Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA (FIANARANA) MARTSA 2015

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Niresaka matetika momba ny tandindona sy izay mifanitsy aminy ny bokintsika taloha, fa tsy toy izany kosa ankehitriny. Nahoana?

Nilaza Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 15 Septambra 1950 fa mifanitsy amin’ny zavatra amin’ny hoavy indraindray ny olona na zava-mitranga na zavatra resahin’ny Baiboly. Antsoina hoe tandindona na aloka ilay olona na zava-mitranga na zavatra, fa ilay mifanitsy aminy no tena izy.

Nilaza ny bokintsika, taona maro lasa izay, fa mifanitsy amin’ny voahosotra na ny “vahoaka be” ny lehilahy sy vehivavy tsy nivadika toa an’i Debora, Eliho, Jefta, Joba, Rahaba, Rebeka, ary ny maro hafa. (Apok. 7:9) Noheverina fa mifanitsy amin’ny voahosotra, ohatra, i Jefta sy Joba ary Rebeka, ary mifanitsy amin’ny vahoaka be i Debora sy Rahaba. Tsy manao fampitahana toy izany intsony anefa isika tato ho ato. Nahoana?

TANDINDONA

Tandindona ny zanak’ondrin’ny Paska nataon’ny Israelita fanatitra.—Nom. 9:2

TENA IZY

Nolazain’i Paoly fa i Kristy no “zanak’ondrin’ny Paska.”—1 Kor. 5:7

Milaza tokoa ny Soratra Masina fa tandindon’ny zavatra lehibe kokoa ny olona sasany resahiny. Miresaka “sary an’ohatra” misy vehivavy roa, ohatra, ny apostoly Paoly ao amin’ny Galatianina 4:21-31. I Hagara mpanompon’i Abrahama ny iray. Mifanitsy aminy ny firenen’Israely, izay lasa toy ny vadin’i Jehovah noho ny Lalàn’i Mosesy. Ny iray kosa dia i Saraha, ilay “vehivavy afaka”, izay mifanitsy amin’ny vadin’i Jehovah, na ny ampahany any an-danitra amin’ny fandaminany. Nampifandraisin’i Paoly tamin’i Jesosy koa ilay mpanjaka sy mpisorona atao hoe Melkizedeka, ao amin’ny taratasiny ho an’ny Hebreo. Nasongadiny ny zavatra manokana mampitovy azy ireo. (Heb. 6:20; 7:1-3) I Jesosy sy ny voahosotra indray nampitovin’i Paoly tamin’i Isaia sy ny zanany. (Heb. 2:13, 14) Nahazo herin’ny fanahy masina izy rehefa nanoratra an’ireo, ka tsy misalasala isika manaiky.

Milaza ny Baiboly indraindray hoe mifanitsy amin’ny olona hafa ny olona iray. Tsy tokony hihevitra anefa isika hoe misy mifanitsy aminy daholo ny tsipiriany na ny zava-mitranga amin’ny fiainan’ilay olona. Nilaza, ohatra, i Paoly fa mifanitsy  amin’i Jesosy i Melkizedeka. Tsy noresahiny anefa ilay Melkizedeka nitondra mofo sy divay ho an’i Abrahama taorian’ny nandresen’i Abrahama mpanjaka efatra. Tsy misy antony ikarohana ny mifanitsy amin’izany àry, raha ny Baiboly no jerena.—Gen. 14:1, 18.

Nihevitra ny mpanoratra sasany nandritra ny taonjato maromaro taorian’ny nahafatesan’i Kristy, fa misy mifanitsy aminy daholo izay resahin’ny Baiboly. Hoy Ny Rakipahalalana Ara-baiboly Iraisam-pirenena (anglisy) momba ny fampianaran’i Origène sy Ambroise ary Jérôme: ‘Nitady tandindona foana izy ireo ka nahita, na dia tamin’ny zava-nitranga tsy dia lehibe resahin’ny Soratra Masina aza. Nihevitra izy ireo fa misy heviny lalina [miafina] na dia ireo zavatra faran’izay tsotra sy nahazatra aza. Anisan’izany ny isan’ny trondro 153 azon’ny mpianatra, ny alina nisehoan’ny Mpamonjy tamin’izy ireo rehefa avy natsangana tamin’ny maty izy. Maro ny hevitra naroson’ny olona momba an’io isa io.’

I Augustin avy any Hipona indray nanazava be momba ny namahanan’i Jesosy lehilahy 5 000 teo ho eo tamin’ny mofo orza dimy sy trondro roa. Noheverina fa ratsy noho ny varimbazaha ny orza, ka nihevitra i Augustin fa tsy maintsy manondro an’ireo boky dimy nosoratan’i Mosesy ireo mofo dimy. (Mifanitsy amin’ny “Testamenta Taloha” izay nolazaina fa ambany kokoa ny “orza.”) Ary ireo trondro roa? Tsy hay izay antony fa nampitoviny tamin’ny mpanjaka iray sy mpisorona iray izy ireo. Nisy manam-pahaizana iray koa nanizingizina fa misy dikany manokana ny nanomezan’i Jakoba lantihy mena iray vilia an’i Esao mba hahazoana ny zon’ny lahimatoa. Mifanitsy amin’ny nandatsahan’i Jesosy ny rany mba hahafahan’ny olombelona hiaina any an-danitra, hono, izany.

Azonao angamba ilay olana raha hitanao hoe sarotra inoana ireo fanazavana ireo. Tsy ho vitantsika ny hamantatra hoe iza amin’ireo tantara ao amin’ny Baiboly no tandindon’ny zavatra ho avy, ary iza no tsy toy izany. Fahendrena àry ny manaiky rehefa milaza ny Baiboly hoe tandindon’ny zavatra iray ny olona na zava-mitranga na zavatra iray. Raha tsy misy porofo mazava manamarina izany anefa ao, dia tsy tokony hilaza isika hoe misy mifanitsy aminy ny olona na tantara iray.

Ahoana àry no handraisantsika soa avy amin’ny zava-mitranga sy ohatra resahin’ny Baiboly? Hoy i Paoly ao amin’ny Romanina 15:4: “Izay rehetra voasoratra taloha dia nosoratana ho fianarantsika, mba hananantsika fanantenana amin’ny alalan’ny fiaretantsika sy ny fampiononana avy ao amin’ny Soratra Masina.” Te hilaza izy fa afaka mandray lesona avy amin’ny zava-nitranga resahin’ny Soratra Masina ny rahalahiny voahosotra tamin’ny taonjato voalohany. Mandray soa avy amin’izay “rehetra voasoratra taloha” koa anefa ny Kristianina rehetra, na voahosotra na “ondry hafa”, ary na miaina amin’ny “andro farany” na tsia.—Jaona 10:16; 2 Tim. 3:1.

Tsy mihatra amin’ny voahosotra irery, na amin’ny “ondry hafa” irery, na amin’ny Kristianina miaina amin’ny fotoana voafaritra iray ny ankamaroan’ny tantara ao amin’ny Baiboly. Mandray soa amin’izy ireny kosa ny mpanompon’i Jehovah rehetra, na taloha na ankehitriny. Tsy tokony hihevitra àry isika hoe ny zavatra niaretan’ny voahosotra tamin’ny Ady Lehibe I ihany no mifanitsy amin’ny fijalian’i Joba. Tojo zava-tsarotra hoatran’ny an’i Joba koa ny mpanompon’i Jehovah maro, na lehilahy na vehivavy, ary na voahosotra na anisan’ny vahoaka be. Tsapan’izy ireo fa ‘manome fitahiana i Jehovah, ary be fitiavana sy mamindra fo.’—Jak. 5:11.

Misy vehivavy zokiolona tsy mivadika toa an’i Debora, ohatra, eo anivon’ny fiangonana. Ao koa ny anti-panahy tanora hendry toa an’i Eliho, ny mpisava lalana mazoto sy be herim-po toa an’i Jefta, ary ny lehilahy sy vehivavy tsy mivadika sy manam-paharetana toa an’i Joba. Tena faly isika hoe narovan’i Jehovah “izay rehetra voasoratra taloha” mba ‘hananantsika fanantenana amin’ny alalan’ny fampiononana avy ao amin’ny Soratra Masina.’

Ireo antony ireo àry no mahatonga ny bokintsika tsy hiresaka firy momba ny tandindona sy ny fahatanterahany intsony tato ho ato. Ny lesona ampitain’ireo tantara ao amin’ny Baiboly kosa no asongadiny.