Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA (FIANARANA) FEBROARY 2015

Nampiomanina mba Handray ny “Fampianaran’i Jehovah” ny Firenena

Nampiomanina mba Handray ny “Fampianaran’i Jehovah” ny Firenena

‘Nino ilay governoram-paritra satria talanjona tamin’ny fampianaran’i Jehovah.’ASA. 13:12.

1-3. Nahoana no sarotra tamin’ny mpianatr’i Jesosy ny hitory ny vaovao tsara any “amin’ny firenena rehetra”?

NOMEN’I Jesosy Kristy asa lehibe ny mpanara-dia azy. Nandidy azy ireo izy hoe: ‘Mandehana, ataovy mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra.’ Vokatr’izany, dia ‘hotorina maneran-tany ny vaovao tsaran’ilay fanjakana ary ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra.’—Mat. 24:14; 28:19.

2 Tia an’i Jesosy sy ny vaovao tsara ireo mpianatra. Nety ho nieritreritra anefa izy ireo hoe ahoana no hahavitany ny fitoriana. Vitsy izy ireo ary efa novonoina i Jesosy izay nambaran’izy ireo fa Zanak’Andriamanitra. Noheverina fa ‘tsy dia nahita fianarana sady olon-tsotra’ koa izy ireo. (Asa. 4:13) Ny mpitondra fivavahana kosa nohajaina sady nahay tsara ny fombafomba efa nisy hatry ny ela. Nitory hafatra nifanohitra tamin’izay nampianarin’izy ireny anefa ny mpianatra. Tsy nohajain’ny olona tany Israely koa izy ireo ka nety ho  nieritreritra hoe hisy hihaino azy ireo ve manerana ny fanjakana matanjaky ny Romanina.

3 Efa nampitandrina koa i Jesosy fa hankahalaina sy henjehina ny mpianany ary hisy hovonoina ho faty. (Lioka 21:16, 17) Hamadika azy ireo ny namany na ny havany, hisy mpaminany sandoka, ary hitombo ny fandikan-dalàna. (Mat. 24:10-12) Ary na betsaka aza no handray tsara azy ireo, ahoana no hahavitany hitory hatrany “amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany”? (Asa. 1:8) Tsy maintsy ho nampanahy izany rehetra izany.

4. Inona no vokatry ny fitorian’ny mpianatra tamin’ny taonjato voalohany?

4 Nazoto nitory ireo mpianatra na teo aza ny fanahiany, ary tsy tao Jerosalema sy Samaria ihany fa tany amin’ny firenena hafa koa. Marina fa nisy olana, nefa efa “notorina tamin’ny zavaboary rehetra eny ambanin’ny lanitra” ny vaovao tsara, 30 taona tatỳ aoriana. ‘Nahavokatra sy nitombo izy io eran’ilay tontolo’ tamin’izany. (Kol. 1:6, 23) Noho ny zavatra nataon’ny apostoly Paoly tao amin’ny Nosy Sipra, ohatra, dia lasa ‘nino i Sergio Paolo governoram-paritra satria talanjona tamin’ny fampianaran’i Jehovah.’—Vakio ny Asan’ny Apostoly 13:6-12.

5. a) Inona ny fanomezan-toky nomen’i Jesosy ny mpianany? b) Inona no nolazain’ny olona sasany momba ny zava-nisy tamin’ny taonjato voalohany?

5 Fantatry ny mpianatr’i Jesosy fa tsy ho vitan’izy ireo irery ny fitoriana. Efa nilaza i Jesosy fa hanohana azy ireo ary hanampy azy ireo koa ny fanahy masina. (Mat. 28:20) Nanampy azy ireo tamin’ny fitoriana an’ilay Fanjakana ny zava-nisy sasany tamin’izany. Hoy ny boky Ny Fitoriana Nataon’ny Eglizy Tany Am-boalohany (anglisy): “Nety tsara mba hampiroborobo an’ilay Fiangonana vao niforona ny taonjato voalohany.” Hoy koa izy io: “Nilaza ny Kristianina tamin’ny taonjato faharoa hoe Andriamanitra no nampiomana an’izao tontolo izao mba handray ny Fivavahana Kristianina.”

6. a) Inona no hodinihina ato amin’ity lahatsoratra ity? b) Inona no horesahin’ny lahatsoratra manaraka?

6 Tsy lazain’ny Baiboly izay fanovana nataon’Andriamanitra tamin’ny taonjato voalohany mba hampandrosoana ny fitoriana. Azo antoka anefa fa tian’i Jehovah hotorina ny vaovao tsara fa i Satana kosa tsy tia an’izany. Hodinihintsika ato ny antony sasany nahatonga ny fitoriana ho mora kokoa tamin’ny taonjato voalohany. Ho hitantsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka kosa fa manampy antsika hitory ny vaovao tsara hatrany amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany ny fandrosoana misy ankehitriny.

NANAMPY NY FANDRIAMPAHALEMANA ROMANINA

7. Inona no zava-nisy nandritra ny fitondran’ny Romanina, ary nahoana no niavaka io fotoana io?

7 Azo lazaina hoe nahasoa ny Kristianina ny zava-nisy nandritra ny fitondran’ny Romanina tamin’ny taonjato voalohany. Teo, ohatra, ny Fandriampahalemana Romanina. Tsy navelan’ny Romanina hikomy ny mponina tao amin’ilay faritra midadasika nanjakany. Nisy “ady sy filazana ady” ihany, araka ny efa nolazain’i Jesosy. (Mat. 24:6) Noravan’ny tafika romanina koa i Jerosalema tamin’ny taona 70 ary nisy ady madinidinika tany amin’ny sisin-tanin’ny Romanina. Azo lazaina hoe nilamina anefa ny faritra nanjakany, nandritra  ny 200 taona teo ho eo taorian’ny andron’i Jesosy. Hoy ny boky iray: “Mbola tsy nisy filaminana naharitra ela hoatr’izany mihitsy teo amin’ny tantara, ary tsy nisy vahoaka maro nilamina hoatr’izany intsony tatỳ aoriana.”

8. Nahoana no nahasoa ny Kristianina voalohany ilay fandriampahalemana nisy tamin’izany?

8 Hoy i Origène, teolojianina tamin’ny taonjato fahatelo: ‘Tsy ho niely eran-tany ny fampianaran’i Jesosy raha nisy fanjakana maro be tamin’izany. Ho noterena hanao miaramila sy hiaro ny taniny mantsy ny lehilahy tany amin’ny faritra rehetra. Tsy maintsy niova àry ny toe-draharaha eran-tany ary tsy maintsy lasa tia fihavanana kokoa ny olona, izay vao hiely io fampianarana io. Mampirisika ny olona hihavana mantsy izy io sady mandrara ny olona tsy hamaly faty an’ireo fahavalony.’ Nenjehina ireo mpitory ilay Fanjakana nandritra ny fitondran’ny Romanina. Tia fihavanana anefa izy ireo ary nandray soa tamin’ilay fandriampahalemana nisy tamin’izany.—Vakio ny Romanina 12:18-21.

MORA KOKOA NY NANAO DIA

9, 10. Nahoana no tsy dia sarotra tamin’ny Kristianina ny nanao dia eran’ny Fanjakana Romanina?

9 Nanararaotra ny lalana namboarin’ny Romanina ny Kristianina. Nanana tafika matanjaka sy mahay ny Romanina mba hahafahany hifehy foana ny vahoakany. Nila lalana tsara ny tafika mba hanafaingana ny diany, ary tena nahay nanao lalana ny Romanina. Nanao lalana 80 000 kilaometatra mahery ireo injeniera ka saika ny faritra rehetra nanjakan’ny Romanina no nifandray. Namakivaky ala sy tany efitra ireny lalana ireny ary tonga hatreny an-tendrombohitra.

10 Nisy koa renirano sy lakandrano azo nivezivezena, ary nirefy 27 000 kilaometatra teo ho eo izy ireny. Nisy 900 teo ho eo ny lalana an-dranomasina azon’ny sambon’ny Romanina nandehanana, ary nampifandray seranana an-jatony izany. Afaka nivezivezy eran’ny faritra nanjakan’ny Romanina àry ny Kristianina. Marina fa nisy olana, nefa tsy nila pasipaoro sy vizà ny apostoly Paoly sy ny Kristianina hafa rehefa nanao dia. Tsy nisy koa ny fisavana taratasy. Natahotra hosazin’ny Romanina ny jiolahy ka tsy dia nisy natahorana teny an-dalana. Nilamina koa ny dia an-dranomasina satria nisy tafika niaro tamin’ny mpandroba teny. Marina fa imbetsaka vaky sambo i Paoly ary nahita loza tany an-dranomasina. Tsy milaza anefa ny Baiboly hoe ny mpandroba no nahatonga izany.—2 Kor. 11:25, 26.

NANAMPY NY TENY GRIKA

Mora kokoa ny nitady andinin-teny rehefa nampiasa kôdeksa (Fehintsoratra 12)

11. Nahoana no nampiasa ny teny grika ny mpianatr’i Jesosy?

11 Nampifandray tsara sy nampiray saina ny fiangonana kristianina ny fiteny grika tsotra na koine. Maro ny tany resin’i Aleksandra Lehibe, mpanjaka grika, ka lasa betsaka ny olona niteny na nahazo teny grika. Afaka niresaka tamin’ny karazan’olona rehetra àry ny mpanompon’Andriamanitra, ka vao mainka niely ny vaovao tsara. Nandika ny Soratra Hebreo ho amin’ny teny grika koa ireo Jiosy nipetraka tany Ejipta, ary nantsoina hoe Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo izy io. Zatra nampiasa azy io ny olona. Matetika ny mpanara-dia an’i Kristy no nanonona teny avy ao. Hitan’izy ireo koa fa nety tsara mba hanoratana boky ny teny grika. Be voambolana izy io ka nety tsara mba  hanazavana fahamarinana lalina ao amin’ny Soratra Masina.

12. a) Inona ny kôdeksa ary nahoana izy io no tsara noho ny horonana? b) Oviana ny ankamaroan’ny Kristianina no lasa nampiasa kôdeksa?

12 Ahoana no nahafahan’ny Kristianina nampiasa ny Soratra Masina rehefa nitory? Nanahirana ny nampiasa horonana satria tsy maintsy novelarina sy nahorona, sady lafiny iray ihany matetika no nisy soratra. Horonana iray be izao, ohatra, ny Filazantsaran’i Matio. Lasa nisy kôdeksa anefa tatỳ aoriana. Io no karazana boky voalohany indrindra. Pejy maromaro natambatra ilay izy ary azo sokafana ka mora ny mitady andinin-teny. Tsy fantatra hoe oviana marina ny Kristianina no nanomboka nampiasa kôdeksa, nefa hoy ny boky iray: ‘Nampiasa kôdeksa ny Kristianina eran-tany tamin’ny taonjato faharoa, ka tsy maintsy ho efa ela talohan’ny taona 100 no nampiasana azy io voalohany.’

NAHASOA NY LALÀNA ROMANINA

13, 14. a) Ahoana no nampiasan’i Paoly ny zom-pirenena romanina nananany? b) Nahoana no nahasoa an’ireo Kristianina ny lalàna romanina?

13 Nampiharina eran’ilay fanjakana ny lalàna romanina, ary nanana tombontsoa sy voaro izay nizaka ny zom-pirenena romanina. Nanana zom-pirenena romanina i Paoly ary imbetsaka izy no nampiasa azy io. Saika hokapohina izy tao Jerosalema ka niteny tamin’ilay manamboninahitra romanina hoe: “Azonareo atao angaha ny mikapoka Romanina mbola tsy voaheloka?” Tsy azo natao izany. Nilaza i Paoly fa vao teraka izy dia efa nanana zom-pirenena romanina ka “niala teo aminy ireo lehilahy saika hampijalijaly azy mandritra ny famotopotorana. Ary natahotra ilay mpitari-tafika rehefa tena nahafantatra fa Romanina izy nefa nasainy nofatorana.”—Asa. 22:25-29.

14 Nanampy an’i Paoly ny lalàna romanina tamin’izy tany Filipy, noho izy nizaka ny zom-pirenena romanina. (Asa. 16:35-40) Niresaka momba ny rafitra ara-dalàna napetraky ny Romanina ny ben’ny tanànan’i Efesosy rehefa avy nampitony vahoaka romotra. (Asa. 19:35-41) Nampiasa ny zony hampakatra fitsarana tany amin’i Kaisara i Paoly tao Kaisaria ka afaka niaro ny finoany teo anatrehan’i Kaisara. (Asa. 25:8-12) Nanampy ny Kristianina ‘hiaro ny vaovao tsara sy hanamafy  orina azy io’ àry ny lalàna romanina.—Fil. 1:7.

NY VOKATRY NY FIELEZAN’NY JIOSY

15. Nanao ahoana ny fielezan’ny Jiosy tamin’ny taonjato voalohany?

15 Azo lazaina hoe nanamora ny fitorian’ny Kristianina voalohany koa ny fielezan’ny Jiosy nanerana ny Fanjakana Romanina. Nataon’ny Asyrianina sy ny Babylonianina sesitany ny Jiosy, taonjato maro tany aloha. Efa nisy Jiosy nipetraka tany amin’ny faritra 127 nanjakan’ny Persianina tamin’ny taonjato fahadimy T.K. (Est. 9:30) Tamin’i Jesosy tetỳ an-tany, dia nisy Jiosy tany Ejipta sy ny faritra hafa tany Afrika Avaratra, ary tany Gresy sy Azia Minora ary Mezopotamia. Notombanana ho ny 1 isaky ny mponina 14 no Jiosy, tamin’ireo mponina 60 tapitrisa tao amin’ny Fanjakana Romanina. Mbola nanaraka ny fivavahany ny Jiosy tany amin’izay nalehany.—Mat. 23:15.

16, 17. a) Nahoana no nahasoa olona maro tsy Jiosy ny fielezan’ny Jiosy? b) Inona no fanaon’ny Jiosy lasa narahin’ny mpianatr’i Jesosy?

16 Niely be ny Jiosy ka maro ny tsy Jiosy lasa nahalala ny Soratra Hebreo. Nianaran’izy ireo fa iray ihany ny tena Andriamanitra, ary tsy maintsy mankatò ny fitsipiny momba ny fitondran-tena ny mpanompony. Feno faminaniana momba ny Mesia koa ny Soratra Hebreo. (Lioka 24:44) Samy nanaiky ny Jiosy sy ny Kristianina fa Tenin’Andriamanitra ny Soratra Hebreo. Izany no nahafahan’i Paoly nitady marimaritra iraisana rehefa niresaka tamin’ny olona tia ny fahamarinana. Fanaon’i Paoly àry ny nankao amin’ny synagogan’ny Jiosy ary nandresy lahatra azy ireo, niorina tamin’ny Soratra Masina.—Vakio ny Asan’ny Apostoly 17:1, 2.

17 Efa nanana ny fomba fivavahany ny Jiosy. Nivory tsy tapaka tao amin’ny synagoga na teny an-kalamanjana izy ireo. Nihira sy nivavaka ary nandinika ny Soratra Masina izy ireo. Toy izany koa no ataon’ny fiangonana kristianina ankehitriny.

NANAMPY I JEHOVAH

18, 19. a) Inona no vokatry ny zava-nisy tamin’ny taonjato voalohany? b) Ahoana no fiheveranao an’i Jehovah rehefa avy nandinika ny fanazavana tato ianao?

18 Nahomby àry ny fitoriana ny vaovao tsara, noho ireo zava-nitranga niavaka tamin’ny taonjato voalohany. Nisy fandriampahalemana teo amin’ny Fanjakana Romanina, mora kokoa ny nanao dia, nisy fiteny iray niombonana, niaro ny olona ny lalàna romanina, ary niely be ny Jiosy. Nanampy ny mpianatr’i Jesosy hanohy ny fitoriana nasain’Andriamanitra nataony izany.

19 Hoy ny olona iray tao amin’ny boky nosoratan’i Platon filozofa grika, 400 taona teo ho eo talohan’i Kristy: “Sarotra ny hamantatra an’ilay namorona an’izao rehetra izao. Ary na ho fantatsika aza izy, dia tsy ho afaka hiresaka momba azy amin’ny olona rehetra isika.” Hoy anefa i Jesosy: “Ny zavatra tsy hain’olombelona dia hain’Andriamanitra.” (Lioka 18:27) Tian’ilay Mpamorona an’izao rehetra izao hitady azy sy hahafantatra azy isika. Hoy koa i Jesosy tamin’ny mpanara-dia azy: “Ataovy mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra.” (Mat. 28:19) Azo atao ny mamita izany asa izany noho ny fanampian’i Jehovah. Ho hitantsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka ny fomba anaovana azy io ankehitriny.