Tandrovy ny Fahasalamanao
Tandrovy ny fahasalamanao, dia hahay kokoa ianao any am-pianarana ary hihatsara ny fiainanao.
MILA karakaraina ny vatana satria fanomezan’Andriamanitra. (Salamo 139:14) Eritrereto hoe manana fiara ianao, nefa tsy mikojakoja azy io mihitsy. Azo inoana fa ho simba tsy ho ela izy io. Toy izany koa ny vatanao. Ahoana àry no “hikojakojanao” azy?
Torimaso ampy.
Ho lali-maso sy ho kamokamo ianao raha tsy ampy tory. Hikorontan-tsaina koa ianao, ary mety ho kivy mihitsy aza. Raha ampy tory anefa ianao, dia havitrika kokoa, hitombo haingana, ho falifaly foana, hatanjaka ny hery fanefitrao, ary hiasa tsara ny atidohanao. Tsy ilana ezaka be ny hoe ampy torimaso nefa tena mahasoa.
Soso-kevitra: Miezaha hatory amin’ny ora mitovy, isan’alina.
Sakafo.
Mitombo haingana be ny ankizy. Lasa avo roa heny noho ny tamin’izy 10 taona, ohatra, ny lanjan’ny ankamaroan’ny ankizilahy rehefa 17 taona izy. Mitombo be koa ny ankizivavy. Mila sakafo mahavelona sy mampahatanjaka be dia be ny vatan’ny zaza mitombo. Omeo izay ilainy àry ny vatanao.
Soso-kevitra: Mihinàna foana sakafo maraina, alohan’ny handeha hianatra. Hifantoka kokoa ianao amin’izay sady hanana fitadidiana.
Fanatanjahan-tena.
Hoy ny Baiboly: ‘Mahasoa ny fampiasan-tena.’ (1 Timoty 4:8) Hanatanjaka ny hozatrao sy ny taolanao izany, ary tsy ho mora reraka ianao. Tsy hatavy be koa ianao, hiasa tsara kokoa ny sainao, hatanjaka ny hery fanefitrao, tsy hiady saina loatra ianao, ary ho falifaly foana. Fanatanjahan-tena tianao koa no ataovy dia ho faly ianao.
Fehiny: Hiasa tsara ny vatanao ka haharaka tsara ianao any am-pianarana, rehefa ampy torimaso sy misakafo tsara ary manao fanatanjahan-tena tsy mandreraka be. *
Izao atao: Manaova fanatanjahan-tena tsy tapaka nefa tsy tafahoatra. Diniho raha ampy torimaso sy nisakafo tsara ianao tao anatin’ny iray volana. Inona no azonao atao mba hanatsarana an’izany?
“Hitako hoe mihamatanjaka aho rehefa mandeha an-tongotra, na dia reraka aza tamin’ny voalohany.”—Jason, Nouvelle-Zélande.
“Namorona ny sakafo Andriamanitra mba hahasoa antsika, ka tiako raha sakafo tsara no haniko!”—Jill, Etazonia.
“Mihazakazaka intelo isan-kerinandro aho, ary mandeha bisikileta na mandeha an-tongotra indroa isan-kerinandro. Lasa matanjaka kokoa aho sady tsy dia miady saina.”—Grace, Aostralia.
^ Raha mila fanazavana fanampiny momba ny fahasalamana ianao, dia jereo ny toko 10 amin’ny boky Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Voalohany, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.