Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Lazain’​ny Baiboly?

Inona no Lazain’​ny Baiboly?

Inona moa ny Hara-magedona?

Misy milaza fa...

fandripahana ny olona eran-tany izy io, vokatry ny ady niokleary na ny fahasimban’ny tontolo iainana. Ahoana ny hevitrao?

Izay lazain’ny Baiboly

“Adin’ilay andro lehiben’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra” ny Hara-magedona. Ady ataon’Andriamanitra amin’ny ratsy fanahy izy io.—Apokalypsy 16:14, 16.

Inona koa no lazain’ny Baiboly?

  • Tsy natao hanapotehana ny tany akory ny Hara-magedona, fa mba hiarovana azy io tsy ho simban’ny olona. —Apokalypsy 11:18.

  • Hamarana ny ady rehetra ny ady Hara-magedona.—Salamo 46:8, 9.

Hisy olona ho tafavoaka velona ve amin’io ady io?

Ahoana ny hevitrao?

  • Eny

  • Tsia

  • Angamba

Izay lazain’ny Baiboly

Hisy “vahoaka be” avy amin’ny firenena rehetra ho tafavoaka velona amin’ny “fahoriana lehibe”, izay hifarana amin’ny ady Hara-magedona.—Apokalypsy 7:9, 14.

Inona koa no lazain’ny Baiboly?

  • Tian’Andriamanitra ho faran’izay betsaka ny olona ho tafavoaka velona amin’ny Hara-magedona. Rehefa tsy mety miova ny ratsy fanahy vao ringaniny.—Ezekiela 18:32.

  • Atoron’ny Baiboly antsika izay tokony hatao raha te ho tafavoaka velona isika. —Zefania 2:3.