy nankalazain’ny mpianany, fa tsy ny nitsanganany. (Lioka 22:19, 20)—1/3, pejy 8.

Nahoana ny bokintsika tato ho ato no tsy dia miresaka intsony momba ny tandindona sy izay mifanitsy aminy?

Milaza ny Baiboly fa tandindon’ny zavatra lehibe kokoa ny olona sasany fahiny. Iray amin’izany ilay resahin’ny Galatianina 4:21-31. Tsy tsara anefa ny manombantombana na tonga dia milaza hoe misy mifanitsy aminy ny zavatra iray. Na izany aza, dia afaka mandray lesona avy amin’ny olona na zava-mitranga resahin’ny Baiboly isika. (Rom. 15:4)—15/3, pejy 17-18.

Nahoana no mahaliana ilay sombin-taratasy papyrus hita tao anaty fako tany Ejipta?

Misy andininy avy ao amin’ny Filazantsaran’i Jaona ao amin’izy io. Angamba tsy ela be taorian’ny nanoratan’i Jaona ny Filazantsarany no nanoratana azy io. Manaporofo izy io fa tsy miova ny Baiboly hatramin’izao ary azo atokisana.—1/4, pejy 10-11.

Nahoana no porofon’ny fitiavana ny fandroahana?

Ny Baiboly mihitsy no milaza fa tena ilaina ny fandroahana. (1 Kor. 5:11-13) Nahoana izy io no ilaina? Satria hahazo voninahitra ny anaran’i Jehovah, hadio foana ny fiangonana ary mety ho tonga saina ilay nanao ratsy.—15/4, pejy 29-30.