Salamo 118:1-29

  • Misaora an’i Jehovah noho ny fandreseny

    • ‘Niantso an’i Jah aho, dia namaly izy’ (5)

    • “Manohana ahy i Jehovah” (6, 7)

    • Vato tsy tiana lasa vato fehizoro lehibe indrindra (22)

    • “Ilay tonga amin’ny anaran’i Jehovah” (26)

118  Misaora an’i Jehovah fa tsara izy;+Be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay.  2  Aoka ny Israely hilaza hoe: “Be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay.”  3  Aoka ny taranak’i Arona hilaza hoe: “Be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay.”  4  Aoka izay matahotra an’i Jehovah hilaza hoe: “Be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay.”  5  Niantso an’i Jah* aho tao anatin’ny sarotra,Dia namaly ahy i Jah ka nitondra ahy nankeo amin’ny toerana tsy mampidi-doza.*+  6  Manohana ahy i Jehovah, ka tsy hatahotra aho.+ Inona moa no azon’ny olona atao amiko?+  7  Manohana ahy i Jehovah, ka izy no mpanampy ahy;*+Ho faly aho hahita hoe resy ny mpankahala ahy.+  8  Aleo mialoka amin’i JehovahToy izay matoky olona.+  9  Aleo mialoka amin’i JehovahToy izay matoky andriana.+ 10  Nanodidina ahy ny firenena rehetra;Tamin’ny anaran’i Jehovah anefaNo nanoherako azy ireny.+ 11  Nanodidina ahy izy ireny, eny, voahodidina tanteraka aho;Tamin’ny anaran’i Jehovah anefaNo nanoherako azy ireny. 12  Nitangorona tamiko toy ny tantely izy ireny,Nefa vetivety dia maty hoatran’ny afon-tsilo. Tamin’ny anaran’i JehovahNo nanoherako azy ireny.+ 13  Nisy nanosika* mafy aho mba hianjera,Nefa nanampy ahy i Jehovah. 14  I Jah no fialofako sy heriko,Ary izy no lasa mpamonjy ahy.+ 15  Feon’olona mifaly sy voavonjy*No re ao amin’ny tranolain’ny olo-marina. Maneho ny heriny ny tanana ankavanan’i Jehovah.+ 16  Misandratra ny tanana ankavanan’i Jehovah;Maneho ny heriny ny tanana ankavanan’i Jehovah.+ 17  Tsy ho faty aho fa ho velona,Mba hanambara ny asan’i Jah.+ 18  Nanafay mafy ahy i Jah,+Nefa tsy namela ahy ho faty.+ 19  Sokafy ireo vavahadin’ny fahamarinana,+Dia hiditra aho ka hidera an’i Jah. 20  Ity ny vavahadin’i Jehovah. Hiditra eo ny olo-marina.+ 21  Hidera anao aho, fa namaly ahy ianao,+Ary ianao no lasa mpamonjy ahy.  22  Ny vato tsy tian’ny* mpanao tranoNo lasa vato fehizoro lehibe indrindra.*+  23  Avy amin’i Jehovah izany,+Ka mahatalanjona eo imasontsika.+  24  Izao no andro nataon’i Jehovah;Hifaly sy hiravoravo isika mandritra izany.  25  Jehovah ô, mba vonjeo re e! Miangavy re e! Jehovah ô, mba ataovy maharesy re izahay e!  26  Hotahina anie ilay tonga amin’ny anaran’i Jehovah!+Avy ao an-tranon’i Jehovah izahay no mitso-drano anareo.  27  I Jehovah no Andriamanitra;Manome antsika hazavana izy.+ Mitondrà rantsankazo eny an-tananao, ary mandehana milahatra miaraka amin’ireo mpanao fety+Hatreny amin’ny tandroky ny alitara.+  28  Andriamanitro ianao, ary hidera anao aho;Hanandratra anao aho, ry Andriamanitro ô!+  29  Misaora an’i Jehovah+ fa tsara izy;Be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay.+

Fanamarihana

“Jah” no fanafohezana an’ilay anarana hoe Jehovah.
Na: “toerana malalaka.”
Na mety hoe “sy ireo manampy ahy.”
Na mety hoe “Natosikao.”
Na: “mandresy.”
Na: “vato nolavin’ny.”
Abt: “lasa lohan’ny zoro.”