Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Mijanòna, fa ho Hitanareo ny Famonjen’i Jehovah”

“Mijanòna, fa ho Hitanareo ny Famonjen’i Jehovah”

“Mijanòna, fa ho Hitanareo ny Famonjen’i Jehovah”

“Jehovah no miandany amiko, ka tsy hatahotra aho. Inona no azon’ny olona atao amiko?”—SALAMO 118:6.

1. Inona no loza hihatra amin’ny olombelona?

HISY loza mbola tsy nisy toy izany, hitranga amin’ny androntsika. Naminany momba izany i Jesosy, ary nampitandrina ny mpanara-dia azy hoe: “Hisy fahoriana lehibe izay mbola tsy nisy toa azy hatramin’ny niandohan’izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy intsony. Raha tsy nohafohezina tokoa mantsy izany andro izany, dia tsy hisy nofo hovonjena, fa noho ny olom-boafidy, dia hohafohezina izany andro izany.”—Matio 24:21, 22.

2. Nahoana no mbola tsy manomboka ny fahoriana lehibe?

2 Misy anjely misakana an’io fahoriana lehibe io ankehitriny, saingy tsy hitan’ny olona. Nahazo tombontsoa ny apostoly Jaona satria nahalala ny antony nisakanana azy io, araka ny fahitana nomen’i Jesosy. Hoy i Jaona, izay efa be taona: “Hitako fa nisy anjely efatra nijoro teo amin’ny vazan-tany efatra. Nihazona mafy ny rivotra efatry ny tany izy ireo ... Ary hitako fa nisy anjely iray hafa koa niakatra avy tany amin’ny fiposahan’ny masoandro, nanana tombo-kasen’ilay Andriamanitra velona. Ary niantsoantso mafy tamin’ireo anjely efatra ... izy, nanao hoe: ‘Aza manimba ny tany na ny ranomasina na ny hazo, mandra-panisinay tombo-kase eo amin’ny handrin’ny mpanompon’Andriamanitsika.’ ”—Apokalypsy 7:1-3.

3. Inona no hitranga voalohany rehefa hanomboka ny fahoriana lehibe?

3 Efa ho vita ny fanisiana tombo-kase ny voahosotra “mpanompon’Andriamanitsika.” Efa havotsotr’ireo anjely àry ny rivotry ny fandringanana. Inona no hitranga voalohany aorian’izay? Hoy ny anjely iray momba izany: ‘Hatsipy mafy i Babylona, ilay tanàna lehibe, ka tsy ho hita intsony.’ (Apokalypsy 18:21) Horavana àry ny fivavahan-diso rehetra. Hisy fifaliana be any an-danitra amin’izay!—Apokalypsy 19:1, 2.

4. Inona avy ireo fisehoan-javatra lehibe hitranga?

4 Hiray saina hanohitra ny vahoakan’i Jehovah ny firenena rehetra eran-tany. Hahavita hamongotra ny Kristianina mahatoky ve izy ireo? Hoatran’ny hoe ho vitany izany. Amin’izay indrindra anefa i Kristy Jesosy sy ny tafika any an-danitra no handringana ny tafika eto an-tany! (Apokalypsy 19:19-21) Farany dia halefa any amin’ny lavaka mangitsokitsoka ny Devoly sy ny anjeliny. Hogadraina arivo taona izy ireo, ka tsy ho afaka hamitaka ny olona. Ho maivamaivana erỳ ny vahoaka be tafavoaka velona!—Apokalypsy 7:9, 10, 14; 20:1-3.

5. Inona no fifaliana miandry an’ireo tsy mivadika amin’i Jehovah?

5 Ho hitantsika tsy ho ela ireo fisehoan-javatra lehibe sy mahatalanjona ireo. Mifandray amin’ny fanamarinana ny zon’i Jehovah hitondra avokoa izy ireo. Tadidio àry fa ho afaka handray anjara amin’ny fanamasinana ny anaran’i Jehovah sy ny fanatanterahana ny fikasany isika, raha tsy mivadika aminy sy manohana hatrany ny zony hitondra. Hahafaly tokoa izany!

6. Inona no hodinihintsika mba hampahery antsika?

6 Vonona hiatrika an’ireo fisehoan-javatra ireo ve ianao? Matoky ve ianao fa mahavonjy antsika ny herin’i Jehovah? Mino ve ianao fa hanavotra antsika izy, amin’ny fotoana mety indrindra sy amin’ny fomba tsara indrindra? Tadidio ny tenin’ny apostoly Paoly tamin’ny Kristianina tany Roma. Hoy izy: “Izay rehetra voasoratra taloha dia nosoratana ho fianarantsika, mba hananantsika fanantenana amin’ny alalan’ny fiaretantsika sy ny fampiononana avy ao amin’ny Soratra Masina.” (Romanina 15:4) Anisan’ny nosoratana ho fianarantsika mba hananantsika fanantenana sy fampiononana, ny namonjen’i Jehovah ny Israelita tamin’ny fampahorian’ny Ejipsianina. Hodinihintsika io tantara mampientam-po io, sy ny fomba nanovan’i Jehovah ny toe-javatra mba hamonjena ny zanak’Israely. Tokony hampahery antsika izany, eo am-piandrasana ny fahoriana lehibe efa akaiky.

Manafaka ny olony i Jehovah

7. Inona no zava-tsarotra nisy tany Ejipta, tamin’ny 1513 T.K.?

7 Taona 1513 T.K. tamin’izay, ary efa nandefa loza sivy tamin’ny Ejipsianina i Jehovah. Nandroaka an’i Mosesy i Farao taorian’ny loza fahasivy, ka nanao hoe: “Mialà amiko; koa mitandrema, fa aoka tsy hahita ny tavako intsony hianao; fa amin’izay andro hahitanao ny tavako dia ho faty hianao.” Namaly i Mosesy hoe: “Marina izay nolazainao; fa tsy hahita ny tavanao intsony aho.”—Eksodosy 10:28, 29.

8. Inona no nasaina nataon’ny Israelita mba hiarovana ny ain’izy ireo, ary inona no vokany?

8 Nilaza tamin’i Mosesy i Jehovah taorian’izay, fa handefa loza farany amin’i Farao sy ny Ejipsianina rehetra. Ho faty àry ny lahimatoan’i Ejipta rehetra, na olona na biby, ny 14 Abiba (Nisana). Tsy haninona kosa ny Israelita, raha manaraka tsara ny toromarika nomen’Andriamanitra an’i Mosesy. Tsy maintsy mamono zanak’ondry izy ireo, ka manosotra ny ran’izy io amin’ny tolàna sy ny tataom-baravarana, ary tsy mivoaboaka ny trano mihitsy. Inona no nitranga tamin’io alina io? Aleo i Mosesy no hitantara amintsika. Hoy izy: “Nony namatonalina Jehovah namono ny lahimatoa rehetra tany amin’ny tany Egypta.” Teo no ho eo ihany i Farao dia nampiantso an’i Mosesy sy Arona, ka nanao hoe: “Mitsangàna, mialà eto amin’ny vahoakako ..., ary mandehana ka manompoa an’i Jehovah araka ny nolazainareo.” Dia lasa tokoa ny Israelita. Telo tapitrisa teo ho eo izy ireo, niaraka tamin’ny “olona maro samy hafa firenena” izay tsy fantatra ny isany.—Eksodosy 12:1-7, 29, 31, 37, 38.

9. Taiza ny lalana nitondran’Andriamanitra ny Israely avy tany Ejipta, ary nahoana?

9 Ny lalana manamorona ny Ranomasina Mediterane no akaiky indrindra ho an’ny Israelita. Faritanin’ny Filistinina fahavalon’izy ireo anefa ilay izy. Azo inoana fa tsy tian’i Jehovah hiady ny olony, ka nentiny tany an-tany efitra, akaikin’ny Ranomasina Mena. Vahoaka an-tapitrisany no niara-nandeha, nefa nilamina tsara. Hoy ny Baiboly: “Voaomana hiady ny fiakatry ny Zanak’Isiraely avy tany amin’ny tany Egypta.”—Eksodosy 13:17, 18.

“Ho hitanareo ny famonjen’i Jehovah”

10. Nahoana no nasain’Andriamanitra nitoby teo akaikin’i Pi-hahirota ny Israely?

10 Tsy nampoizina ny baikon’i Jehovah taorian’izay. Hoy izy tamin’i Mosesy: ‘Ilazao ny Zanak’Israely mba hivily ka hitoby eo akaikin’i Pi-hahirota, eo anelanelan’i Migdola sy ny ranomasina; eo akaikin’i Bala-zefona.’ Nankatò ny Israelita, ka tonga teo anoloan’ny Ranomasina Mena. Tendrombohitra no teo aoriany, ka toa tapi-dalan-kaleha izy ireo. Misy antony anefa matoa izany no nasain’i Jehovah natao. Hoy izy tamin’i Mosesy: “Hanamafy ny fon’i Farao Aho, ka hanenjika anareo izy; dia hankalazaina Aho noho ny hataoko amin’i Farao sy amin’ny miaramilany rehetra, ka ho fantatry ny Egyptiana fa Izaho no Jehovah.”—Eksodosy 14:1-4.

11. a) Inona no nataon’i Farao, ary nanao ahoana ny Israelita? b) Inona no navalin’i Mosesy rehefa nitaraina ny Israelita?

11 Nanenina i Farao namela ny Israelita hiala tao Ejipta, ka lasa nanenjika azy ireo indray niaraka tamin’ny kalesy voafantina 600. Raiki-tahotra ny Israelita rehefa nahatazana ny tafika ejipsianina, ka nitaraina tamin’i Mosesy hoe: “Moa tsy nisy fasana va tany Egypta, no nentinao ho faty atỳ an-efitra izahay?” Natoky anefa i Mosesy fa hamonjy azy ireo i Jehovah, ka hoy izy: “Aza matahotra hianareo, mijanòna, fa ho hitanareo ny famonjen’i Jehovah, izay hataony ho anareo anio. ... Jehovah hiady ho anareo, fa hianareo kosa hangina.”—Eksodosy 14:5-14.

12. Ahoana no namonjen’i Jehovah ny olony?

12 Marina tokoa ny tenin’i Mosesy, satria niady ho an’ny Israelita i Jehovah, ka nampiasa anjely mahery. Nanao fahagagana ilay anjely, ka nafindrany teo aoriana ilay andry rahona nitarika ny zanak’Israely. Nanamaizina ny tobin’ny Ejipsianina izy io, fa nanazava ny Israelita kosa. (Eksodosy 13:21, 22; 14:19, 20) Natsotran’i Mosesy teo ambony ranomasina avy eo ny tanany, araka ny baikon’Andriamanitra. Izao no tohin’ny tantara: ‘Rivotra mahery avy any atsinanana no nampisavan’i Jehovah ny ranomasina nandritra iny alina iny. Dia nandeha teo afovoan’ny ranomasina nandia ny tany maina ny Zanak’Israely; ary ny rano dia tonga fefy ho azy teo amin’ny ankavanany sy teo amin’ny ankaviany.’ Nanenjika azy ireo ihany ny Ejipsianina. Nanampy ny olony anefa i Jehovah, ka nataony nifanaritaka ireo miaramila. Hoy izy tamin’i Mosesy: “Ahinjiro eo ambonin’ny ranomasina ny tànanao, mba hikatonan’ny rano amin’ny Egyptiana mbamin’ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny.” Resy tanteraka àry ny tafik’i Farao, ka tsy nisy niangana na dia miaramila iray aza!—Eksodosy 14:21-28; Salamo 136:15.

Mandraisa lesona

13. Nanao ahoana ny fihetsiky ny zanak’Israely rehefa avy novonjena?

13 Nanao ahoana ny fihetsik’i Mosesy sy ny zanak’Israely, rehefa voavonjy tamin’ny fomba mahagaga? Tonga dia nidera an’i Jehovah izy ireo, ka nihira hoe: “Hihira ho an’i Jehovah aho, fa avo indrindra Izy. ... Jehovah hanjaka mandrakizay doria.” (Eksodosy 15:1, 18) Ny hankalaza an’Andriamanitra no tonga tao an-tsain’izy ireo voalohany. Voaporofo àry fa i Jehovah no manan-jo hitondra.

14. a) Inona no ianarantsika momba an’i Jehovah, avy amin’ny tantaran’ny Israely? b) Inona no andinin-teny ho an’ny taona 2008?

14 Inona no ianarantsika avy amin’iny tantara mampientam-po iny? Nahoana izy iny no mampahery sy manome fanantenana antsika? Hitantsika fa hain’i Jehovah foana ny manampy ny olony hiatrika zava-tsarotra. Hainy ny mandamina ny olana rehetra mahazo azy ireo. Tsy nahasakana ny Israelita ny Ranomasina Mena, satria nampifofofofo rivotra mahery avy any atsinanana i Jehovah. Io ranomasina io ihany avy eo no nampiasainy mba hamonoana ny tafik’i Farao. Rehefa mandinika izany isika, dia te hilaza toy ny mpanao salamo hoe: “Jehovah no miandany amiko, ka tsy hatahotra aho. Inona no azon’ny olona atao amiko?” (Salamo 118:6) Mampahery antsika koa ny tenin’i Paoly ao amin’ny Romanina 8:31, hoe: “Raha momba antsika Andriamanitra, iza no hanohitra antsika?” Manome toky tokoa ireo tenin’ny Soratra Masina ireo! Lasa feno fanantenana isika, fa tsy manahy na matahotra. Tena mety àry ny andinin-teny ho an’ny taona 2008 hoe: “Mijanòna, fa ho hitanareo ny famonjen’i Jehovah”!—Eksodosy 14:13.

15. Tena nila nankatò ve ny Israelita mba ho voavonjy? Tena mila mankatò koa ve isika? Hazavao.

15 Inona koa no ianarantsika avy amin’ilay Fifindrana avy any Ejipta? Tsy maintsy mankatò an’i Jehovah isika, na inona na inona asainy atao. Nankatoavin’ny Israelita ny toromarika tamin’ny an-tsipiriany nomena azy ireo, momba ny fanomanana ny Paska. Tsy nivoaboaka ny trano mihitsy izy ireo, ny alin’ny 14 Nisana. Rehefa niala tao Ejipta izy ireo, dia nilahatra tsara toy ny “voaomana hiady.” (Eksodosy 13:18) Tena mila manaraka ny tari-dalan’ny “mpanompo mahatoky sy malina” koa isika ankehitriny! (Matio 24:45) Tsy maintsy henointsika tsara ny tenin’Andriamanitra avy ao ivohontsika, manao hoe: “Ity no làlana, ka andehano.” (Isaia 30:21) Azo inoana fa hahazo toromarika amin’ny an-tsipiriany kokoa isika, arakaraka ny anatonan’ny fahoriana lehibe. Mila mankatò àry isika mba haharaka foana izay ataon’ny vahoakan’i Jehovah. Miankina amin’izany ny hahavoaro antsika amin’ireo fotoan-tsarotra ho avy.

16. Hain’Andriamanitra ny nanova ny toe-javatra, mba hamonjena ny Israelita. Inona no ianarantsika avy amin’izany?

16 Tadidio koa fa rehefa nasain’i Jehovah nivily lalana ny Israelita, dia toy ny hoe tapi-dalan-kaleha, satria ny Ranomasina Mena no teo anoloany ary tendrombohitra no teo aoriany. Hoatran’ny hoe tsy nety àry ilay toromarika. Voafehin’i Jehovah tsara anefa ny zava-drehetra, ary hainy ny nandamina izany mba hiderana ny anarany sy hamonjena ny olony. Mety tsy hazava amintsika koa ny anton’ny toromarika sasany eo anivon’ny fandaminana. Ilaintsika foana anefa ny matoky ny fitarihan’i Jehovah amin’ny alalan’ny mpanompo mahatoky sy malina. Mety hihevitra isika indraindray fa mahomby ny fahavalontsika. Tsy voatery ho azontsika mantsy ny fomba fijerin’i Jehovah an’ilay raharaha. Hainy anefa ny manova ny toe-javatra amin’ny fotoana mety, toy ny nataony tamin’ny zanak’Israely.—Ohabolana 3:5.

Matokia an’i Jehovah

17. Nahoana isika no tokony hatoky tanteraka ny fitarihan’Andriamanitra?

17 Azonao an-tsaina ve izay tsapan’ny Israelita, isaky ny nieritreritra an’ilay andry rahona tamin’ny antoandro sy andry afo tamin’ny alina? Tena nahazo toky izy ireo, satria nahita porofo hoe nitari-dalana azy “Ilay Anjelin’Andriamanitra.” (Eksodosy 13:21, 22; 14:19) Afaka matoky koa isika ankehitriny, fa mitari-dalana sy miaro ary manafaka ny olony i Jehovah. Azontsika ianteherana ilay fampanantenana hoe: ‘Jehovah tsy hahafoy ny olony masina; harovany mandrakizay ireo.’ (Salamo 37:28) Aza hadinoina mihitsy koa fa eo ireo anjely mahery, manampy antsika ho mafy orina ka ‘hahita ny famonjen’i Jehovah.’—Eksodosy 14:13.

18. Nahoana isika no mila ‘mitafy ny fiadiana fiarovana rehetra avy amin’Andriamanitra’?

18 Milaza ny Eksodosy 14:13 hoe “mijanòna”, izay midika hoe aoka ho mafy orina. Inona àry no hanampy antsika ho mafy orina eo amin’ny lalan’ny fahamarinana? Ilaintsika ny mitafy ny fiadiana ara-panahy, araka ny taratasin’i Paoly ho an’ny Efesianina. Mariho fa mampirisika antsika ‘hitafy ny fiadiana fiarovana rehetra avy amin’Andriamanitra’ ilay apostoly. Mitafy azy rehetra ve isika? Tokony hiezaka isika tsirairay amin’ity taona 2008 ity, mba ho azo antoka fa mitafy ny fiadiana rehetra isika, ary mety tsara daholo izy ireo. Mahalala ny fahalementsika i Satana Devoly, ary miandry kendry tohina hamelezana antsika izy, amin’izay mampahalemy antsika. Marina aloha fa “mitolona” amin’ny fanahy ratsy isika. Afaka mandresy anefa isika, noho ny herin’i Jehovah!—Efesianina 6:11-18; Ohabolana 27:11.

19. Inona no vokany raha miaritra isika?

19 Hoy i Jesosy tamin’ny mpanara-dia azy: “Raha miaritra ianareo dia ho voavonjinareo ny ainareo.” (Lioka 21:19) Aoka àry isika hiaritra foana, na inona na inona mitranga. Ho mafy orina isika amin’izay, noho ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’Andriamanitra. Azo antoka fa ‘ho hitantsika ny famonjen’i Jehovah.’

Ahoana no Havalinao?

• Inona avy no fisehoan-javatra lehibe hitranga tsy ho ela?

• Ahoana no nanehoan’i Jehovah fa manan-kery hamonjena ny olony izy, tamin’ny 1513 T.K.?

• Tapa-kevitra ny hanao inona àry ianao izao?

[Fanontaniana]

[Teny notsongaina, pejy 20]

Izao no andinin-teny ho an’ny taona 2008: “Mijanòna, fa ho hitanareo ny famonjen’i Jehovah.”—Eksodosy 14:13.

[Sary, pejy 17]

“Izay rehetra voasoratra taloha dia nosoratana ho fianarantsika”

[Sary, pejy 18]

Niziriziry tamin’ny heviny i Farao, ka nidiran-doza ny Ejipsianina

[Sary, pejy 19]

Tafavoaka velona ny Israelita, satria nanao izay rehetra nandidian’i Jehovah