Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mahaiza Mifidy dia ho Sambatra Ianao

Mahaiza Mifidy dia ho Sambatra Ianao

Mahaiza Mifidy dia ho Sambatra Ianao

“TAHAKA izay aho tsy nanao an’iny!” Impiry ianao no efa niteny an’izany? Irintsika rehetra ny hanao safidy tsy hanenenantsika, indrindra raha tena zava-dehibe ilay izy. Tokony hanao safidy tsara àry isika raha te ho sambatra. Ahoana no hanaovantsika izany?

Voalohany, dia mila fitsipika azo antoka isika. Olona maro anefa no mihevitra fa tsy misy izany. Nanontaniana ny mpianatry ny oniversite tany Etazonia, ka hita fa ny telo ampahefatr’izy ireo no nihevitra hoe tsy misy ny fitsipika momba ny tsara sy ratsy. Miankina amin’ny “kolontsaina sy izay mety amin’ny tsirairay”, hono, izany.

Marina tokoa ve fa izay mety amin’ny tsirairay na ny besinimaro fotsiny no tokony harahina? Tsia. Ho loza ny vokany, raha samy manao izay tiany ny olona. Hanao ahoana, ohatra, ny tanàna iray raha tsy misy lalàna, na fitsarana, na polisy? Tsy voatery ho tsara foana koa anefa ny safidy ataon’ny olona. Mety hieritreritra mantsy izy hoe mety ny ataony, nefa avy eo hitany fa diso hevitra izy. Porofoin’ny zava-nisy hatramin’izay, fa marina ny voalazan’ny Baiboly hoe: ‘Tsy an’ny mpandeha ny hahalavorary ny diany.’ (Jeremia 10:23) Aiza àry no hahitantsika tari-dalana, rehefa hanapa-kevitra momba ireo zava-dehibe eo amin’ny fiainana?

Nitady torohevitra tany amin’i Jesosy ilay mpanankarena voaresaka tamin’ny lahatsoratra teo aloha, ary tsara ny nataony. Nanonona ny Lalàn’Andriamanitra i Jesosy rehefa namaly azy. Eken’i Jesosy mantsy fa i Jehovah Andriamanitra no hendry sy manam-pahalalana indrindra, ary fantany izay tena mahasoa ny olona. Izany no nilazany hoe: “Tsy ahy ny fampianarako, fa an’ilay naniraka ahy.” (Jaona 7:16) Manome tari-dalana azo antoka tokoa ny Tenin’Andriamanitra, ary hanampy antsika hanao safidy tsara izany. Andeha isika hijery toro lalana sasany ao amin’izy io. Ho sambatra isika raha mampihatra azy ireo.

Fifandraisana amin’ny hafa

Manampy antsika hifandray tsara amin’ny hafa ny toro lalana nampianarin’i Jesosy, tamin’ilay toriteniny malaza teo an-tendrombohitra. Hoy izy: “Koa izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo àry, dia mba ataovy aminy koa.”—Matio 7:12.

Misy indray milaza hoe: “Aza atao amin’ny hafa izay tsy tianao hatao aminao.” Toa mitovy ireo hevitra ireo, nefa tena misy maha samy hafa azy. Diniho, ohatra, ny fanoharan’i Jesosy momba an’ilay Samaritanina tsara fanahy. Nisy nanafika ny Jiosy iray ka saiky maty. Nahita azy teo amoron-dalana ny mpisorona sy Levita iray, saingy nandalo fotsiny. Marina fa tsy nampijaly azy izy ireo, izany hoe tsy nataony tamin’ny hafa izay tsy tiany hatao aminy. Tsy nampihatra ny tenin’i Jesosy anefa izy ireo. Nisy Samaritanina kosa nahita an’ilay Jiosy, ary nitsabo ny ratrany sy nitondra azy tany amin’ny tranom-bahiny. Izay tiany ho natao tamin’ny tenany no nataony tamin’ilay Jiosy. Nanao safidy tsara izy, nifanaraka tamin’ilay tenin’i Jesosy.—Lioka 10:30-37.

Misy fomba maro azontsika ampiharana an’io torohevitra io, ary azo inoana fa ho tsara ny vokany. Raha misy fianakaviana vao nifindra, ohatra, eo akaikinareo, dia azonao atao ny mandeha miarahaba azy ireo. Afaka mamaly ny fanontaniany sy manampy azy koa angamba ianao, ary manoro izay toerana tokony ho fantany. Hifandray tsara ianareo, raha tonga dia manao zavatra ianao mba hanampiana azy. Ho afa-po koa ianao satria mampifaly an’Andriamanitra. Manao safidy tsara ianao amin’izany.

Fitiava-namana

Hanampy antsika hanao safidy tsara koa ny toro lalana hafa nomen’i Jesosy. Hoy izy rehefa nanontaniana hoe inona no didy lehibe indrindra ao amin’ny Lalàn’i Mosesy: “ ‘Tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo ary ny sainao manontolo.’ Izany no didy lehibe indrindra sady voalohany. Ny faharoa, izay toy izany ihany, dia izao: ‘Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.’ Ireo didy roa ireo no ihantonan’ny Lalàna manontolo sy ny Mpaminany.”—Matio 22:36-40.

Nanome “didy vaovao” i Jesosy, ny alina talohan’ny nahafatesany, dia ny mba hifankatiavan’ny mpianany. (Jaona 13:34) Nahoana izy io no lazaina hoe vaovao? Tsy efa anisan’ireo didy roa ihantonan’ny Lalàna manontolo ve ny hoe tokony ho tia ny namana? Izao no voalazan’ny Lalàn’i Mosesy: “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.” (Levitikosy 19:18) Mihoatra noho izany anefa no takin’i Jesosy amin’ny mpianany. Nilaza izy tamin’ilay alina nanomezany an’io didy io, fa hafoiny ho azy ireo ny ainy. Hoy izy avy eo: “Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo toy ny nitiavako anareo. Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny mahafoy ny ainy ho an’ny namany.” (Jaona 15:12, 13) Vaovao àry ilay didy satria izay hahasoa ny hafa aloha no asainy ataonao, izay vao ny hahasoa anao.

Tokony ho tia ny hafa isika fa tsy ho tia tena, na hitady izay hahasoa antsika fotsiny. Misy fomba maro azo anaovana izany. Aoka hatao hoe te hihaino mozika mafy be ianao, nefa manelingelina ny mpifanila trano aminao ilay izy. Ho vonona handefitra ve ianao mba tsy hanakotaba azy? Izay hahasoa azy ve aloha no hataonao, izay vao ny mahafinaritra anao?

Ity koa misy ohatra hafa: Nitsidika lehilahy zokiolona iray ny Vavolombelon’i Jehovah roa lahy tany Kanada. Nangatsiaka sy nisy lanezy tamin’izay. Nilaza ilay zokiolona fa narary fo izy, ka tsy nahavita nanala ny lanezy teo anoloan’ny tranony. Afaka adiny iray teo ho eo anefa, dia henony fa nisy feona lapelina tao an-tokotany. Hay niverina izy roa lahy, ka nanala ny lanezy teo amin’ny lalana mankeo am-baravarany. Nanoratra tany amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Kanada ilay rangahy, nanao hoe: “Nahita tena Kristianina aho androany. Hitako tamin’ny zavatra nataony mihitsy fa tia olona izy ireo. Nahazo toky indray aho hoe hay mbola misy ihany ny olona miahy ny hafa eto amin’ity fiainana ity. Vao mainka koa aho mankasitraka ny asa ataonareo eran-tany.” Mety hisy vokany tsara eo amin’ny hafa àry ny fanampianao, na dia toa kely aza. Tena ho sambatra ianao, raha manao safidy tsara ka mahafoy tena toy izany!

Fitiavana an’Andriamanitra

Rehefa manao safidy koa isika, dia tokony handinika ilay didy lehibe indrindra nolazain’i Jesosy, izany hoe ny fitiavana an’Andriamanitra. Jiosy no nilazany an’ilay didy. Efa nanolo-tena ho an’i Jehovah ny firenen’izy ireo. Nila nisafidy anefa ny tsirairay taminy, raha hanompo an’Andriamanitra sy ho tia azy amin’ny fo manontolo, na tsia.—Deoteronomia 30:15, 16.

Ny safidy ataonao koa no ahitana raha tia an’Andriamanitra ianao. Tsy maintsy manao safidy ianao, rehefa mahalala ny fomba hampiharana ny toro lalan’ny Baiboly. Vonona hianatra tsy tapaka azy io ve ianao, mba ho lasa mpanara-dia an’i Jesosy? Ho sambatra tokoa ianao raha mifidy ny hanao izany. Hoy mantsy i Jesosy: “Sambatra ny mahatsapa fa mila an’Andriamanitra.”—Matio 5:3.

Asa raha mba nanenina tamin’ny safidy nataony ilay mpanankarena na tsia. Raha ny apostoly Petera kosa, dia fantatsika fa nanara-dia an’i Jesosy Kristy nandritra ny taona maro izy. Nampahery ny mpiray finoana taminy izy tamin’ny taona 64 tany ho any, talohan’ny nahafatesany. Hoy izy: “Ataovy izay rehetra azonareo atao mba ho [hitan’Andriamanitra], amin’ny farany, fa tsy misy pentina sy tsy misy tsiny ary ao amin’ny fihavanana ianareo.” (2 Petera 1:14; 3:14) Hita àry fa tsy nanenenan’i Petera mihitsy ilay safidy nataony, 30 taona mahery lasa. Nampirisika ny namany aza izy mba hifikitra tamin’ny safidy nataon’izy ireo.

Raha manaraka ny torohevitr’i Petera ianao, dia hanara-dia an’i Jesosy, sy hitandrina ny didin’Andriamanitra, ary hanaiky izay andraikitra mifandray amin’izany. (Lioka 9:23; 1 Jaona 5:3) Mety ho sarotra izany, nefa manome toky antsika i Jesosy hoe: “Mankanesa atỳ amiko ianareo rehetra miasa mafy sy mavesatra entana, fa hamelombelona anareo aho. Ento ny ziogako ka mianara amiko, fa malemy fanahy aho sady manetry tena am-po, dia ho velombelona ianareo. Fa mora entina ny ziogako, ary maivana ny entako.”—Matio 11:28-30.

Diniho ny ohatr’i Arthur. Folo taona izy dia efa nianatra nitendry lokanga, ary ny ho matihanina no tanjony. Nanao fampisehoana izy raha vao 14 taona. Tsy sambatra anefa izy. Efa ela ny rainy no te hahafantatra ny zava-kendren’ny fiainana. Maro ny mpivavaka nasainy tao an-trano, nefa tsy nahafa-po azy ny valin-tenin’izy ireny. Fanaon’izy mianakavy ny niresaka hoe tena misy ve Andriamanitra, ary nahoana no avelany hisy ny faharatsiana. Niresaka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny rain’i Arthur, tatỳ aoriana. Tena nahaliana azy izany, ka nianatra Baiboly izy mianakavy.

Fantatr’i Arthur avy tao amin’ny Soratra Masina àry ny antony amelan’Andriamanitra ny fijaliana hisy, sy ny zava-kendren’ny fiainana. Nanolo-tena ho an’i Jehovah izy sy ny telo tamin’ny fianakaviany. Tsy nanenenany mihitsy izany safidy nataony izany. Hoy izy: “Sambatra aho satria nampian’i Jehovah hahita ny fahamarinana. Tsy sahirana mifaninana toa an’ireo mpahay mozika matihanina aho izao. Mahavita zava-dratsy mihitsy mantsy ny sasany rehefa te ho tafita.”

Mbola tian’i Arthur ny mitendry lokanga, rehefa miara-mikorana amin’ny namany. Tsy izany anefa no tena zava-dehibe aminy, fa ny fanompoana an’Andriamanitra. Miasa any amin’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy izao. Olona an-tapitrisany no nanao safidy tsara toa an’i Arthur, fa tsy toa an’ilay mpanankarena. Afaka ny ho toa azy ireo koa ianao. Manasa anao hanara-dia azy i Jesosy, ary tena ho sambatra ianao raha manaiky izany.

[Sary, pejy 6]

Mety hisy vokany eo amin’ny hafa ny safidy ataonao

[Sary, pejy 7]

Hianatra Baiboly ve ianao, mba ho lasa mpanara-dia an’i Jesosy?