Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MATOAN-DAHATSORATRA | INONA NO FANOMEZANA TSARA INDRINDRA?

“Ity no Fanomezana Tsara Indrindra Azoko”

“Ity no Fanomezana Tsara Indrindra Azoko”

Izany no tenin’ny ankizivavy iray 13 taona, rehefa nomena alikakely izy. Nisy vehivavy mpandraharaha iray indray nilaza fa nanova ny fiainany ny ordinatera nomen’ny dadany azy, tamin’izy tany amin’ny lise. Ny lehilahy iray kosa nilaza fa ny karta namboarin’ny vadiny ho azy, tamin’ny taona voalohany nitsingerenan’ny mariazin’izy ireo, no fanomezana tsara indrindra azony.

Maro isan-taona no miezaka mafy mitady an’izay fanomezana “tsara indrindra” ho an’ny namany na ny havany, rehefa vanim-potoana manokana. Mba tian’izy ireny koa raha afa-po amin’izay fanomezana omeny ilay olona. Ary ianao? Tianao ve raha mba tena tian’ilay olona ny zavatra omenao azy, na tena tianao izay omena anao?

Raha izany no izy, dia samy ho faly na ilay manome na ilay omena. Hoy ny Baiboly: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.” (Asan’ny Apostoly 20:35) Vao mainka ho faly ilay nanome, raha tena ankasitrahan’ilay olona ilay fanomezana.

Inona àry no azonao atao mba tena hahafaly anao sy ilay olona ny fanomezana omenao azy? Ary na tsy afaka manome ny “tsara indrindra” aza ianao, inona no azonao atao mba ho tiany ilay izy?