Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mitarika ny Fitoriana Eran-tany i Jehovah

Mitarika ny Fitoriana Eran-tany i Jehovah

“Izaho Jehovah no Andriamanitrao, Ilay mampianatra anao mba hahitanao soa, Ilay mampandeha anao amin’ny lalana tokony halehanao.”ISAIA 48:17.

1. Inona no nanasarotra ny fitorian’ny Mpianatra ny Baiboly?

NIATRIKA olana maro ny Mpianatra ny Baiboly, * 130 taona mahery izay. Toy ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany izy ireo, satria tsy tian’ny ankamaroan’ny olona ny hafatra notoriny. Vitsy koa izy ireo ary noheverina ho tsy dia nahita fianarana. “Tezitra mafy” tamin’izy ireo i Satana Devoly, tatỳ aoriana. (Apok. 12:12) Nitory nandritra ny “andro farany” koa izy ireo ka niatrika “fotoan-tsarotra tsy mora setraina.”—2 Tim. 3:1.

2. Inona no ataon’i Jehovah mba hampandrosoana ny fitoriana?

2 Tian’i Jehovah hitory ny vaovao tsara eran-tany anefa ny vahoakany ankehitriny ary tsy misy mahasakana an’izany fikasany izany. Nanafaka azy ireo avy tao amin’i “Babylona Lehibe” na ny fivavahan-diso rehetra izy, toy ny nanafahany ny firenen’Israely tao Babylona. (Apok. 18:1-4) Ampianariny hahita soa isika, ampiany hiara-miaina amim-pilaminana, ary ampiofaniny hampita ny fampianarany amin’ny hafa. (Vakio ny Isaia 48:16-18.) Tsy midika anefa izany hoe mamantatra mialoha sy mibaiko ny zava-drehetra mitranga eto an-tany i Jehovah mba hampandrosoana ny fitoriana. Marina fa manamora ny fitoriana ny toe-javatra sasany. Ny fanampian’i Jehovah anefa no manampy antsika hiaritra ny fanenjehana sy ny olana hafa manasarotra ny fitoriana eto amin’ity tontolon’i Satana ity.—Isaia 41:13; 1 Jaona 5:19.

3. Inona no porofo fa tanteraka ny faminanian’i Daniela?

3 Nasain’i Jehovah naminany i Daniela hoe hitombo be ny “tena fahalalana” amin’ny fotoanan’ny farany. (Vakio ny Daniela 12:4.) Nampian’i Jehovah ny Mpianatra ny Baiboly mba hahatakatra ireo fahamarinana lehibe ao amin’ny Soratra Masina, izay takona noho ireo fampianaran’ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina. Mampiasa ny vahoakany izy ankehitriny mba hampiely ny tena fahalalana eran-tany. Tanteraka àry ny faminanian’i Daniela. Efa ho 8 000 000 izao ny olona manaiky ny fahamarinana ka mitory azy io eran-tany. Inona avy no nanampy ny vahoakan’i Jehovah hanao an’io asa io?

NY FANDIKANA BAIBOLY

4. Voadika tamin’ny fiteny firy ny Baiboly tamin’ny taonjato faha-19?

4 Anisan’ny manampy amin’ny fitoriana ny vaovao tsara ny fielezan’ny Baiboly. Nanakana ny olona tsy hamaky Baiboly ny mpitondra fivavahana tao amin’ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina nandritra ny taonjato maro. Nenjehin’izy ireo izay nanao izany ary nasainy novonoina ny olona sasany nandika Baiboly. Tamin’ny taonjato faha-19 anefa, dia nisy fikambanana nandika na nanao pirinty ny Baiboly manontolo na ny ampahany aminy, tamin’ny fiteny 400 teo ho eo. Maro no nanana Baiboly tamin’ny faran’io taonjato io, saingy tsy nahafantatra ny fahamarinana ampianarin’izy io.

5. Inona no nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah, mifandray amin’ny fandikana Baiboly?

5 Fantatry ny vahoakan’i Jehovah fa ilaina ny mitory ka tsy nitandro hasasarana izy ireo nanazava izay voalazan’ny Baiboly. Nampiasa sy nizara dikan-tenin’ny Baiboly samihafa koa izy ireo. Namoaka Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao manontolo na ny ampahany aminy izy ireo nanomboka tamin’ny 1950, ary misy amin’ny fiteny 120 mahery izy io. Nohavaozina koa ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny teny anglisy ary navoaka tamin’ny 2013. Ho mora kokoa ny handika azy io amin’ny fiteny hafa. Manampy antsika amin’ny fitoriana ny Baiboly mazava sy mora azo.

NY FANDRIAMPAHALEMANA

6, 7. a) Inona no azo lazaina momba ny ady, tao anatin’ny zato taona lasa? b) Nahoana no nahasoa antsika ny fandriampahalemana tany amin’ny tany sasany?

6 Mety hieritreritra ianao hoe: ‘Angaha moa efa nisy fandriampahalemana teto amin’ity tontolo ity?’ Olona an-tapitrisany no maty noho ny ady tamin’ny taonjato faha-20, indrindra fa nandritra ireo ady lehibe roa. Raha mbola nafotaka anefa ny Ady Lehibe II tamin’ny 1942, dia nanao an’ilay lahateny hoe “Haharitra ve Ilay Fiadanana?” i Nathan Knorr, izay nitarika ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany. Noporofoiny avy ao amin’ny Apokalypsy toko faha-17 fa hisy fandriampahalemana ao aorian’io ady io, fa tsy hoe ho tonga ny Hara-magedona.—Apok. 17:3, 11.

7 Tsy naneran-tany anefa ny fandriampahalemana, taorian’ny Ady Lehibe II. Araka ny antontan’isa iray, dia nisy ady 331 teo anelanelan’ny 1946 sy 2013 ka an-tapitrisany no maty. Azo lazaina ho nilamina ihany anefa ny tany maro. Nanararaotra an’izany ny vahoakan’i Jehovah mba hitoriana ny vaovao tsara. Inona no vokany? Latsaky ny 110 000 ny mpitory eran-tany tamin’ny 1944, nefa 8 000 000 eo ho eo izy ireo izao. (Vakio ny Isaia 60:22.) Tsy faly ve isika rehefa afaka mitory ny vaovao tsara amim-pilaminana?

NY FIVOARAN’NY FITATERANA

8, 9. Inona no fandrosoana nisy ary nahoana izany no manampy amin’ny fitoriana?

8 Nanamora ny fitoriana ny fivoaran’ny fitaterana. Tsy nisy afa-tsy fiara 8 000 tany Etazonia ary vitsy ny lalana tsara azo nandehanan’ny fiara, tamin’ny taona 1900, izany hoe 21 taona teo ho eo taorian’ny nivoahan’ny gazety Tilikambo Fiambenana. Maherin’ny 1 500 tapitrisa anefa izao ny fiara eran-tany ary an-tapitrisany kilaometatra ny lalana tsara. Maro amintsika àry no afaka mitory ny vaovao tsara any amin’ny faritra mitokana. Miezaka manao mpianatra foana anefa isika na dia tsy misy fitaovam-pitaterana tsara aza ary tsy maintsy mandeha an-tongotra lavitra be.—Mat. 28:19, 20.

9 Manampy antsika amin’ny fitoriana koa ny fitaovam-pitaterana hafa. Afaka mitatitra boky ara-baiboly any amin’ny toerana lavitra ao anatin’ny herinandro vitsivitsy isika, noho ny kamiao sy sambo ary lamasinina. Eo koa ny fiaramanidina, ka afaka mandeha haingana any amin’ireo fivoriambe na manao andraikitra hafa ny mpiandraikitra ny faritra, ny Komitin’ny Sampana, ny misionera, ary ny hafa. Mandeha fiaramanidina koa ny Filan-kevi-pitantanana sy ny rahalahy hafa avy any amin’ny foibe, mba hampahery sy hampianatra ny mpiara-manompo any amin’ny tany maro. Manampy ny vahoakan’i Jehovah hiray saina kokoa àry ny fandrosoan’ny fitaterana.—Sal. 133:1-3.

NY TENY ANGLISY

10. Nahoana no azo lazaina fa teny iraisam-pirenena ny teny anglisy?

10 Betsaka ny olona nampiasa ny teny grika tsotra na koine eran’ny Fanjakana Romanina, tamin’ny taonjato voalohany. Olona maro koa izao no mampiasa ny teny anglisy. Hoy ny boky Teny Iraisam-pirenena ny Anglisy (anglisy): “Ampahefany eo ho eo amin’ny mponina eran-tany no miteny anglisy misosa tsara na mahazo azy io.” Io no fiteny be mpianatra indrindra. Izy io koa no ifandraisana eran-tany eo amin’ny resaka varotra, politika, siansa, ary teknolojia.

11. Nahoana ny teny anglisy no nanampy antsika hampandroso ny fivavahana marina?

11 Olona maro no miteny anglisy, ary nanampy antsika hampandroso ny fivavahana marina izany. Tamin’ny teny anglisy no navoaka voalohany Ny Tilikambo Fiambenana sy ny boky ara-baiboly hafa, nandritra ny taona maro. Izy io no fiteny any amin’ny Foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah. Izy io koa no ampiasaina amin’ireo fiofanana atao any amin’ny Foibem-pampianaran’ny Tilikambo Fiambenana any Patterson, any Etazonia.

12. Mandika boky ara-baiboly amin’ny fiteny firy isika, ary nahoana no lazaina fa manampy amin’izany ny teknolojia?

12 Manana tombontsoa hitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana amin’ny olona any amin’ny firenena rehetra isika. Adikantsika amin’ny fiteny 700 eo ho eo àry ny bokintsika. Nanampy tamin’izany ny fandrosoana teo amin’ny ordinatera, anisan’izany ilay programan’ordinatera antsoina hoe MEPS (Fandaharana Elektronika Famoahana Boky sy Gazety Amin’ny Fiteny Maro). Manampy antsika hampiely ny hafatra momba ilay Fanjakana izany sady mampiray saina ny vahoakan’i Jehovah eran-tany. Ny “fiteny madio” na ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly anefa no tena mampiray saina antsika.—Vakio ny Zefania 3:9.

NY LALÀNA

13, 14. Nahoana no azo lazaina fa manampy antsika ny lalàna sy ny didy avoakan’ny fitsarana?

13 Hitantsika tamin’ilay lahatsoratra teo aloha fa nanampy ny Kristianina voalohany ny lalàna romanina, izay nampiharina eran’ilay fanjakana. Manampy ny Kristianina ankehitriny koa ny lalàna. Mamela ny olona hifidy ny fivavahany sy hiresaka ny finoany ary hanao fivoriana, ohatra, ny Lalàm-panorenana any Etazonia, izay misy ny foibentsika. Afaka mivory sy mitory an-kalalahana àry ireo rahalahintsika any. Nila nankany amin’ny fitsarana anefa izy ireo indraindray mba hiarovana ny zony hitory. (Fil. 1:7) Rehefa tsy nanome rariny ny vahoakan’i Jehovah ireny fitsarana ireny, dia nampakatra ny raharaha tany amin’ny fitsarana ambony kokoa izy ireo, ary matetika no nandresy.

14 Manohana ny zontsika hifidy ny fivavahantsika sy hitory ny vaovao tsara koa ny fitsarana any an-tany hafa. Resy tany amin’ny fitsarana isika tany amin’ny tany sasany, nefa nampakatra ny raharaha tany amin’ny fitsarana iraisam-pirenena. Tamin’ny Jona 2014, ohatra, dia efa 57 ny raharaha nahazoantsika rariny teny amin’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona. Tsy maintsy mankatò an’izay lalàna avoakan’io fitsarana io ny firenena rehetra anisan’ny Filan-kevitra Eoropeanina. Marina fa “halan’ny firenena rehetra” isika. Namoaka didy anefa ny fitsarana any amin’ny tany maro fa afaka manompo an’i Jehovah an-kalalahana isika.—Mat. 24:9.

ZAVATRA HAFA NANAMPY ANTSIKA

Ataontsika afaka mahazo boky ara-baiboly ny olona eran-tany

15. Inona no fandrosoana nisy teo amin’ny fanaovana pirinty, ary nahoana izany no manampy antsika?

15 Nanampy tamin’ny fitoriana ny vaovao tsara eran-tany ny fivoaran’ny fanaovana pirinty. Ilay fanontam-pirinty noforonin’i Johannes Gutenberg tamin’ny 1450 tany ho any no nampiasaina nandritra ny taonjato maro. Nandroso be anefa ny fanaovana pirinty tao anatin’ny 200 taona lasa. Lasa ngeza kokoa sy haingana kokoa ary arifomba kokoa ny milina fanaovana pirinty. Nihamora ny namokatra taratasy sy nanakambana boky. Karazana milina vaovao koa no nampiasaina tatỳ aoriana, ka lasa haingana be ny fanaovana pirinty ary nihatsara ny pirinty vita. Inona no vokatr’izany? Diniho izao: Niisa 6 000 ny gazety Tilikambo Fiambenana (Jolay 1879) voalohany natao pirinty ary tsy nisy sary sady tamin’ny teny anglisy ihany. Maherin’ny 50 000 000 isaky ny mivoaka anefa Ny Tilikambo Fiambenana atao pirinty sy zaraina izao, izany hoe 136 taona atỳ aoriana. Misy sary miloko tsara tarehy io gazety io ary mivoaka amin’ny fiteny 200 mahery.

16. Inona no zava-baovao manampy antsika hitory eran-tany? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

16 Diniho ny zava-baovao vitan’ny olombelona nandritra ny 200 taona lasa, ka nampiasain’ny vahoakan’Andriamanitra mba hitoriana ny vaovao tsara. Efa noresahintsika ny lamasinina sy fiara ary fiaramanidina. Eo koa ny bisikileta, milina fanoratana, milina manao soratra Braille, telegrafy, telefaonina, fakan-tsary, fitaovana fandraisam-peo sy fakana raki-tsary, radio, televiziona, sarimihetsika, ordinatera, ary ny Internet. Nanampy antsika mba hanao mpianatra ireo rehetra ireo. Nampiasaintsika mba hamokarana Baiboly sy boky ara-baiboly amin’ny fiteny maro ny fananan’ireo firenena, anisan’izany ny fitaovana maoderina. Tanteraka àry ilay faminaniana hoe “hinono amin’ny firenena” ny vahoakan’i Jehovah.—Vakio ny Isaia 60:16.

17. a) Manaporofo inona ny zava-misy? b) Nahoana isika no avelan’i Jehovah ‘hiara-miasa’ aminy?

17 Hita fa tena mitahy antsika i Jehovah. Tsy mila ny fanampiantsika izy mba hanatanterahana ny fikasany. Avelan’ilay Raintsika be fitiavana any an-danitra ‘hiara-miasa’ aminy anefa isika. Amin’izay isika afaka mampiseho hoe tena tia azy sy tia ny mpiara-belona amintsika. (1 Kor. 3:9; Mar. 12:28-31) Aoka àry isika hanararaotra hitory momba ilay Fanjakana. Io no asa lehibe indrindra atao eto an-tany. Enga anie isika ka hampiseho ny fankasitrahantsika an’i Jehovah, noho izy mitarika sy mitahy ny fitoriana eran-tany.

^ feh. 1 Lasa nantsoina hoe Vavolombelon’i Jehovah ny Mpianatra ny Baiboly nanomboka tamin’ny 1931.—Isaia 43:10.