Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA APRILY 2015

Vatosoa Hita Tany Anaty Fako

Vatosoa Hita Tany Anaty Fako

INONA no tonga ao an-tsainao amin’ny hoe fako? Angamba zavatra tsy misy ilana azy sy fofona maimbo. Tsy hanantena hahita zava-tsarobidy ao anaty fako mihitsy ianao, mainka moa fa hoe vatosoa.

Nahitana zava-tsarobidy toy izany anefa tao anaty fako, 100 taona lasa izay. Tsy vatosoa ara-bakiteny ilay izy nefa sarobidy be toy ny vatosoa. Inona izany, ary nahoana no mahasoa antsika ny nahitana azy?

TSY NAMPOIZINA

Nankany Ejipta i Bernard Grenfell sy Arthur Hunt, manam-pahaizana tao amin’ny Oniversiten’i Oxford, taloha kelin’ny taona 1900. Nahita sombin-taratasy papyrus maromaro tao anaty fako, teo akaikin’ny Lohasahan’i Neily izy roa lahy. Nataon’izy ireo lisitra àry ireo sombin-taratasy ireo. Raha mbola teo am-panaovana an’izany izy ireo tamin’ny 1920, dia nahazo sombin-taratasy hafa nofongarina tany Ejipta indray i Grenfell, mba hatao ao amin’ny Tranomboky John Rylands, any Manchester, any Angletera. Mbola tsy vita akory anefa ilay lisitra, dia maty izy roa lahy.

I Colin Roberts, manam-pahaizana hafa tao amin’ny Oniversiten’i Oxford, no namita an’ilay lisitra. Nahatsikaritra sombin-taratasy papyrus iray nitovitovy habe tamin’ny kara-panondro izy tamin’izay. Sora-tanana tamin’ny teny grika no teo amin’ilay izy, ary gaga izy fa tsy vaovao taminy ilay soratra. Teny nalaina tao amin’ny Jaona 18:31-33 no tao ambadika, ary ampahany amin’ny andininy faha-37 sy 38 kosa no tao ambadika. Tonga saina izy hoe hay sarobidy ilay izy!

OVIANA ILAY IZY NO NOSORATANA?

Fantapantatr’i Roberts hoe efa ela be ilay sombin-taratasy. Oviana anefa? Mba hahalalana izany, dia nampitahainy ilay izy sy ny sora-tanana tranainy hafa, izay efa fantatra ny daty nanoratana azy. Izany mantsy no fanaon’ny mpikaroka rehefa hamantatra hoe oviana no nosoratana ny asa soratra tranainy iray. Azoazon’i Roberts an-tsaina àry hoe oviana no nosoratana ilay taratasy. Te haka toky tsara anefa izy ka nalainy sary ilay izy, ary nalefany tany amin’ny manam-pahaizana telo hafa. Oviana ny daty hitan’izy ireo?

Nodinihin’izy ireo ny endrik’ilay soratra sy ny hateviny ary ny fomba fanoratra azy, ka samy nilaza izy telo lahy fa tamin’ny taona 125 tany ho any no nanoratana azy, izany hoe tsy ela be taorian’ny nahafatesan’ny apostoly Jaona. Marina aloha fa tsy voatery ho marina ny tombantombana nataon’ireo manam-pahaizana ireo. Nisy manam-pahaizana nilaza aza hoe tsy tena voafaritra ny fotoana nanoratana an’ilay taratasy, fa teo anelanelan’ny taona 100 sy taona 200 fotsiny. Na izany aza, dia mbola io sombin-taratasy io hatramin’izao no sora-tanana tranainy indrindra hita, amin’ny Soratra Grika Kristianina.

INONA NO FANTATSIKA AVY AMIN’IZY IO?

Mahaliana ny olona tia Baiboly io sombin-taratasy any amin’ny Tranomboky John Rylands io. Nahoana? Misy antony roa, fara fahakeliny. Voalohany, hita avy amin’ny paoziny fa tena sarobidy tamin’ny Kristianina voalohany ny Soratra Masina.

Nahoana no mahaliana ny olona tia Baiboly io sombiny amin’ny Filazantsaran’i Jaona io?

Horonana sy kôdeksa ihany no nisy tamin’ny taonjato faharoa. Hodi-biby malefaka na taratasy papyrus maromaro nozairina na natambatambatra ho lasa lava be ny horonana, ary azo nahorona  sy novelarina araka izay tiana. Ny lafiny iray ihany matetika no nanoratana.

Nisy soratra ambadika sy ambadika anefa ilay sombin-taratasy hitan’i Roberts. Midika izany hoe mety ho avy tao anaty kôdeksa ilay izy fa tsy avy tamin’ny horonana. Mitovitovy amin’ny boky ny kôdeksa. Hodi-biby malefaka maromaro na taratasy papyrus maromaro no nozairina teo amin’ny fisasahany ary naforitra roa.

Tsara kokoa noho ny horonana ny kôdeksa. Nahoana? Mpitory ny vaovao tsara ny Kristianina voalohany. (Matio 24:14; 28:19, 20) Nitory tany amin’izay nahitany olona izy ireo, na isan-trano izany na teny an-tsena na teny an-dalana. (Asan’ny Apostoly 5:42; 17:17; 20:20) Mora kokoa tamin’izy ireo àry ny nampiasa ny Soratra Masina natao kôdeksa.

Lasa mora tamin’ny fiangonana sy ny olona tsirairay koa ny nandika ny Soratra Masina rehefa natao kôdeksa izy io. Nadika imbetsaka àry ny Filazantsara, ary azo antoka fa izany no anisan’ny nahatonga ny Fivavahana Kristianina hiely haingana.

Ilay sombin-taratasy any amin’ny Tranomboky Rylands, ambadika sy ambadika

Nahoana koa no mahaliana antsika ilay sombin-taratasy? Satria hita avy amin’izy io hoe mitovy amin’ilay Soratra Masina tany am-boalohany ihany ny teny ao anaty Baiboly hatramin’izao. Marina fa andininy vitsy monja avy ao amin’ny Filazantsaran’i Jaona no ao amin’ilay sombin-taratasy. Mila hitovy tanteraka amin’ilay ao anaty Baibolintsika anefa ilay izy. Manaporofo izany fa tsy niova ny Baiboly, na dia nadika imbetsaka aza nandritra ny taonjato maro.

Mbola misy sombin-taratasy sy sora-tanana hafa an’arivony manaporofo fa tsy niova ny Soratra Masina hatramin’izao. Hoy i Werner Keller, ao amin’ilay bokiny hoe Ny BaibolyBokin-tantara (anglisy): “Ireny [sora-tanana] fahiny ireny no porofo mandresy lahatra indrindra hoe tena marina sy tsy nisy novana ny zavatra voasoratra ao amin’ny Baibolintsika ankehitriny, raha mbola misy misalasala ny amin’izany.”

Marina fa efa mino ny Kristianina hoe “ny Soratra Masina iray manontolo dia avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra”, na eo na tsy eo ireny zavatra hitan’ny mpikaroka ireny. (2 Timoty 3:16) Sarobidy toy ny vatosoa anefa izy ireny satria vao mainka manamarina an’ity efa nolazain’ny Baiboly ity: ‘Ny tenin’i Jehovah maharitra mandrakizay.’—1 Petera 1:25.

Fanampim-panazavana

Milaza ny Marina Momba ny Fiainan’i Jesosy ve ny Baiboly?

Jereo ny zavatra sasany momba ny fitantaran’ny Filazantsara sy ny sora-tanana tranainy indrindra fantatra.

Mahagaga fa Mbola Misy Hatramin’izao ny Baiboly

Betsaka no niezaka nanafoana ny Baiboly, nefa mbola misy foana izy io hatramin’izao. Nahoana?