Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Iza no Mpanoro Hevitra Anao?

Iza no Mpanoro Hevitra Anao?

Iza no Mpanoro Hevitra Anao?

LASA mpanjakan’ny fanjakan’ny Joda tany atsimo i Ozia, tamin’izy vao 16 taona. Nanjaka 50 taona mahery izy, nanomboka tamin’ny 829 ka hatramin’ny 778 T.K. Mbola tanora izy dia efa ‘nanao izay mahitsy teo imason’i Jehovah.’ Inona no nanampy azy hanao izany? Hoy ny fitantarana: ‘Nitady an’Andriamanitra i Ozia tamin’ny andron’i Zakaria, [izay nampianatra azy ny fahatahorana an’Andriamanitra, Kat.]; ary tamin’ny andro nitadiavany an’i Jehovah dia nambinina izy.’—2 Tantara 26:1, 4, 5.

Kely ihany ny zavatra fantatra momba an’i Zakaria, mpanoro hevitra an’i Ozia Mpanjaka, ankoatra an’io lazain’ny Baiboly io. Tena nanampy an’i Ozia hanao izay mahitsy anefa izy, satria “nampianatra azy ny fahatahorana an’Andriamanitra.” Milaza ny boky iray manazava ny Baiboly, fa “tena nahay momba ny fivavahana sy ny soratra masina” i Zakaria, ary “nahay nizara ny fahalalany.” Hoy koa ny manam-pahaizana iray momba ny Baiboly: ‘Nahay tsara ny faminaniana izy, nahira-tsaina, tia fivavahana, ary nanao ny marina. Toa tena nanampy an’i Ozia hanao izay tsara koa izy.’

Nahazo fitahiana maro avy tamin’i Jehovah i Ozia noho izy tsy nivadika. Lasa ‘nahery indrindra izy’, satria ‘nanampy azy Andriamanitra.’ Tsy ho nahomby izy, raha tsy nankatò an’i Jehovah, “tamin’ny andron’i Zakaria.” (2 Tantara 26:6-8) Tsy narahin’i Ozia intsony anefa ny tenin’io mpanoro hevitra azy io, rehefa nandeha tsara ny fiainany. Lasa “niavonavona ny fony, ka nanao izay ratsy izy, fa nivadika tamin’i Jehovah.” Tsy nohajainy ny lalàn’Andriamanitra. Inona no vokany? Voan’ny aretin-koditra nahatsiravina izy, ka tsy afaka nanao tsara ny andraikiny intsony.—2 Tantara 26:16-21.

Iza no mpampianatra na mpanoro hevitra anao, ka manampy anao ‘hitady an’Andriamanitra’? Mety hanana mpanoro hevitra toy izany ianao, na tanora na olon-dehibe, na lahy na vavy. Hevero ho sarobidy izy. Hanampy anao mantsy ny toroheviny, mba hanaovanao izay mahitsy eo imason’i Jehovah. Henoy io Kristianina matotra io, ary diniho tsara izay lazainy. Enga anie ianao tsy hanao tsinontsinona mihitsy ny teny feno fahendrena avy amin’ny olona toy izany. ‘Mampianatra anao ny fahatahorana an’Andriamanitra’ mantsy izy.—Ohabolana 1:5; 12:15; 19:20.