Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Ny Tilikambo Fiambenana  |  No. 6 2017

Nahoana no Be dia Be ny Baiboly?

Nahoana no Be dia Be ny Baiboly?

Nahoana no be dia be izao ny dikan-tenin’ny Baiboly? Manampy antsika hahazo izay lazain’ny Baiboly ve ireny dikan-teny vaovao ireny? Raha fantatrao ny antony nampisy azy ireny dia ho hainao ny hifidy izay Baiboly hovakinao.

Andeha aloha hojerentsika hoe iza no nanoratra ny Baiboly voalohany ary oviana.

NY BAIBOLY VOALOHANY

Mizara roa ny Baiboly. Misy boky 39 ny tapany voalohany, ary ny “fanambarana masin’Andriamanitra” no ao. (Romanina 3:2) Lehilahy vitsivitsy nanam-pinoana no nasain’Andriamanitra nanoratra an’ireo boky ireo, nandritra ny 1 100 taona teo ho eo. Nanomboka tamin’ny 1513 Talohan’i Kristy (T.K.) izy ireo no nosoratana, ary vita taoriana kelin’ny 443 T.K. Ny teny hebreo no tena nampiasain’ireo lehilahy ireo, ka izay no antony iantsoana an’io fizarana io hoe Soratra Hebreo na Testamenta Taloha.

Misy boky 27 ny tapany faharoa, ary “tenin’Andriamanitra” koa izy io. (1 Tesalonianina 2:13) Ny mpianatr’i Jesosy Kristy no nasain’Andriamanitra nanoratra an’ireo boky ireo nandritra ny 60 taona teo ho eo, nanomboka tamin’ny taona 41 tany ho any ka hatramin’ny 98. Ny teny grika no tena nampiasain’izy ireo, ka izay no antony iantsoana an’ilay fizarana hoe Soratra Grika Kristianina na Testamenta Vaovao.

Misy boky 66 àry ny Baiboly manontolo, na ny hafatr’Andriamanitra ho an’ny olombelona. Nahoana anefa no lasa nisy dikan-teny hafa? Ireto misy antony telo lehibe:

  • Mba ho afaka hamaky ny Baiboly amin’ny fitenin-drazany ny olona.

  • Mba hanitsiana ny diso nataon’ireo mpanao dika mitovy, ka hitovy amin’ilay tany am-boalohany ny Baiboly ankehitriny.

  • Mba hanovana an’ireo teny tranainy ho teny fampiasa andavanandro.

 Diniho ange ireto dikan-teny roa voalohany ireto e!

FANDIKAN-TENY GRIKAN’NY FITOPOLO

Nanomboka nandika ny Soratra Hebreo tamin’ny teny grika ny manam-pahaizana jiosy, 300 taona teo ho eo talohan’ny nahaterahan’i Jesosy. Nantsoina hoe Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo io fandikan-teny io. Fa nahoana izy io no natao? Mba hanampiana an’ireo Jiosy niteny grika hahalala ny “Soratra Masina.”—2 Timoty 3:15.

Olon-kafa an-tapitrisany miteny grika koa no lasa nahalala an’izay ampianarin’ny Baiboly, noho ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo. Tamin’ny fomba ahoana? Hoy ny Profesora W. Howard: “Izy io no Baiboly nampiasain’ny Eglizy Kristianina, nanomboka tamin’ny taona 50 tany ho any. Nitety synagoga ny misionera tamin’izany mba ‘hanaporofoana tamin’ny alalan’ny Soratra Masina hoe i Jesosy no Mesia.’” (Asan’ny Apostoly 17:3, 4; 20:20) Izany no anisan’ny nahatonga ny Jiosy maro “tsy ho liana intsony tamin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo”, hoy i F. Bruce, manam-pahaizana momba ny Baiboly.

Nangonin’ny mpianatr’i Jesosy tsikelikely ireo boky ao amin’ny Soratra Grika Kristianina, ary nampiarahiny tamin’ny Soratra Hebreo ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo. Dia izay no lasa Baiboly manontolo ampiasaintsika amin’izao.

NY VULGATE LATININA

Namoaka Baiboly tamin’ny teny latinina ilay manam-pahaizana atao hoe Jérôme, 300 taona teo ho eo, taorian’ny nahavitan’ny Baiboly. Io no lasa nantsoina hoe Vulgate Latinina. Nahoana i Jérôme no mbola namoaka dikan-teny vaovao, nefa efa betsaka tamin’izany ny Baiboly tamin’ny teny latinina? Milaza Ny Rakipahalalana Ara-baiboly Iraisam-pirenena (anglisy) fa tiany hahitsy “ireo hevitra nadika vilana, sy ireo teny diso tsipelina, ary ireo hevitra nampiana na nanalana.”

Nahitsin’i Jérôme ny ankamaroan’ireny fahadisoana ireny. Nanapa-kevitra anefa ny lohandohany tao amin’ny eglizy tatỳ aoriana, fa ny Vulgate latinina ihany no azo ampiasaina. Tsy nisy nahazo nampiasa dikan-teny hafa nandritra ny an-jatony taona! Nisy vokany ratsy anefa izany. Tsy nahay teny latinina mantsy  ny ankamaroan’ny olona tatỳ aoriana, ka tsy nanampy azy ireo hahazo ny Baiboly akory ny Vulgate.

NIHAMARO NY DIKAN-TENIN’NY BAIBOLY

Maro no mbola namoaka dikan-teny hafa. Efa 1 600 taona lasa teo ho eo, ohatra, no vita ilay dikan-teny malaza atao hoe Peshitta syriàka. Eninjato taona lasa teo ho eo anefa vao nisy niezaka nandika ny Soratra Masina tamin’ny fitenin-drazan’ny olona indray.

Nanomboka namoaka Baiboly tamin’ny teny anglisy, ohatra, i John Wycliffe tamin’izany. Na ny olon-tsotra tany Angletera aza nahazo an’izay voalaza tao. Tsy ela taorian’izay no vita ny fanontam-pirintin’i Johannes Gutenberg. Mora tamin’ireo manam-pahaizana momba ny Baiboly àry ny namoaka sy nanaparitaka an’ireo dikan-tenin’ny Baiboly vaovao tamin’ny fiteny maro eran’i Eoropa.

Nihamaro ny Baiboly tamin’ny teny anglisy. Nisy mpanao tsikera nilaza àry hoe sao dia tsy ilaina ny manao dikan-teny be dia be amin’ny fiteny iray. Hoy i John Lewis, pretra anglisy, 300 taona lasa teo ho eo izay: “Sarotra azo ny teny iray rehefa tranainy be. Mila havaozina àry ireny dikan-teny taloha ireny mba ho mora azo sy hifanaraka amin’ny fiteny andavanandro.”

Mora kokoa amin’ireo manam-pahaizana momba ny Baiboly izao ny manavao an’ireny dikan-teny taloha ireny. Lasa azony kokoa mantsy ny fiteny nanoratana ny Baiboly. Betsaka koa ny Baiboly sora-tanana hita vao haingana. Manampy azy ireo hamantatra ny hevitry ny teny nanoratana ny Baiboly izy ireny.

Tena tsara àry ny manana dikan-tenin’ny Baiboly vaovao. Mazava ho azy, fa mila mailo isika rehefa mifidy an’izay hampiasaintsika. * Handray soa anefa isika raha tena tia an’Andriamanitra ireo olona nanao an’ilay dikan-teny vaovao nofidintsika.

 

^ feh. 24 Jereo ilay lahatsoratra hoe: “Inona no Baiboly Tokony Hovakinao?” ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Mey 2008.