Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ry Tanora, Aza Manaiky Hotaomina Haditra

Ry Tanora, Aza Manaiky Hotaomina Haditra

Ry Tanora, Aza Manaiky Hotaomina Haditra

“Aoka ho teny ... mamy sira foana no holazainareo, mba ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona tsirairay.”—KOL. 4:6.

1, 2. Inona no tsapan’ny tanora maro, rehefa miavaka amin’ny ankizy hafa izy? Inona no mahatonga izany?

EFA notaomin’ny namanao haditra ve ianao? Mety ho nampirisika anao angamba izy ireo mba hanao zavatra efa fantatrao fa ratsy. Inona no tsapanao rehefa misy zavatra hoatr’izany mitranga? Hoy i Njaka, 14 taona: “Te hitsoaka aho, na te hanao hoatran’ny mpiara-mianatra amiko. Amin’izay aho tsy miavaka be amin-dry zareo.”

2 Misy vokany be aminao ve ny ataon’ny namanao? Fa nahoana? Angamba te ho tian’izy ireo ianao, sa tsy izany? Tsy voatery ho ratsy izany. Na ny olon-dehibe koa aza te ho tian’ny olon-dehibe hafa. Tsy misy olona maniry hailikiliky ny hafa, na ankizy izy na olon-dehibe. Na izany aza, dia tsy ny olona rehetra no ho faly, rehefa manao ny tsara ianao. Tsy ny olona rehetra, ohatra, no faly tamin’i Jesosy. Na izany aza, dia nanao ny tsara foana izy. Lasa mpanara-dia azy ny olona sasany. Nanao tsinontsinona sy ‘nanamavo’ an’io Zanak’Andriamanitra io kosa ny hafa.—Isaia 53:3.

Mahery ny fitaoman’ny namana

3. Nahoana no tsy mety ny manaiky hotaomin’ny ankizy hanao izay tiany?

3 Mety ho te hanaraka ny ataon’ny ankizy hafa ianao, satria fotsiny hoe tsy te hailikilik’izy ireo. Tsy mety anefa izany. Tsy tokony ho “zaza intsony” ny Kristianina “ka hatopatopan’ny onja.” (Efes. 4:14) Mora taomina ny zaza. Efa tsy zaza intsony anefa ianao izao, fa efa mihalehibe. Tokony hanaraka ny fitsipik’i Jehovah àry ianao, raha mino hoe natao hahasoa anao izy ireny. (Deot. 10:12, 13) Raha manaiky hotaomin’ny ankizy fotsiny kosa ianao, dia toy ny hoe izy ireo no avelanao hitondra ny fiainanao. Manaiky ataon’ny ankizy kilalao ianao, raha manaiky ampanaoviny izay tiany.—Vakio ny 2 Petera 2:19.

4, 5. a) Inona no nataon’i Arona rehefa nitaona azy hanao ratsy ny Israelita namany? Inona no ianaranao avy amin’izany? b) Inona avy no mety hataon’ny ankizy mba hitaomana anao haditra?

4 Voataonan’ny Israelita hanao ratsy i Arona, rahalahin’i Mosesy, indray mandeha. Nanaiky izy rehefa nampirisihin’izy ireo hanamboatra sampy. Tsy lehilahy saro-tahotra anefa i Arona. Efa nanampy an’i Mosesy hiatrika an’i Farao, lehilahy nahery indrindra tany Ejipta, izy, ary sahy nanambara ny hafatr’Andriamanitra tamin’izy io. Rehefa noteren’ny Israelita namany hanao ratsy anefa i Arona, dia nanaiky. Mafy tokoa ny fitaoman’ny namana! Vitan’i Arona ny nifanatrika tamin’ny mpanjakan’i Ejipta, fa tsy vitany ny nanohitra ny namany.—Eks. 7:1, 2; 32:1-4.

5 Hitantsika amin’izany fa tsy ny tanora ihany no mety ho voataona hanao ratsy. Hitantsika koa fa tsy ny olona efa maniry hanao ratsy ihany no mety ho voataona. Mety ho voataona koa na dia ny olona tena maniry hanao ny tsara aza, anisan’izany ianao. Mety hoendrikendrehin’ny ankizy ianao, na hesoiny, na holazainy hoe kanosa, mba hahatonga anao hanao ratsy. Na ahoana na ahoana fomba itaoman’izy ireo anao, dia tsy mora ny miatrika an’ilay izy. Raha te hahatohitra azy ireo ianao, dia mila miezaka aloha ianao mba ho resy lahatra tsara hoe tena marina ny zavatra inoanao.

‘Zahao toetra foana ny tenanao’

6, 7. a) Nahoana ianao no tena tokony ho resy lahatra ny amin’ny zavatra inoanao? Inona no afaka manampy anao amin’izany? b) Inona avy no fanontaniana azonao saintsainina, mba hanatanjahana ny finoanao?

6 Raha tianao ny hahatohitra ny namanao, dia mila miezaka aloha ianao mba ho resy lahatra tsara hoe marina ny zavatra inoanao sy ny fitsipika arahinao. (Vakio ny 2 Korintianina 13:5.) Rehefa resy lahatra mantsy ianao, dia ho sahy hijoro amin’izay inoanao, na dia saro-kenatra aza. (2 Tim. 1:7, 8) Raha tsy resy lahatra kosa ianao, dia tsy hahavita izany, na dia sahisahy aza. Koa nahoana àry raha mikaroka porofo mampiseho fa tena marina ny zavatra nampianarina anao avy ao amin’ny Baiboly? Atombohy amin’ireo fampianarana fototra izany. Mino, ohatra, ianao hoe misy Andriamanitra, ary azo inoana fa efa nandre olona nanazava ianao hoe inona no antony inoany ny fisian’Andriamanitra. Mieritrereta àry toy izao: ‘Nahoana aho no resy lahatra hoe misy Andriamanitra?’ Tsy natao mba hahatonga anao hisalasala izany, fa natao kosa mba hanatanjahana ny finoanao. Afaka manontany tena koa ianao hoe: ‘Ahoana no ahafantarako fa avy amin’ny fanahy masin’Andriamanitra ny Soratra Masina?’ (2 Tim. 3:16) ‘Nahoana aho no mino hoe “andro farany” izao iainantsika izao?’ (2 Tim. 3:1-5) ‘Nahoana aho no mino hoe natao hahasoa ahy ny fitsipik’i Jehovah?’—Isaia 48:17, 18.

7 Mety ho tsy te hieritreritra fanontaniana toy izany angamba ianao, satria matahotra ny tsy hahita havaly. Raha tsy manao izany anefa ianao, dia toy ny olona iray tsy mety mijery ny habetsahan’ny solika ao anaty fiarany, satria matahotra hoe sao dia efa lany ilay izy! Mila fantarinao anefa raha lany ilay solika, mba hahafahanao manao zavatra. Toy izany koa fa ilainao ny mahafantatra raha malemy ny finoanao, mba hahafahanao manao zavatra hanatanjahana azy io.—Asa. 17:11.

8. Inona no azonao atao mba hahatonga anao ho resy lahatra hoe fahendrena ny tsy mijangajanga?

8 Handinika ohatra iray isika. Milaza ny Baiboly hoe: “Andosiro ny fijangajangana.” Saintsaino hoe: ‘Nahoana no fahendrena ny manaraka izany didy izany?’ Eritrereto hoe inona avy no mahatonga ny ankizy hijangajanga. Diniho koa hoe nahoana ny olona mijangajanga no lazaina fa “manota amin’ny vatany ihany.” (1 Kor. 6:18) Saintsaino ny valin’ireo, ary mieritrereta toy izao: ‘Inona no fitondran-tena mahasoa tokony harahiko? Tena tsara tokoa ve ny mijangajanga?’ Afaka manontany tena koa ianao avy eo hoe: ‘Hanao ahoana ny fihetseham-poko raha mijangajanga aho?’ Marina fa mety ho lasa tian’ny namanao ianao. Tsy hanenjika anao ve anefa ny eritreritrao, rehefa miaraka amin’ny ray aman-dreninao ianao, na miaraka amin’ny mpiara-manompo any amin’ny Efitrano Fanjakana? Inona no ho tsapanao amin’izay fotoana izay, raha manandrana mivavaka amin’Andriamanitra ianao? Aleonao ve tsy mankatò an’Andriamanitra, mba hampifaliana fotsiny ny namanao?

9, 10. Inona no soa ho azonao rehefa matoky ianao hoe marina ny zavatra inoanao?

9 Mitombo be ny ‘sainao’ izao, satria mihalehibe ianao. (Vakio ny Romanina 12:1, 2.) Ampiasao izany mba hieritreretana tsara hoe nahoana no zava-dehibe aminao ny hoe Vavolombelon’i Jehovah. Hatoky kokoa ny zavatra inoanao ianao amin’izay. Ho vitanao koa ny hamaly avy hatrany rehefa taomin’ny ankizy haditra, sady hatoky tena ianao rehefa mamaly azy ireo. Ho tahaka an’ity ankizivavy kristianina ity ianao, izay nilaza hoe: “Rehefa misy mitaona ahy haditra, dia ampahafantariko azy ireo fa Vavolombelon’i Jehovah aho. Tena zava-dehibe amiko ny fivavahako, ary misy heriny eo amin’ny fomba fisainako, ny tanjoko, ny fitondran-tenako, ary ny fiainako manontolo.”

10 Mila miezaka tokoa ianao vao ho afaka hijoro amin’izay fantatrao hoe tsara. (Lioka 13:24) Mety hieritreritra anefa ianao hoe hahasoa ahy ve izany ezaka ataoko izany. Tadidio izao: Tonga dia fantatry ny olona raha vao menamenatra ianao na tsy sahy mijoro amin’ny hevitrao, ka mety ho vao mainka hataony izay hitaomana anao. Raha hitany amin’ny teninao anefa hoe tsy hiova hevitra ianao, dia ianao indray no ho gaga fa vetivety izy ireo dia tsy handrebireby anao intsony.—Ampitahao amin’ny Lioka 4:12, 13.

‘Mieritrereta vao mamaly’

11. Inona no soa horaisinao raha miomana hiatrika an’ireo namanao ianao?

11 Tena ilaina koa ny miomana, mba hanoherana ny fitaoman’ny namana. (Vakio ny Ohabolana 15:28.) Midika izany hoe mila eritreretinao mialoha izay mety hitranga. Hisoroka olana lehibe ianao raha mieritreritra kely fotsiny. Aoka hatao hoe handalo eo amin’ny mpiara-mianatra aminao maromaro ianao, ary mifoka sigara ry zareo. Mieritrereta avy hatrany hoe: ‘Sao dia mba hasainy hifoka koa aho?’ Inona no azonao atao, satria efa fantatrao mialoha ny olana mety hanjo anao? Hoy ny Ohabolana 22:3: “Malina izay mahatsinjo ny loza ka miafina.” Afaka miala an’ilay olana ianao raha mivily lalana. Hendry ianao raha manao izany, fa tsy hoe saro-tahotra akory.

12. Inona no azonao atao raha maneso anao ny mpiara-mianatra aminao?

12 Ahoana indray anefa raha tsy afa-miala ianao? Ohatra hoe misy mpiara-mianatra aminao tsy mino hoe mbola tsy nanao firaisana ianao, ka maneso hoe: “Ianao ve dia mbola tsy nanao firaisana?” Tena hanampy anao ny fampiharana ny Kolosianina 4:6 hoe: “Aoka ho teny mahafinaritra sady mamy sira foana no holazainareo, mba ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona tsirairay.” Hitantsika eo fa tokony hiankina amin’ny zava-mitranga ny valin-teny omentsika. Tsy voatery hanazava be izay lazain’ny Baiboly ianao. Valin-teny tsotra nefa hentitra dia mety ho ampy. Afaka mamaly fotsiny, ohatra, ianao hoe: “Ie!”, na hoe: “Fiainako izany.”

13. Nahoana no ilaina ny mahay manavaka, rehefa misy ankizy maneso anao?

13 Valin-teny fohy no nomen’i Jesosy matetika, rehefa hitany hoe tsy hampiova zavatra firy ny fanomezana fanazavana bebe kokoa. Tsy namaly mihitsy aza izy, indray mandeha, rehefa nanontanian’i Heroda. (Lioka 23:8, 9) Aleo koa mangina indraindray, rehefa misy fanontaniana manafintohina. (Ohab. 26:4; Mpito. 3:1, 7) Mety ho hitanao anefa hoe tso-po ilay olona, na dia nanevateva anao aza tamin’ny voalohany. Mety ho gaga izy mahita ny fitondran-tena tsara anananao. (1 Pet. 4:4) Raha izany no izy, dia azo omena fanazavana bebe kokoa avy ao amin’ny Baiboly ilay olona. Aza matahotra manao izany. Aoka ianao ho ‘vonona hilaza ny fiarovan-tenanao.’—1 Pet. 3:15.

14. Inona no azonao atao mba hampisaintsainana ny namanao nefa tsy hampahatezitra azy?

14 Mety ho afaka mampisaintsaina an’ilay ankizy koa ianao indraindray. Na izany aza anefa, dia mila mitandrina ianao mba tsy hampahatezitra azy. Ahoana raha omen’ny ankizy sigara ianao ary asainy mifoka? Afaka milaza ianao hoe: “An an an! Misaotra.” Afaka milaza koa ianao avy eo hoe: “Mba ankizy misaina ihany ve ianareo dia mifoka?” Tsy hitanao ve hoe mampisaintsaina izany? Tsy manazava ianao hoe nahoana ianao no tsy mifoka, fa mampirisika azy kosa hieritreritra hoe nahoana izy no mifoka. *

15. Rahoviana ianao no tokony hiala fotsiny, ary nahoana?

15 Ahoana anefa raha mbola manery anao ihany ilay ankizy? Aleo fotsiny miala. Mety hilefitra ianao raha mbola mijanonjanona eo, ka aleo mandeha. Tsy hoe resy akory ianao raha mandeha. Nahatohitra azy ireo ianao, fa tsy nanaiky hataony kilalao sy hampanaoviny izay tiany. Hampifaly ny fon’i Jehovah koa ianao amin’izay.—Ohab. 27:11.

Mahaiza ‘mandamina mialoha’

16. Ahoana no ataon’ny tanora sasany eo anivon’ny fiangonana, mba hitaomana ny hafa haditra?

16 Ankizy milaza ho mpanompon’i Jehovah mihitsy indraindray no mitaona ny hafa haditra. Eritrereto hoe misy ankizy toy izany manasa anao hamonjy fiaraha-mikorana. Rehefa tonga any anefa ianao, dia hitanao fa tsy misy olon-dehibe manara-maso ao. Na hitanao fa misy tanora mitondra zava-pisotro misy alkaola, nefa tsy ampy taona daholo ny ankizy ao. Ahoana no hataonao? Mila manaraka ny feon’ny fieritreretanao voaofan’ny Baiboly ianao amin’ny toe-javatra toy izany. Nitantara ny ankizivavy kristianina iray hoe: “Nijery filma niaraka tamin’ny ankizy maromaro izaho sy ny zandriko vavy indray mandeha. Feno teny ratsy anefa ilay izy, ka nivoaka izahay mirahavavy. Ny hafa kosa nijanona. Faly be i Dada sy Neny hoe niala tao izahay. Tezitra anefa ny ankizy hafa, satria nihevitra izy ireo hoe manala baraka azy izahay.”

17. Inona no azonao atao, raha tianao ny hankatò foana ny fitsipik’Andriamanitra?

17 Hitantsika amin’ny tenin’io ankizivavy io, fa mety hiatrika toe-javatra mahasanganehana ianao, rehefa mankatò ny feon’ny fieritreretanao voaofan’ny Baiboly. Na izany aza, dia aoka ianao ho sahy hijoro amin’izay fantatrao fa mety. Miomàna mialoha. Raha handeha ho any amin’ny fiaraha-mikorana ianao, dia eritrereto mialoha hoe ahoana no azonao ialana ao, raha misy zavatra hafahafa mitranga. Misy tanora sasany, ohatra, mifanaraka amin’ny ray aman-dreniny hoe raha vao miantso amin’ny telefaonina izy, dia tokony ho tonga ny ray aman-dreniny haka azy. (Sal. 26:4, 5) “Ahazoan-tombony ny fandaminana mialoha” toy izany.—Ohab. 21:5.

‘Mifalia dieny mbola tanora ianao’

18, 19. a) Nahoana ianao no matoky fa tena tian’i Jehovah ho sambatra ianao? b) Inona no soa ho azon’ireo tsy manaiky hotaomina haditra?

18 Nataon’i Jehovah hifaly amin’ny fiainana ianao, ary tiany ho sambatra. (Vakio ny Mpitoriteny 11:9.) Tsarovy fa ‘mifaly vetivety amin’ny fahotana’ ny ankamaroan’ny tanora. (Heb. 11:25) Tsy zavatra mihelina toy izany anefa no irin’Andriamanitra ho anao. Tiany ho sambatra mandrakizay ianao. Rehefa alaim-panahy hanao zavatra fantatrao hoe tsy tian’Andriamanitra àry ianao, dia tadidio fa izay asain’i Jehovah ataonao ihany no tena hahasoa anao rahatrizay.

19 Tadidio fa na dia mety ho lasa tia anao aza ny namanao, dia tsy hahatadidy ny anaranao akory ny maro aminy, any aoriana any. Ho voamarik’i Jehovah kosa ny ezaka ataonao, raha tsy manaiky haditra ianao. Tsy hanadino anao sy ny tsy fivadihanao mihitsy izy. ‘Hovohany ho anao ny vavahadin-dranon’ny lanitra, ary handrotsaka fitahiana be dia be ho anao izy, mihoatra noho izay ilainao aza.’ (Mal. 3:10) Ankoatra izany, dia omeny fanahy masina be dia be ianao, mba hanampy anao rehefa mitady tsy hahatohitra ny namanao ianao. Afaka manampy anao handresy ny fitaoman’ny namana tokoa i Jehovah!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 14 Jereo ilay tabilao eo ambanin’ny lohateny hoe “Inona no Hatao Raha Taomin’ny Ankizy Haditra?”, ao amin’ny boky Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Faha-2, pejy 132 sy 133.

Tadidinao Ve?

• Nahoana no lazaina fa tena mahery ny fitaoman’ny namana?

• Nahoana isika no mila resy lahatra hoe marina ny zavatra inoantsika, raha tiantsika ny hahatohitra ny fitaoman’ny namana?

• Inona no fiomanana azonao atao mba hiatrehanao ny fitaoman’ny namana?

• Ahoana no ahafantaranao fa zava-dehibe amin’i Jehovah ny tsy fivadihanao?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 8]

Nahoana i Arona no nanaiky hanamboatra zanak’omby volamena?

[Sary, pejy 10]

Omano mialoha izay holazainao