Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Ny Tilikambo Fiambenana—Fianarana  |  Jona 2015

Mampihatra ny Voalazan’ilay Vavaka Modely ve Ianao? Fizarana 2

Mampihatra ny Voalazan’ilay Vavaka Modely ve Ianao? Fizarana 2

“Fantatr’Andriamanitra Rainareo izay ilainareo.”—MAT. 6:8.

1-3. Nahoana ny anabavy iray no niaiky fa mahalala an’izay ilaintsika i Jehovah?

TANY Alemaina ny mpisava lalana iray atao hoe Lana, tamin’ny 2012 ary handeha hody any amin’ny taniny. Tsy hadinony mihitsy ny zava-nitranga tamin’izay. Niaiky izy hoe namaly ny vavaka roa nataony i Jehovah. Nivavaka izy teny ambony fiarandalamby ho any amin’ny seranam-piaramanidina, mba hahita olona hitoriana. Nivavaka indray izy rehefa tonga tany. Henony mantsy hoe nahemotra iray andro ilay dia saika hataony, nefa efa ho lany ny volany sady tsy nahita trano hatoriana izy.

2 Vao tapitra ilay vavak’i Lana dia nahare tovolahy niteny izy hoe: “Manahoana i Lana! Inona no ataonao atỳ?” Mpiara-mianatra taminy taloha izy io. Ho any Afrika Atsimo io tovolahy io ary nanatitra azy teny amin’ny seranam-piaramanidina ny reniny sy ny renibeny. Nasain’izy ireo ho any aminy àry i Lana, rehefa fantany ny nahazo azy. Nikarakara azy tsara izy ireo ary nametraka fanontaniana be dia be momba ny fivavahany sy ny asa fitoriana ataony.

 3 Mbola namaly fanontaniana maro i Lana ny ampitso maraina, rehefa avy niara-nisakafo tamin’izy ireo. Nalainy ny nomeraon-telefaonin’izy ireo avy eo mba hahafahana manohy an’ilay resaka. Tafody soa aman-tsara i Lana ary mbola mpisava lalana. Fantany hoe nanampy azy ilay “Mpihaino vavaka.”—Sal. 65:2.

4. Inona no hodinihintsika ato?

4 Tsy misalasala mivavaka amin’i Jehovah isika rehefa sendra olana tampoka, ary faly izy rehefa manao izany isika. (Sal. 34:15; Ohab. 15:8) Rehefa misaintsaina an’ilay vavaka nampianarin’i Jesosy anefa isika, dia mety hahita fa misy zavatra hafa tena ilaintsika saingy hadinontsika indraindray. Manampy antsika tsy hivadika amin’i Jehovah, ohatra, ireo fangatahana telo farany ao amin’izy io. Handinika izany isika izao. Hojerentsika koa izay tokony hataontsika mifanaraka amin’ilay hoe: “Omeo anay anio izay hanina sahaza anay anio.”—Vakio ny Matio 6:11-13.

“OMEO ANAY ANIO IZAY HANINA SAHAZA ANAY ANIO”

5, 6. Nahoana no ilaina ny mivavaka hoe “omeo anay anio izay hanina sahaza anay anio”, na dia efa manana ny ampy aza isika?

5 Tsy nasain’i Jesosy hivavaka isika hoe ‘omeo ahy izay hanina sahaza ahy’, fa hoe ‘omeo anay izay hanina sahaza anay.’ Hoy i Victor, mpiandraikitra ny faritra atsy Afrika: “Matetika aho no misaotra an’i Jehovah satria tsy mila miasa saina be momba ny sakafo sy ny hofan-trano izahay mivady. Tsara fanahy ny mpiara-manompo ka manome foana an’izay ilainay isan’andro. Mivavaka ho azy ireny foana anefa aho satria sarotra ny fiainany.”

6 Ampy sakafo angamba ianao isan’andro fa ny mpiara-manompo aminao kosa mahantra na tra-boina. Mivavaha àry ho azy ireo ary manaova zavatra mifanaraka amin’izany. Azonao atao, ohatra, ny manome zavatra an’ireo sahirana. Afaka mizatra manome vola mba hanohanana ny asa maneran-tany koa ianao. Natao hanampiana ny sahirana koa mantsy ireny vola ireny.—1 Jaona 3:17.

7. Inona no fanoharana nolazain’i Jesosy, mba hampisehoana fa tsy tokony ‘hanahy mihitsy ny amin’ny ampitso’ isika?

7 Ny zavatra ilaintsika anio ihany no nasain’i Jesosy nangatahintsika. Manamafy an’izany ny zavatra nolazainy taorian’izay. Nilaza izy fa mampitafy ny voninkazo Andriamanitra. Hoy izy avy eo: “Tsy mainka ve ianareo, ry kely finoana? Koa aza manahy mihitsy ianareo hoe: ‘Inona no hotafinay?’ ” Nohamafisiny avy eo hoe: “Aza manahy mihitsy ny amin’ny ampitso.” (Mat. 6:30-34) Midika izany fa tsy tokony ho tia vola loatra isika. Izay zavatra tena ilaintsika isan’andro kosa no tokony hangatahintsika. Afaka mivavaka, ohatra, isika mba hahita trano hipetrahana sy asa fivelomana, ary hahay hanapa-kevitra rehefa tsy salama. Misy zavatra tsy ampy anefa raha ireo fotsiny no angatahintsika. Mila mivavaka koa isika mba tsy hivadika amin’i Jehovah, ary izany no tena zava-dehibe.

8. Inona no tena ilaintsika isan’andro, ankoatra ny sakafo? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

8 Mila sakafo ara-panahy isika isan’andro. Hoy i Jesosy: “Tsy ny mofo ihany no tsy maintsy iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra avy amin’ny vavan’i Jehovah koa.” (Mat. 4:4) Tokony hivavaka foana àry isika mba homen’i Jehovah sakafo ara-panahy amin’ny fotoana mety.

 “MAMELÀ NY HELOKAY”

9. Nahoana isika no toy ny hoe tsy mahaloa trosa rehefa manota?

9 Nasain’i Jesosy hivavaka isika hoe: “Mamelà ny helokay [na ny “trosanay”, f.a.p.].” (Mat. 6:12; Lioka 11:4) Nahoana izy no nampiasa an’ilay teny hoe trosa? Hoy Ny Tilikambo Fiambenana, tamin’ny 1951: ‘Manan-trosa tsy maintsy aloa amin’Andriamanitra isika, dia ny fitiavana. Mila manaporofo isika hoe tia azy ka tsy maintsy mankatò azy. Toy ny hoe tsy mahaloa trosa isika rehefa manota na mandika ny lalàny. Zony ny mamono antsika satria isika mpanota. Zony koa ny tsy mifandray intsony amintsika. Tsy tia an’Andriamanitra mantsy izay manota.’—1 Jaona 5:3.

10. Nahoana i Jehovah no afaka mamela ny helotsika, ary inona no tokony hataontsika?

10 Mila famelan-keloka foana isika isan’andro. Soa ihany fa nanome an’i Jesosy ho vidim-panavotana i Jehovah. Tsy ho voavela mihitsy ny helotsika raha tsy izany. Marina fa efa 2 000 taona teo ho eo izay i Jesosy no natao sorona. Tokony ho sarobidy amintsika foana anefa io sorona io, toy ny hoe fanomezana vao azontsika androany. ‘Lafo loatra ny vidin’ny nanavotana ny aintsika’ ka tsy ho voaloan’ny olona tsy lavorary mihitsy. (Vakio ny Salamo 49:7-9; 1 Petera 1:18, 19.) Tokony hisaotra an’i Jehovah foana àry isika noho io fanomezana lehibe io. Ankoatr’izany, dia tsy hoe “mamelà ny heloko” no nasain’i Jesosy nangatahintsika fa hoe “mamelà ny helokay.” Midika izany fa tsy isika ihany no mila ny vidim-panavotana, fa ny mpiara-manompo rehetra koa. Tian’i Jehovah hieritreritra azy ireny koa àry isika, anisan’izany ireo nahatezitra antsika. Matetika no fahadisoana kely no nataon’ilay olona, ka tokony hamela azy tanteraka isika toy ny namelan’i Jehovah antsika. Tena tia an’ilay olona isika raha manao an’izany.—Kol. 3:13.

Mamelà heloka raha tianao hamela ny helokao Andriamanitra (Fehintsoratra 11)

11. Nahoana isika no tokony ho tia mamela heloka?

11 Tsy lavorary anefa isika ka mety hitana lolompo. (Lev. 19:18) Raha resadresahintsika koa ilay olana, dia mety hisy hiandany amintsika ka hisara-bazana ny fiangonana. Tsy tena mankasitraka ny  famindram-pon’i Jehovah sy ny vidim-panavotana isika raha manao izany. Tsy havelan’i Jehovah hanan-kery amintsika intsony ny vidim-panavotana raha tsy tia mamela heloka isika. (Mat. 18:35) Niresaka momba izany i Jesosy tamin’izy vao avy nampianatra an’ilay vavaka modely. (Vakio ny Matio 6:14, 15.) Mila miezaka mba tsy ho zatra manao fahotana lehibe koa anefa isika, raha te ho voavela heloka. Izany no mahatonga antsika hanao an’ilay fangatahana manaraka.—1 Jaona 3:4, 6.

“AZA MITONDRA ANAY HO AMIN’NY FAKAM-PANAHY”

12, 13. a) Inona no nitranga raha vao vita batisa i Jesosy? b) Nahoana isika no tsy tokony hanome tsiny ny hafa raha resin’ny fakam-panahy? d) Inona no voaporofon’i Jesosy noho izy tsy nivadika mandra-pahafatiny?

12 Nahoana isika no tokony hivavaka hoe: “Aza mitondra anay ho amin’ny fakam-panahy”? Andeha hojerentsika izay nitranga tamin’i Jesosy, taoriana kelin’ny batisany. Nentin’ny fanahy masina nankany an-tany efitra izy, ary navelan’i Jehovah haka fanahy azy ny Devoly. (Mat. 4:1; 6:13) Mahagaga antsika ve izany? Tsy tokony ho gaga isika satria fantatsika ny antony nanirahana an’i Jesosy ho etỳ an-tany. Fantatsika hoe tsy nanaiky an’i Jehovah ho Mpitondra i Adama sy Eva. Nisy fanontaniana nipoitra àry, ohatra hoe: Nisy tsininy ve ny fomba namoronan’Andriamanitra ny olombelona? Tsy hivadika ve ny olona lavorary, na inona na inona ataon’i Satana aminy? Ho tsara kokoa ve ny fiainan’ny olombelona raha tsy Andriamanitra no Mpitondra azy? (Gen. 3:4, 5) Te handamina an’ireo i Jehovah ka navelany haka fanahy an’i Jesosy ny Devoly. Marina fa mila fotoana elaela vao ho voavaha ireo. Hiharihary anefa amin’ny farany fa i Jehovah no tena mahay mitondra.

13 Masina i Jehovah ka tsy maka fanahy olona mihitsy. Ny Devoly no “Mpaka fanahy.” (Mat. 4:3) Vitany ny manao izay hisian’ny fakam-panahy. Anjaran’ny tsirairay anefa raha hanaiky ho resy izy na tsia. (Vakio ny Jakoba 1:13-15.) Nanda avy hatrany i Jesosy sady nanonona andinin-teny mety tsara isaky ny naka fanahy azy i Satana. Nanohana ny zon’i Jehovah hitondra izy. Tsy kivy anefa i Satana fa niandry “fotoana hafa mety indray.” (Lioka 4:13) Tsy nivadika mihitsy i Jesosy, na inona na inona nataon’i Satana. Noporofoiny fa i Jehovah no tena mahay mitondra. Noporofoiny koa fa mahavita tsy mivadika ny olona lavorary, na dia miaritra fitsapana faran’izay mafy aza. Ataon’i Satana koa anefa izay hakana fanahy ny mpanara-dia an’i Jesosy, anisan’izany ianao.

14. Inona no tokony hataontsika mba tsy ho resin’ny fakam-panahy?

14 Mbola mitohy foana ilay adihevitra hoe mahay mitondra i Jehovah sa tsia. Mbola avelany haka fanahy antsika àry i Satana. Tsy mitondra antsika ho amin’ny fakam-panahy i Jehovah. Te hanampy antsika kosa izy sady matoky fa tsy hivadika isika. Manaja ny safidintsika anefa izy ka tsy tonga dia misakana antsika tsy ho resin’ny fakam-panahy. Raha te handresy isika, dia mila miezaka foana mba ho akaiky azy sy hivavaka aminy. Ahoana no amaliany ny vavaka ataontsika?

Miezaha foana hifandray tsara amin’i Jehovah sy hazoto hanompo (Fehintsoratra 15)

15, 16. a) Inona avy ny fakam-panahy mila toherintsika? b) Nahoana isika no tsy tokony hanome tsiny an’i Satana raha resin’ny fakam-panahy?

15 Omen’i Jehovah fanahy masina isika. Tena mahery izy io ka afaka manampy antsika handresy fakam-panahy. Lazainy  ao amin’ny Teniny sy any am-pivoriana koa izay tsy tokony hataontsika. Mampitandrina antsika, ohatra, izy mba tsy handany fotoana sy hery ary vola amin’ny zavatra tsy tena ilaina. Mipetraka any amin’ny tany mandroso be any Eoropa i Espen sy Janne. Efa ela izy ireo no mpisava lalana tany amin’ny toerana vitsy mpitory, tao amin’ny taniny. Niteraka anefa izy ireo ka voatery niala tsy ho mpisava lalana. Mbola niteraka indray izy ireo vao haingana. Hoy i Espen: “Matetika izahay no mivavaka amin’i Jehovah mba tsy ho resin’ny fakam-panahy. Efa tsy afaka manao fanompoana betsaka intsony mantsy izahay. Mivavaka izahay mba hampiany hifandray tsara aminy foana sady hazoto hanompo.”

16 Fakam-panahy mpitranga tato ho ato koa ny fijerena sary vetaveta. Tsy i Satana no tokony homentsika tsiny raha resin’io fakam-panahy io isika. Tsy afaka manery antsika hanao ratsy mantsy izy sy ny tontolony. Lasa nijery sary vetaveta ny olona sasany satria tsy nanala ny eritreri-dratsy nitsiry tao an-tsainy. Maro be anefa ny namantsika nahatohitra an’io fakam-panahy io, ary afaka mahavita izany koa isika.—1 Kor. 10:12, 13.

“MANAFAHA ANAY AMIN’ILAY RATSY”

17. a) Inona no tokony hataontsika raha tiantsika hanafaka antsika amin’ilay ratsy i Jehovah? b) Inona no hataon’i Jehovah tsy ho ela?

17 Ahoana no hampisehoantsika fa tiantsika ‘hanafaka antsika amin’ilay ratsy’ i Jehovah? Mila miezaka isika mba tsy ho “anisan’izao tontolo izao” sy tsy ho “tia an’izao tontolo izao na ny zavatra eo amin’izao tontolo izao.” (Jaona 15:19; 1 Jaona 2:15-17) Mitohy foana io ady io. Soa ihany fa handringana an’i Satana sy ny tontolony i Jehovah. Tadidio anefa fa fantatr’i Satana hoe fohy ny fotoana ananany, taorian’ny nanipazana azy avy tany an-danitra. Romotra izy ka manao izay ho afany mba hahatonga antsika hivadika. Mivavaha foana àry hoe: “Manafaha anay amin’ilay ratsy.”—Apok. 12:12, 17.

18. Inona no tokony hataontsika mba tsy ho ringana miaraka amin’i Satana isika?

18 Te hiaina ao amin’ny tontolo iray tsy misy an’i Satana ve ianao? Mivavaha foana àry mba hanamasina ny anaran’Andriamanitra ilay Fanjakany, sady hanao ny sitrapony etỳ an-tany. Mivavaha koa mba hanome izay ilainao i Jehovah sady hanampy anao tsy hivadika. Ampiharo àry ny voalazan’ilay vavaka modely.