Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manàna Tanjona

Manàna Tanjona

Lasa tianao kokoa ny mianatra sady tsy ataonao alasafay raha fantatrao hoe inona no tanjonao.

ILAINA ny manana tanjona rehefa mianatra. Raha tsy izany ianao dia ho toy ny olona mifaninana mihazakazaka nefa tsy mahalala hoe aiza ny farany. Hoy ny Baiboly: “Aoka ho azo antoka tsara ny lalanao rehetra.” (Ohabolana 4:26) Hifantoka amin’ny fianarana foana ianao raha manana tanjona ary tsy ho sahirana rehefa hiasa. Inona no azonao atao mba hananana tanjona?

Mieritrereta hoe: ‘Inona no asa tiako hatao?’ Tsara raha tonga dia fantatrao izany, mba hanaovanao fandaharana mialoha. Toy ny olona hanao dia lavitra ianao, ka tsy maintsy fantarinao aloha ny toerana haleha sy ny fomba hahatongavana any. Eritrereto koa ny asa hataonao rehefa mianatra ianao, ary fidio izay fianarana hanampy anao amin’izany.

Fampitandremana: Maro ny tanora tsy mieritreritra afa-tsy asa iray tena tiany, ohatra hoe ny ho lasa mpitendry zavamaneno matihanina. Tsy tia asa ankoatra an’izay izy. Inona kosa no tokony hatao?

  1. Fantaro izay manavanana anao. Tia manampy ny hafa ve ianao na manamboamboatra zavatra? Sa ianao mahay manamboatra fiara na resaka kaonty?

  2. Eritrereto izay asa mety ho azonao atao. Inona no asa mifanaraka tsara amin’ny zavatra manavanana anao? Mieritrereta asa maromaro azo tanterahina fa tsy izay asa nonofinofisinao ihany. Diniho miaraka amin’ny hafa izany. Azo atao any an-toeran-kafa ve ilay asa, raha sendra mifindra ianao? Mety hahatonga anao ho bokan’ny trosa ve ny fiofanana tsy maintsy atao?

  3. Jereo raha mety eny aminareo ilay asa. Izany no tokony hataonao rehefa avy nifidy an’ilay asa ianao. Mahalala olona mety ho afaka hampiasa anao ve ianao? Afaka mampiofana amin’ilay asa ve izy, sa misy sekoly manao an’izany eny aminareo?

Soso-kevitra: Miresaha amin’ny ray aman-dreny sy ny mpampianatra ary ny olon-dehibe afaka manampy. Mitadiava fanazavana amin’ny boky, gazety, na Internet.

Fehiny: Ho fantatrao izay fianarana tokony hataonao raha manana tanjona ianao.

Izao atao: Saintsaino ireo lafin-javatra telo ireo raha mbola mianatra ianao. Soraty avy eo ny tanjonao ary resaho amin’ny ray aman-dreninao.