Ahoana no Tokony Hiheveranao ny Fahadisoanao?
Nitsidika an’i Johary sy Mialy * ny zanany vavy sy ny vady aman-janak’izy io. Mpahandro sakafo efa misotro ronono i Mialy. Nahandro paty asiana fromazy izy, mba hiarahan’izy ireo mihinana alohan’ny hodian’izy mianakavy kely. Izany mantsy no sakafo tena tian’ny zafikeliny roa lahy.
Efa vonona hisakafo ny rehetra. Iny i Mialy fa nitondra vilia baolina ary nametraka azy io teo afovoan-databatra. Taitra be izy rehefa nosokafany ny saron’ilay izy. Hay saosy fromazy fotsiny no tao! Hadinony ny nandrotsaka ny paty.
Manao fahadisoana daholo isika, na antitra na tanora, ary na efa ampy traikefa na tsia. Mety hoe nanao teny tsy voahevitra isika, na nanadino zavatra, na nanao zavatra tsara saingy tsy tamin’ny fotoana nety. Nahoana isika no manao fahadisoana? Ahoana no hiatrehana azy ireny? Azo sorohina ve izy ireny? Hanampy antsika hanana fomba fijery tsara momba ny fahadisoantsika ny valin’ireo.
NY FIHEVITRY NY OLONA SY NY FIHEVITR’ANDRIAMANITRA
Faly isika rehefa derain’ny olona sy ankasitrahany noho ny zavatra tsara vitantsika. Miaiky isika hoe mendrika an’izany. Ary ahoana rehefa diso isika? Tsy tokony hiaiky koa ve isika hoe nanao zavatra tsy nety, na dia tsy fanahy iniana aza ilay izy na tsy nisy nahita? Mila manetry tena isika vao hahavita an’izany.
Raha mifantoka be amin’ny tenantsika isika, dia mety hanamaivana ny fahadisoantsika, hanome tsiny ny hafa, na tsy hiaiky hoe diso. Misy vokany ratsy anefa izany matetika. Mety tsy ho voavaha mantsy ilay olana, ary mety ho olon-kafa no mahazo tsiny. Marina fa mety tsy hizaka ny vokatr’ilay fahadisoana isika izao. Tadidio anefa fa mbola “samy hataon’Andriamanitra ampamoaka isika tsirairay avy.”—Romanina 14:12.
Ahoana no fahitan’Andriamanitra ny fahadisoana ataontsika? Fantany fa vao teraka isika dia efa mpanota, ary “tsaroany fa vovoka ihany isika.” Noho izany, dia “mamindra fo sy tsara fanahy” amintsika izy. “Tsy hamerimberina hanameloka antsika foana noho ny fahadisoantsika izy, na hanao an-dolompo mandritra ny fotoana tsy voafetra.”—Salamo 103:8, 9, 14.
Toy ny ray mamindra fo amin’ny zanany koa Andriamanitra, ka tiany raha manana fomba fijery toy ny azy isika momba an’ireny fahadisoana ireny. (Salamo 130:3) Misy torohevitra sy tari-dalana maro ao amin’ny Teniny. Afaka manampy antsika izany rehefa manao fahadisoana isika na ny hafa.
AHOANA NO ATAO REHEFA DISO?
Matetika ny olona no mandany fotoana sy hery manome tsiny ny hafa na manamarin-tena.
Raha nahatezitra olona anefa ny teninao, dia maninona raha miala tsiny fotsiny, manitsy izay tsy mety, ary mihavana aminy indray? Nanao fahadisoana ve ianao, ka niteraka olana ho anao na ho an’olon-kafa izany? Maninona àry raha miezaka mafy manitsy izay tsy mety, fa tsy manamelo-tena na manome tsiny ny hafa? Raha ny hafa no omenao tsiny, dia hitohy ny disadisa eo aminareo ary vao mainka izany hanasaro-javatra. Miezaha kosa handray lesona avy amin’ny fahadisoanao sy hanitsy izay tsy mety, ary aza mifantoka amin’ilay izy intsony.Mora sosotra isika rehefa ny hafa no diso. Tsara kokoa anefa ny manaraka an’ilay torohevitr’i Jesosy Kristy hoe: “Koa izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo àry, dia mba ataovy aminy koa.” (Matio 7:12) Azo antoka hoe tianao raha mangoraka na mamela anao tanteraka ny hafa rehefa manao fahadisoana ianao, na dia kely aza. Maninona àry raha manao hoatr’izany koa rehefa diso ny hafa?—Efesianina 4:32.
INONA NO HANAMPY ANAO TSY HANAO FAHADISOANA MATETIKA?
Misy diksionera milaza fa manao fahadisoana ny olona iray rehefa “mitsara an-tendrony, tsy tena mahalala ny zava-misy, na varimbariana.” Mety ho hoatr’izany daholo isika indraindray. Tsy hanao fahadisoana matetika anefa isika, raha mandinika toro lalana sasany ao amin’ny Soratra Masina.
Anisan’izany ilay ao amin’ny Ohabolana 18:13 hoe: “Izay mamaly nefa mbola tsy nihaino akory, dia hadalana sy henatra ho azy izany.” Raha mihaino tsara an’izay rehetra lazain’ilay olona ianao, sady mieritreritra an’izay havalinao, dia tsy ho maika hiteny na ho mora entim-po. Tsy hitsara an-tendrony na hanao fahadisoana àry ianao, satria hainao tsara ny zava-misy.
Hoy koa ny Romanina 12:18: “Raha azo atao, ka mbola miankina aminareo koa, dia mihavàna amin’ny olona rehetra.” Miezaha mafy hitandro fihavanana sy hiara-miasa amin’ny hafa. Rehefa miara-miasa amin’olona ianao, dia miezaha ho tsara fanahy sy hanaja azy ireo. Derao sy ampaherezo koa izy ireo. Ho mora amin’ny tsirairay amin’izay ny hamela heloka sy hanadino izay teny tsy tsaroana, na zavatra tsy nety nataon’ny hafa. Tsy ho sarotra koa ny handamina olana lehibe kokoa.
Jereo raha afaka mandray lesona avy amin’ny fahadisoanao ianao. Aza manamarin-tena rehefa niteny na nanao zavatra tsy nety. Diniho kosa sao dia misy toetra mila iezahanao hananana. Mila manam-paharetana, tsara fanahy, na hifehy tena kokoa ve ianao? Sa mila malemy fanahy, tia fihavanana, ary be fitiavana kokoa? (Galatianina 5:22, 23) Na ahoana na ahoana, dia mba efa fantatrao aloha izay tsy tokony hatao amin’ny manaraka. Aza hamaivanina ny fahadisoanao, nefa aza mifantoka be amin’izay tsapanao. Ho mora ny mandamina disadisa raha samy miezaka ny ho tia vazivazy.
INONA NY SOA HO AZONAO?
Tsy hifantoka be amin’ny fahadisoantsika isika raha manana fomba fijery tsara momba azy io. Tsy hiady saina be isika ary ho mora kokoa amintsika ny hihavana amin’ny hafa. Ho hendry sy ho tian’ny olona kokoa isika, raha miezaka mandray lesona avy amin’ny fahadisoantsika. Tsy ho kivy be isika na hanamelo-tena tafahoatra. Hifandray kokoa amin’ny hafa isika raha mieritreritra hoe mety ho diso koa izy ireo. Ny tena zava-dehibe dia hoe handray soa isika raha miezaka manahaka an’ilay Andriamanitra be fitiavana, sy vonona hamela heloka tanteraka.—Kolosianina 3:13.
Lasa tsy nahafinaritra ve ny fiarahan’ilay fianakaviana voalaza terỳ aloha, noho ny fahadisoan’i Mialy? Tsia. Samy nahatsikaiky ny rehetra ilay izy, ary i Mialy no tena nihomehy. Nankafy an’ilay sakafo koa izy ireo na dia tsy nisy paty aza! Notantarain’ny zafikelin’i Mialy tamin’ny zanany io fiaraha-misakafo io, tatỳ aoriana, ary tsaroan’izy ireo ny fotoana mamy niarahany tamin’ny dadabe sy bebeny. Mba disodiso kely fotsiny izy tamin’iny.
^ feh. 2 Novana ireo anarana.