Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MATOAN-DAHATSORATRA | NAHOANA I JESOSY NO NIJALY SY MATY?

Tena Nitranga ve Izany?

Tena Nitranga ve Izany?

Taona 33 tamin’izay, ary lohataona ny andro. Novonoina ho faty i Jesosy avy any Nazareta. Nendrikendrehina ho nitaona ny olona hikomy izy, nampijalijalina, ary avy eo nofantsihana tamin’ny hazo fijaliana. Nanaintaina be izy mandra-pahafatiny. Natsangan’Andriamanitra tamin’ny maty anefa izy ary niakatra tany an-danitra, 40 andro taorian’izay.

Hitantsika ao amin’ireo Filazantsara efatra ao amin’ny Soratra Grika Kristianina, na Testamenta Vaovao, io fitantarana miavaka io. Nitranga tokoa ve anefa ireo? Tena ilaina fantarina izany. Raha tsy nitranga akory mantsy ireo, dia tsy hisy dikany ny finoan’ny Kristianina, ary ho nofinofy ihany ilay fanantenana hoe hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa. (1 Korintianina 15:14) Raha tena nitranga kosa ireo zavatra ireo, dia hanana hoavy tsara ny olombelona rehetra, anisan’izany ianao. Tena azo antoka àry ve ny zavatra lazain’ny Filazantsara?

POROFO FA TENA NISY I JESOSY

Tsy mitovy amin’ny angano ny zavatra resahin’ny Filazantsara, fa tena marina sady amin’ny an-tsipiriany. Be dia be anaran-toerana tena nisy, ohatra, ao. Mbola misy amin’izao aza ny sasany amin’izy ireny sady azo tsidihina. Miresaka olona tena nisy koa ny Filazantsara, ary mifanaraka amin’ny voalazan’ny mpahay tantara izany.—Lioka 3:1, 2, 23.

Niresaka momba an’i Jesosy ny mpanoratra sasany tamin’ny taonjato voalohany sy faharoa. * Voatantara ao amin’ny Filazantsara ny fomba namonoana an’i Jesosy, ary mitovy amin’ny fomba namonoan’ny Romanina olon-dratsy tamin’izany ilay izy. Miresaka ny zavatra tena nitranga koa ny Filazantsara fa tsy manafinafina. Tantarainy ao hatramin’ny zavatra tsy nety nataon’ny mpianatr’i Jesosy. (Matio 26:56; Lioka 22:24-26; Jaona 18:10, 11) Hita amin’izany fa tena nilaza ny marina ny mpanoratra ny Filazantsara rehefa niresaka momba an’i Jesosy.

POROFO FA TENA NATSANGANA I JESOSY

Betsaka no manaiky hoe tena nisy i Jesosy ary maty izy avy eo. Misy anefa tsy mino hoe nitsangana tamin’ny maty izy. Na ireo apostolin’i Jesosy aza tsy nino tamin’ny voalohany rehefa nisy niteny tamin’izy ireo hoe velona indray izy. (Lioka 24:11) Rehefa nahita an’i Jesosy tamin’ny fotoana samy hafa anefa ny apostoly sy ny mpianatra hafa, dia tsy nisalasala intsony. Mpianatra 500 mahery, ohatra, indray mandeha, no niara-nahita an’i Jesosy.—1 Korintianina 15:6.

Sahy nitory momba ny nitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty ny mpianany, na dia mety ho voasambotra sy hovonoina aza. Niresaka tamin’ireo olona namono an’i Jesosy mihitsy aza izy ireo. (Asan’ny Apostoly 4:1-3, 10, 19, 20; 5:27-32) Ho sahy hanao an’izany ve izy ireo raha tsy azony antoka akory hoe tena natsangana i Jesosy? Ny nitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty aza no nahatonga ny Fivavahana Kristianina ho be mpanaraka, tamin’izany sy amin’izao fotoana izao.

Tena marina sy azo antoka àry ny fitantaran’ny Filazantsara momba ny nahafatesan’i Jesosy sy ny nitsanganany tamin’ny maty. Raha mamaky tsara azy ireny ianao, dia hiaiky fa tena nitranga tokoa izy ireny. Hihamatanjaka izany finoanao izany raha fantatrao hoe nahoana izy ireny no nitranga. Hanazava an’izany ny lahatsoratra manaraka.

^ feh. 7 Anisan’izany i Tacite, teraka tamin’ny taona 55 tany ho any. Hoy izy: ‘Novonoin’i Pontio Pilato, anisan’ny manam-pahefana teo amintsika, i Kristy, ilay niavian’ny anarana hoe Kristianina, nandritra ny fitondran’i Tiberio.’ Niresaka momba an’i Jesosy koa i Suétone (taonjato voalohany), sy Josèphe, mpahay tantara jiosy (taonjato voalohany), ary Pline Zandriny, governoran’i Bitynia (teo am-piandohan’ny taonjato faharoa).