Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA (FIANARANA) FEBROARY 2015

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Inona no azo atao raha misy rahalahy sy anabavy tsy mahazaka ranomanitra?

Tsy mora ny manjo ny olona tsy mahazaka ranomanitra. Azo inoana fa mifandray amin’ny olona manao ranomanitra izy isan’andro ka tsy afa-manoatra. Nisy nanontany anefa raha azo angatahina mba tsy hanao ranomanitra ny rahalahy sy anabavy rehefa any am-pivoriana sy any amin’ny fivoriambe.

Azo antoka fa tsy tiantsika raha sahirana noho ny ataontsika ny olona sasany rehefa any am-pivoriana. Mila fampaherezana avy amin’ny fivoriana daholo isika. (Heb. 10:24, 25) Ahoana àry raha misy tena tsy mahazaka ranomanitra mihitsy ka lasa mijaly be rehefa mivory? Azony atao ny miresaka amin’ny anti-panahy. Marina fa tsy araka ny Soratra Masina sady tsy mety ny manao lalàna momba ny fampiasan’ny mpivory ranomanitra. Azon’ny anti-panahy atao anefa ny manome fanazavana ho an’ny fiangonana mba ho azon’izy ireo ny olana mahazo ny mpivory sasany. Mety hanapa-kevitra ny anti-panahy hoe horesahina amin’ny zavatra ilain’ny fiangonana mandritra ny Fivoriana Momba ny Fanompoana ny fanazavana navoakan’ny fandaminana mifandray amin’ilay izy. * Na azon’izy ireo atao ny manao fampandrenesana voalanjalanja tsara momba an’ilay izy. Tsy afaka manao fampandrenesana matetika momba izany anefa ny anti-panahy. Misy olona vaovao sy olona tonga mitsidika foana mantsy ao am-pivoriana ary tsy mahalala an’ilay olana izy ireny. Tsy tiantsika ho sadaikatra izy ireny. Tsy mety raha ataontsika tsy mahazo aina ny mpanatrika sasany noho izy manao ranomanitra araka ny antonony.

Afaka manapa-kevitra ny anti-panahy hoe homena toerana mitokana ao amin’ny Efitrano Fanjakana ny olona tsy mahazaka ranomanitra, raha azo atao. Ahoana raha nisy ezaka natao mba handaminana ilay olana nefa mbola misy mijaly be ihany? Azo raisina feo ny fivoriana ary omena an’ireny olona ireny, na azo ampitaina an-telefaonina any an-tranony toy ny atao amin’ny olona tsy afaka mivoaka ny trano.

Ampirisihina isika mba haneho fiheverana manokana an’ireo tsy mahazaka ranomanitra, mandritra ny fivoriamben’ny vondrom-paritra. Atao anaty trano tsy dia misy rivotra mifamezivezy mantsy indraindray ny fivoriambe. Tsy fitsipika raikitra natao harahina any amin’ny fivoriana anefa izany sady tsy tokony hoheverina ho toy izany.

Samy mizaka ny vokatry ny tsy fahalavorariana isika rehetra, raha mbola eto amin’ity tontolo ity. Tena ankasitrahantsika ny ezaka ataon’ny hafa mba hanamaivanana ny fijaliantsika. Mafy be amin’ny olona sasany angamba ny hoe tsy hanao ranomanitra mba hahafahan’ny hafa hivory. Mety handrisika antsika hanao izany anefa ny fitiavana.

 Misy porofo tsy ara-pivavahana ve manamarina fa tena nisy i Pontio Pilato?

Sila-bato misy ny anaran’i Pilato amin’ny teny latinina

Fantatry ny mpamaky Baiboly i Pilato satria anisan’ny nitsara sy nampamono an’i Jesosy. (Mat. 27:1, 2, 24-26) Hita imbetsaka ao amin’ny firaketana ara-tantara tamin’ny androny ny anarany. Milaza Ny Diksionera Vatofantsika Momba ny Baiboly (anglisy) fa “maro sy be tsipiriany kokoa noho ny an’ny governora romanina hafa tao Jodia” ny firesahana azy, ao amin’ny firaketana tsy ara-pivavahana.

Ny asa soratr’i Josèphe, Jiosy mpahay tantara, no tena ahitana imbetsaka ny anaran’i Pilato. Nisy zavatra telo noresahiny nifandray tamin’ny olana natrehin’i Pilato tamin’izy governoran’i Jodia. Nilaza zavatra iray momba azy koa i Philon, Jiosy mpahay tantara. I Tacite, mpanoratra ny tantaran’ny mpanjaka romanina, indray nanamafy fa nampamono an’i Jesosy i Pilato tamin’i Tiberio nanjaka.

Nahita sila-bato misy ny anaran’i Pilato amin’ny teny latinina ny mpikaroka tamin’ny 1961, rehefa niasa tao amin’ny toerana fanaovana teatra romanina tany Kaisaria, any Israely. Ampahan’ilay soratra sisa no eo amin’ilay vato. Heverina fa izao no soratra teo: “Notokanan’i Pontio Pilato, Mpiadidy An’i Jodia, ho an’ireo andriamanitra mendri-kaja (ity) Tiberieum (ity).” Tempoly natao hanomezam-boninahitra an’i Tiberio, mpanjaka romanina, angamba io trano io.

Mila misaron-doha ve ny anabavy raha mampianatra Baiboly ary misy lehilahy efa mpitory eo akaikikaiky eo?

Milaza ny “Fanontanian’ny Mpamaky” ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Jolay 2002 fa tokony hisaron-doha ny anabavy raha mampianatra Baiboly ary misy lehilahy efa mpitory eo akaikikaiky eo, na vita batisa ilay lehilahy na tsia. Nodinihina indray ny momba an’io ka misy fanitsiana ilaina hatao.

Tokony hisaron-doha ny anabavy mampianatra Baiboly raha vita batisa ny lehilahy miara-mampianatra aminy. Asehony amin’izany fa manaja ny fahefana napetrak’i Jehovah eo anivon’ny fiangonana izy. Manao ny andraikitry ny rahalahy mantsy izy rehefa mampianatra. (1 Kor. 11:5, 6, 10) Azony angatahina hitarika an’ilay fampianarana koa ilay rahalahy raha afaka sady mahavita tsara an’izany.

Raha ny Baiboly no jerena, dia tsy voatery hisaron-doha ny anabavy rehefa mampianatra miaraka amin’ny lehilahy mpitory tsy vita batisa, raha tsy vadiny izy io. Misaron-doha anefa ny anabavy sasany amin’ny toe-javatra toy izany, noho ny feon’ny fieritreretany.

^ feh. 4 Misy fanazavana momba ny tsy fahazakana zavatra sasany ao amin’ny Mifohaza! (frantsay) 8 Aogositra 2000, pejy 8-10.