Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA (FIANARANA) APRILY 2015

Nahoana no Porofon’ny Fitiavana ny Fandroahana?

Nahoana no Porofon’ny Fitiavana ny Fandroahana?

HOY i Julian: “Maizina tamiko ny tany aman-danitra tamin’ny nampandrenesina hoe voaroaka ny zanako lahy. Izy no zanako voalohany. Nifandray be izahay ary niara-nanao zavatra foana. Zaza hendry foana izy nefa tampoka teo dia lasa nanaonao foana. Nitomany foana ny vadiko ary tsy haiko ny nampionona azy. Nieritreritra foana izahay hoe sao dia izahay àry no tsy nahay nitaiza.”

Nahoana no lazaina fa porofon’ny fitiavana ny fandroahana, nefa mampijaly be toy izany? Inona avy ireo antony araka ny Soratra Masina ahafahana mandray izany fepetra hentitra izany? Nahoana ny olona iray no roahina?

NAHOANA NY OLONA IRAY NO ROAHINA?

Misy zavatra roa tsy maintsy miara-mitranga, matoa voaroaka ny Vavolombelon’i Jehovah vita batisa. Voalohany, nanao fahotana lehibe izy. Faharoa, tsy nibebaka izy.

Tsy manantena antsika ho lavorary i Jehovah. Manana fitsipika momba ny atao hoe masina anefa izy, ary tiany hanaraka izany ny mpanompony. Mandidy antsika, ohatra, izy mba tsy hanao ireto fahotana lehibe ireto: Mijangajanga, manompo sampy, mangalatra, manao an-keriny, mamono olona, ary mifandray amin’ny fanahy ratsy.—1 Kor. 6:9, 10; Apok. 21:8.

Ekenao angamba fa tsy sarotra loatra ny mankatò ny fitsipik’i Jehovah sady miaro antsika. Iza no tsy ho tia miara-miaina amin’ny olona tia fihavanana sy tsara fitondran-tena ary azo itokisana? Manana an’ireo toetra ireo ny rahalahy sy anabavy. Samy nampanantena mantsy isika rehefa nanokan-tena ho an’i Jehovah, fa hanaraka ny tari-dalana ao amin’ny Teniny.

Ahoana àry raha nanao fahotana lehibe ny Kristianina vita batisa iray noho izy tsy lavorary? Nanao fahadisoana toy izany ny mpanompon’i Jehovah tsy mivadika fahiny, nefa tsy nafoiny tanteraka. Nanitsakitsa-bady sy namono olona, ohatra, i Davida Mpanjaka. Hoy anefa i Natana mpaminany taminy: “Mamela ny fahotanao i Jehovah.”—2 Sam. 12:13.

Tena nibebaka i Davida matoa namela azy Andriamanitra. (Sal. 32:1-5) Izay mpanompon’i Jehovah tsy mibebaka na mbola manohy manao ratsy ihany àry no roahina. (Asa. 3:19; 26:20) Tsy maintsy handroaka azy ny anti-panahy anisan’ny komity mpitsara raha hitan’izy ireo fa tsy tena mibebaka izy.

Mety hieritreritra isika amin’ny voalohany hoe hentitra loatra na tsy rariny ny nandroahana an’ilay nanao ratsy, indrindra raha olona akaiky antsika izy io. Misy antony marim-pototra anefa ao amin’ny Tenin’Andriamanitra,  mampiseho fa porofon’ny fitiavana ny fandroahana.

MAHASOA NY REHETRA NY FANDROAHANA

Nilaza i Jesosy fa ‘ny fahendrena dia hamarinin’ny vokany.’ (Lioka 7:35, f.a.p.) Fahendrena ny mandroaka ny olona nanao ratsy nefa tsy mibebaka, ary misy vokany tsara izany. Hijery vokany telo isika.

Mahazo voninahitra ny anaran’i Jehovah. Misy vokany eo amin’ny anaran’i Jehovah ny zavatra ataontsika satria mitondra ny anarany isika. (Isaia 43:10) Mety hanome voninahitra ny ray aman-dreniny na hanala baraka azy ny ataon’ny ankizy iray. Misy vokany eo amin’ny fiheveran’ny olona an’i Jehovah koa ny zavatra ataontsika, na tsara izany na ratsy. Nampifandraisin’ny hafa firenena tamin’ny anaran’i Jehovah ny hoe Jiosy, tamin’ny andron’i Ezekiela. (Ezek. 36:19-23) Ampifandraisin’ny olona amin’ny anaran’i Jehovah koa ny hoe Vavolombelon’i Jehovah. Hanome voninahitra an’i Jehovah àry isika raha mankatò ny lalàny.

Hanala baraka ny anarana masin’i Jehovah isika raha zatra manao ratsy. Hoy ny apostoly Petera tamin’ny Kristianina: “Zanaka mankatò ianareo, ka aza manaiky intsony hotarihin’ny fanirianareo taloha tamin’ny tsy fahalalanareo. Masina ilay niantso anareo, ka aoka ho masina koa ianareo amin’ny fitondran-tena rehetra, fa voasoratra hoe: ‘Aoka ho masina ianareo, satria masina aho.’ ” (1 Pet. 1:14-16) Mahazo voninahitra ny anaran’i Jehovah rehefa madio na masina ny fitondran-tenantsika.

Raha zatra manao ratsy anefa ny Vavolombelona iray dia azo inoana fa ho fantatry ny namany sy ny olom-pantany izany. Porofoin’ny fandroahana fa manana vahoaka madio i Jehovah, ary manaraka ny toro lalan’ny Soratra Masina izy ireo mba ho masina foana. Nisy lehilahy iray tany Soisa, ohatra, tonga nivory tao amin’ny Efitrano Fanjakana ary nilaza fa te ho anisan’ny fiangonana. Nilaza izy fa te ho anisan’ny fandaminana iray ‘tsy milefitra amin’ny fitondran-tena ratsy.’ Voaroaka mantsy ny anabaviny satria ratsy fitondran-tena.

Voaro ho madio foana ny fiangonana. Nilaza tamin’ny Korintianina ny apostoly Paoly fa hahita loza ny fiangonana raha avela ho anisany ny olona minia manota. Nampitoviny tamin’ny vokatry ny lalivay eo amin’ny koba ny vokatry ny ataon’ireny olona ireny. Hoy izy: “Lalivay kely fotsiny dia mampitombo ny koba manontolo.” Nanoro hevitra izy avy eo hoe: “Esory tsy ho eo aminareo ilay mpanao ratsy.”—1 Kor. 5:6, 11-13.

Toa nijangajanga an-kitsirano “ilay mpanao ratsy” noresahin’i Paoly. Nanomboka nanala tsiny ny fitondran-tenan’izy io mihitsy aza ny olona sasany teo anivon’ny fiangonana. (1 Kor. 5:1, 2) Nety ho mora lasa ratsy fitondran-tena toy ny mponina tao amin’ilay tanàna ny Kristianina hafa tao, raha noleferina ny fahotana lehibe toy izany. Mampirisika ny hafa tsy hiraharaha ny fitsipik’Andriamanitra ny fiangonana, raha avelany amin’izao fotsiny ny olona minia manota. (Mpito. 8:11) Mety ho lasa toy ny “harambato voasaron-drano” koa ny mpanota tsy mibebaka, ka handrava ny finoan’ny olona eo anivon’ny fiangonana.—Joda 4, 12.

Mety ho tonga saina ilay nanao ratsy. Niresaka momba ny zanaka adala i Jesosy indray mandeha. Nandao ny tokantranon’ny rainy io tovolahy io, ary nandanilany ny lovany tamin’ny filibana. Efa voa izy vao nahatsapa fa tsy misy dikany ny fiainana tany ivelan’ny tranony sady ratsy fanahy ny olona tany. Tonga saina izy tamin’ny farany ka nibebaka ary nody. (Lioka 15:11-24) Nolazain’i Jesosy fa faly ilay ray be fitiavana rehefa niova ilay zanany. Hitantsika amin’izany ny fihetseham-pon’i Jehovah. Manome toky izy hoe: “Tsy sitrako ny hahafatesan’ny ratsy fanahy, fa ny hialany amin’ny lalan-dratsiny mba ho velona izy.”—Ezek. 33:11.

Mety ho tsapan’ireo voaroaka koa fa namoy zavatra be izy rehefa tsy anisan’ny fiangonana, izay toy ny fianakaviany. Mety ho tonga saina izy rehefa mizaka ny vokatry ny fahotany sy mahatsiaro ny fotoana mamy nankafiziny tamin’izy nifandray tsara tamin’i Jehovah sy ny vahoakany.

 Tokony ho be fitiavana sy hentitra ny olona manome torohevitra raha tiany handaitra izany. Hoy i Davida mpanao salamo: “Raha mamely ahy ny olo-marina, dia raisiko ho hatsaram-panahy feno fitiavana izany. Ary raha mananatra ahy izy, dia toy ny menaka ahosotra amin’ny loha izany.” (Sal. 141:5) Eritrereto hoe misy olona misakafo ary kenda. Tsy afaka miaina tsara izy, tsy mahateny, ary tsy misy azony atao. Ho faty izy raha tsy ampiana haingana. Kapohin’ny namany avy eo ny lamosiny mba hampiala an’izay mahakenda azy. Mety harary ilay kapoka nefa mety hamonjy ny ainy. Nanaiky koa i Davida fa nila olo-marina mba hanitsy azy izy ary hahasoa azy izany na dia mampahory aza.

Matetika dia ny fandroahana no famaizana ilain’ilay nanao ratsy. Nanova ny fiainany sy niverina ho anisan’ny fiangonana, ohatra, ny zanak’i Julian, ilay voaresaka teo aloha, folo taona teo ho eo tatỳ aoriana. Anti-panahy izy izao. Hoy izy: “Tsy maintsy nizaka ny vokatry ny nataoko aho rehefa noroahina. Nilaiko izany famaizana izany.”—Heb. 12:7-11.

AHOANA NO ANEHOANA FITIAVANA REHEFA MIFANDRAY AMIN’NY VOAROAKA?

Tena mampalahelo ny hoe misy voaroaka. Tsy midika anefa izany hoe tsy misy azo antenaina intsony. Afaka manao ny anjarantsika isika rehetra mba ho tratra ny tanjon’ilay fandroahana.

Misy ezaka atao mba hanampiana an’ireo mibebaka hiverina amin’i Jehovah

Miezaka haneho fitiavana toa an’i Jehovah ny anti-panahy na dia tsy mora aza ny milaza amin’ny olona iray hoe voaroaka izy. Rehefa milaza an’izany izy ireo, dia tsara fanahy ka manazava tsara ny dingana tokony hataon’ilay olona raha te ho anisan’ny fiangonana indray izy. Raha hita atỳ aoriana hoe efa niova izy, dia mety hanao fandaharana mitohy ny anti-panahy mba hitsidihana azy sy hampahatsiahivana azy izay tokony hataony mba hiverenana amin’i Jehovah. *

Asehon’ny mpianakavin’ilay voaroaka fa tia ny fiangonana sy tia an’ilay nanao ratsy izy ireo raha manaja an’ilay fanapahan-kevitra momba ny fandroahana. Hoy i Julian: “Mbola zanako izy, saingy ny fomba fiainany no nampisaraka anay.”

Mampiseho fitiavana mifanaraka amin’ny toro lalan’ny Baiboly koa ny rehetra eo anivon’ny fiangonana raha tsy mifandray sy tsy miresaka amin’ilay voaroaka. (1 Kor. 5:11; 2 Jaona 10, 11) Raha tsy mifanerasera aminy izy ireo, dia vao mainka hisy heriny ilay famaizan’i Jehovah nomena tamin’ny alalan’ny anti-panahy. Afaka maneho fitiavana bebe kokoa an’ireo mpianakavin’ilay voaroaka koa ny rehetra sady manohana azy ireo. Tena mijaly izy ireo ary tsy tokony hatao mahatsapa hoe tsy mahazo miaraka amin’ny mpiara-manompo koa.—Rom. 12:13, 15.

Namarana ny teniny toy izao i Julian: “Ilaintsika ny fandroahana. Manampy antsika hiaina mifanaraka amin’ny fitsipik’i Jehovah izy io. Mampahory izy io nefa mahasoa amin’ny farany. Tsy ho tafarina mihitsy ilay zanako lahy raha nilefitra tamin’ny fitondran-tena ratsiny aho.”

^ feh. 24 Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Jolay 1991, pejy 21-23.