Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Manaraka Azy ny Zavatra Nataony’

‘Manaraka Azy ny Zavatra Nataony’

‘Manaraka Azy ny Zavatra Nataony’

NAHAVITA ny fanompoany teto an-tany teo amin’ny faha-84 taonany i Theodore Jaracz, tamin’ny alarobia 9 Jona 2010 maraina. Anisan’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy. Mbola velona i Melita vadiny, ary nivady nandritra ny 53 taona izy ireo. Mbola eo koa ny zokiny vavy iray sy ny zanak’izy io telo mianadahy, ka vavy ny roa ary lahy ny iray.

Teraka tany Pike County, any Etazonia, ny Rahalahy Jaracz, tamin’ny 28 Septambra 1925. Natao batisa izy tamin’ny 10 Aogositra 1941, tamin’izy 15 taona. Nanao ny asan’ny mpisava lalana maharitra izy, roa taona taorian’izay, tamin’izy 17 taona. Efa ho 67 taona àry no nanompoany manontolo andro.

Nanatrika ny kilasy fahafito tamin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada izy, tamin’ny 1946, tamin’izy 20 taona. Voatendry ho mpiandraikitra mpitety faritany tany Cleveland, any Ohio, faritra iray any Etazonia izy, rehefa vita ilay sekoly. Voatendry ho mpikarakara ny sampana tany Aostralia izy, tamin’ny 1951. Milaza ny Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 1983 fa “tena nampahery an’ireo Vavolombelona nanerana an’i Aostralia ny zotom-pony tamin’ny fandaminana ny asantsika. Teo koa ny ohatra tsara nomeny tamin’ny fanompoana teny amin’ny saha.”

Niverina tany Etazonia izy tatỳ aoriana, ary nanambady an’i Melita Lasko tamin’ny 10 Desambra 1956. Nanao ny asa fitetezam-paritany avy hatrany izy ireo taorian’ny mariaziny, ary tena be zotom-po tokoa. Mpiandraikitra ny faritra sy mpiandraikitra ny vondrom-paritra nanerana ny faritra maro tany Etazonia ny Rahalahy Jaracz tamin’izany. Lasa anisan’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy, tamin’ny faramparan’ny taona 1974.

Mpanompon’i Jehovah be zotom-po sy tsy nivadika, no ahatsiarovana ny Rahalahy Jaracz ary nanompo tamin’ny fony manontolo. Tena tia sy niahy ny vadiny izy, ary olona araka ny fanahy. Nihevitra izay hahasoa ny hafa aloha izy, vao ny an’ny tenany. (1 Kor. 13:4, 5) Hita izany rehefa nifandray tamin’ny olona izy. Tena niahy sy tia olona izy, ka zava-dehibe taminy ny fanaovana ny rariny sy ny famindram-po. Izany koa no nahatonga azy hazoto amin’ny fanompoana.

Nazoto niasa ny Rahalahy Jaracz, ary tena tian’ny mpianakavin’ny Betela sy ny rahalahy maneran-tany. Malahelo mafy isika, satria tsy eo intsony izy, kanefa faly koa isika noho izy tsy nivadika nandritra ireo am-polony taona maro nanompoany an’i Jehovah. ‘Tsy nivadika mandra-pahafatiny’ izy, ka matoky isika fa nahazo ny “satroboninahitry ny fiainana” izy. (Apok. 2:10) Azontsika antoka koa fa ‘manaraka azy ny zavatra nataony.’—Apok. 14:13.