Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tena Mankasitraka ny Fitahiana Raisinao ve Ianao?

Tena Mankasitraka ny Fitahiana Raisinao ve Ianao?

Tena Mankasitraka ny Fitahiana Raisinao ve Ianao?

NANAO fahagagana i Jehovah mba hanafahana ny zanak’Israely, tamin’izy ireo andevo tany Ejipta. Faly erỳ izy ireo tamin’ny voalohany, satria nanjary afaka nanompo an’i Jehovah. (Eks. 14:29–15:1, 20, 21) Niova anefa izy ireo, tsy ela taorian’izay. Nanomboka nitaraina momba ny toe-piainana nisy azy izy ireo. Nahoana? Tsy nifantoka intsony tamin’ny zavatra efa nataon’i Jehovah izy ireo, fa tamin’ny fiainana sarotra tany an-tany efitra. Hoy izy ireo tamin’i Mosesy: “Nahoana ianareo no nitondra anay niakatra avy tany Ejipta mba ho faty atỳ an-tany efitra? Fa tsy misy mofo na rano atỳ, ary efa maharikoriko anay itony mofo [mana] tsisy ilana azy itony.”—Nom. 21:5.

Tsy mba toy izany anefa i Davida Mpanjaka. Nihira toy izao izy, taonjato maro tatỳ aoriana: “Fa izaho kosa matoky ny hatsaram-panahinao feno fitiavana, hifaly amin’ny famonjenao anie ny foko! Hihira ho an’i Jehovah aho fa namaly soa ahy izy.” (Sal. 13:5, 6) Tsy nanadino ny hatsaram-panahy feno fitiavana nasehon’i Jehovah taminy i Davida. Nanokana fotoana tsy tapaka izy hisaintsainana momba izany. (Sal. 103:2) Nanao soa maro tamintsika koa i Jehovah, ka hendry isika raha tsy manamaivana azy ireny. Andeha isika handinika fitahiana vitsivitsy omen’Andriamanitra antsika ankehitriny.

‘Fifandraisana akaiky amin’i Jehovah’

Hoy ny mpanao salamo: “Izay matahotra an’i Jehovah no manana fifandraisana akaiky aminy.” (Sal. 25:14) Voninahitra lehibe tokoa ny hoe afaka mifandray akaiky amin’i Jehovah, na dia olombelona tsy lavorary aza isika! Ahoana anefa raha variana loatra amin’ny fiainana andavanandro isika, ka tsy manam-potoana firy hivavahana intsony? Hanao ahoana no hiafaran’ny fifandraisantsika amin’i Jehovah? Namantsika izy, ka manantena fa hatoky azy isika, ary hamboraka aminy ny ao am-pontsika. Anisan’izany ny tebitebintsika, ny faniriantsika, ary ny fanahiantsika. (Ohab. 3:5, 6; Fil. 4:6, 7) Tena ilaina àry ny mandinika hoe manao ahoana ny vavaka ataontsika.

Nandinika ny vavaka nataony i Paul, tanora Vavolombelon’i Jehovah, ka tsapany fa nila nanatsara izany izy. * Hoy izy: “Nanjary zatra nilaza zavatra nitovy foana aho, isaky ny nivavaka.” Nanao fikarohana tao amin’ny Fanondroana Bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah i Paul, ka hitany fa misy vavaka 180 eo ho eo ao amin’ny Baiboly. Namboraka an’izay tao am-pony lalina ny mpanompon’i Jehovah fahiny, tamin’ireny vavaka ireny. Hoy i Paul: ‘Nisaintsaina an’ireny ohatra ireny aho, ka miezaka hilaza zavatra voafaritra tsara rehefa mivavaka. Manampy ahy hamboraka ny ao am-poko amin’i Jehovah izany. Tena mahafinaritra ahy izao ny mivavaka.’

‘Sakafo amin’ny fotoana mety’

Fitahiana avy amin’i Jehovah koa ny fahamarinana ianarantsika avy ao amin’ny Baiboly. Tena tondraka ny sakafo ara-panahy mahavelona raisintsika, ka tokony ‘hihoby noho ny fifalian’ny fontsika’ isika. (Isaia 65:13, 14) Tsy maintsy mitandrina anefa isika amin’izay mety hahatonga antsika tsy hafana fo amin’ny fahamarinana. Mety ho simba, ohatra, ny fisainantsika, raha mihaino ny fampianaran’ny mpivadi-pinoana isika. Mety tsy ho tsapantsika intsony fa sarobidy ny “sakafo” ara-panahy “amin’ny fotoana mety” omen’i Jehovah amin’ny alalan’ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina.”—Mat. 24:45-47.

Voavilin’ny fampianaran’ny mpivadi-pinoana i André, izay nanompo an’i Jehovah an-taonany maro. Nihevitra izy fa tsy mampidi-doza ny mamaky vetivety fampianaran’ny mpivadi-pinoana ao amin’ny Internet. Hoy izy: “Liana aho tamin’ny voalohany hoe inona izany mba fahamarinana ampianarin’ny mpivadi-pinoana izany. Arakaraka ny nandinihako an’ilay izy anefa, dia nanjary nihevitra aho fa tsy diso aho raha miala amin’ny fandaminan’i Jehovah. Ary izany indrindra no nataoko. Nanao fikarohana anefa aho, tatỳ aoriana, mba hahitako raha marina ny fiampangan’ireo mpivadi-pinoana. Hitako fa tena fetsy ratsy ireny mpampianatra sandoka ireny. Milaza izy ireo hoe manana ‘porofo mavesa-danja’ hanoherana antsika. Tsy mifanaraka amin’ny tena zava-misy anefa ireny porofo ireny. Nanapa-kevitra ny hamaky indray ny boky sy gazetintsika àry aho, ary nanatrika fivoriana indray. Tsapako fa matiantoka be aho tany ivelan’ny fandaminana.” Soa ihany fa niverina teo anivon’ny fiangonana i André.

“Ny rahalahy rehetra ao amin’ny finoana”

Fitahiana avy amin’i Jehovah koa ny rahalahy rehetra. Be fitiavana izy ireo sady miray saina. (Sal. 133:1) Ara-dalàna raha nanoratra ny apostoly Petera hoe: “Tiavo ny rahalahy rehetra ao amin’ny finoana.” (1 Pet. 2:17) Mandray soa isika, satria tsara fanahy sy manohana antsika ireo mpiray finoana amintsika. Toy ny raintsika izy ireo, na toy ny renintsika, na rahalahintsika, na anabavintsika.—Mar. 10:29, 30.

Mety hisy disadisa anefa eo amintsika sy ny mpiray finoana amintsika, noho ny antony samihafa. Mety hahita ny kileman-toetran’ny Kristianina iray, ohatra, isika ka ho sosotra, ary ho lasa tia manakiana azy. Inona no tokony hataontsika? Tsara ny mitadidy fa tia ny mpanompony i Jehovah, na dia manana kileman-toetra aza izy ireo. Na isika koa aza tsy lavorary. Raha mihevitra isika hoe ‘tsy manana ota, dia mamita-tena sady tsy ao amintsika ny fahamarinana.’ (1 Jaona 1:8) Tsy tokony hiezaka àry ve isika ‘hifampizaka sy hifamela heloka tanteraka’?—Kol. 3:13.

Efa voa ny tanora iray atao hoe Anna, vao nahatsapa fa sarobidy ny fifaneraserana kristianina. Nanao toa an’ilay zanaka adala tao amin’ny fanoharan’i Jesosy izy, ka niala tamin’ny fiangonana. Tonga saina izy tatỳ aoriana, ka niverina tao amin’ny fahamarinana. (Lioka 15:11-24) Inona no lesona noraisiny? Hoy izy: “Lasa sarobidy amiko izao ny anadahy sy rahavavy rehetra, na dia manana kileman-toetra aza izy ireo. Tia nanakiana azy ireo aho taloha. Tsapako anefa izao fa tena tsara ny miaraka amin’ny mpiray finoana, ary tsy misy atakaloko an’izany. Tsy misy zavatra tsara noho ny paradisa ara-panahy misy antsika, any amin’izao tontolo izao.”

Ankasitraho foana ny fitahiana raisinao

Tena sarobidy ny fanantenantsika hoe ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no hahavita hamaha ny olana rehetra mahazo ny olombelona. Velom-pankasitrahana erỳ isika rehefa nahalala izany. Nitovy tamin’ny an’ilay mpivaro-mandeha ao amin’ny fanoharan’i Jesosy ny fihetseham-pontsika. ‘Nivarotra an’izay rehetra nananany’ izy io, mba hahafahany hividy an’ilay ‘perla sarobidy.’ (Mat. 13:45, 46) Tsy nilaza anefa i Jesosy hoe niova ny fihetseham-pon’ilay mpivarotra rehefa nandeha ny fotoana. Sarobidy taminy foana ilay perla. Aoka koa àry isika hankasitraka foana an’ilay fanantenana kanto ananantsika.—1 Tes. 5:8; Heb. 6:19.

Diniho ny tenin’i Jeanne, izay efa nanompo an’i Jehovah nandritra ny 60 taona mahery. Hoy izy: “Nanampy ahy hieritreritra foana momba ny Fanjakan’Andriamanitra ny firesahana azy io tamin’ny hafa. Rehefa hitako hoe faly ilay olona mahafantatra ny atao hoe Fanjakan’Andriamanitra, dia faly koa aho. Manatsara ny fiainan’ny olona mianatra Baiboly koa ny fahalalana ny fahamarinana momba ilay Fanjakana, ka tsapako fa sarobidy tokoa ny fahamarinana ampianariko ny hafa!”

Manana antony marim-pototra tokoa isika, tokony hankasitrahana an’ireo fitahiana maro raisintsika. Marina fa iharan’ny fitsapana maro isika, toy ny fanoherana, aretina, fahanterana, hakiviana, alahelo noho ny fahafatesan’ny namana na havana, ary fahasahiranana ara-bola. Fantatsika anefa fa tsy haharitra izy ireny. Mbola handray fitahiana maro hafa isika, rehefa hitondra ny tany ny Fanjakan’Andriamanitra. Hofoanana ny fijaliana rehetra mahazo antsika, ao amin’ny tontolo vaovao.—Apok. 21:4.

Mandra-pahatongan’izany, dia enga anie isika tsy hanamaivana mihitsy ny fitahiana ananantsika, fa haneho fankasitrahana toa an’ilay mpanao salamo. Hoy izy: “Maro ny zavatra nataonao, Jehovah Andriamanitro ô, eny, maro ny asanao mahatalanjona sy ny fikasanao momba anay. Tsy misy azo ampitahaina aminao. Raha te hilaza sy hiresaka momba izany aho, dia maro loatra ireny ka tsy ho voatanisako.”—Sal. 40:5.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 6 Novana ireo anarana.

[Sary, pejy 18]

Mahazo fampaherezana sy fanampiana ara-panahy isika ao anatin’ny fotoan-tsarotra