MIFOHAZA! Oktobra 2012
MATOAN-DAHATSORATRA
Ahoana no Andraisan-tsoa Amin’ny Fianarana?
Afaka mandray soa amin’ny fianarana ianao. Misy fomba dimy hanampy anao ato.
MATOAN-DAHATSORATRA
Mahaiza Mandamin-javatra
Soso-kevitra hanampy anao tsy hiady saina amin’ny fianarana sy hahazo naoty tsara.
MATOAN-DAHATSORATRA
Mitadiava Fanampiana
Tena mila mpanoro hevitra isika. Iza no mety ho afaka hanampy anao?
MATOAN-DAHATSORATRA
Tandrovy ny Fahasalamanao
Tandrovy ny fahasalamanao, dia hahay kokoa ianao any am-pianarana ary hihatsara ny fiainanao.
MATOAN-DAHATSORATRA
Manàna Tanjona
Fantatrao ve hoe inona no tanjonao amin’ny fianarana? Inona no tokony hoeritreretinao?
MATOAN-DAHATSORATRA
Afaka Manampy ny Ray Aman-dreny
Maro ny olana atrehin’ny ankizy any am-pianarana. Ahoana no azonao anampiana azy?
Inona no Tokony Hataon’ny Ankizy Matavy Loatra?
Vitan’ny lehilahy iray tia haninkanina ny nanova ny sakafo fihinany. Jereo ato ny tantarany.
Nitsidika Rajako Izahay
Andao hiaraka aminay hijery an’ilay rajako atao hoe Makumba, any amin’ny Valan-javaboary Dzanga-Ndoki.
NISY NAMORONA VE?
Ny Sela Mpandray Hafanana ao Amin’ny Voangorin’afo
Inona no ianaran’ny injeniera sy ny mpikaroka avy amin’io voangory hafakely io?
MANONTANY NY TANORA
Hanao Ahoana re ny Fiainako Rehefa Manambady Aho E?—Fizarana 2
Inona no hanampy anao ho vonona hiatrika an’ireo zavatra tsy ampoizina rehefa manambady?
Matahotra Vaovao Ratsy ve ny Zanakao?
Matahotra ve ny zanakao rehefa avy mijery vaovao? Ahoana no anampianao azy?
FANTARO IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY
Misy Heriny eo Amin’ny Fiainanao ve ny Kintana?
Maro no mitady torohevitra sy tari-dalana amin’ny mpanandro. Tena misy heriny eo amin’ny fiainantsika ve ny kintana?
Te Hahay Hitaiza ve Ianao?
Ahoana no hiarovanao ny zanakao mba tsy ho voataona hanao ratsy?
Tanteraka ny Faminanian’ny Baiboly—Fizarana 6
Misy heviny manokana ve ny zava-mitranga eran-tany ankehitriny? Mandiniha faminaniana fito mampiavaka ny fotoana iainantsika.
Topy Maso Eran-tany
Ho hitanao ato: Miady saina ny mponina an-tanàn-dehibe, Facebook, ary ny vokatry ny fijerena tele.
Natao Hodinihin’ny Mpianakavy
Dinihina amin’ity volana ity: Noa, Nehemia, ary Vavolombelon’i Jehovah any Zambia.

