Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

MIFOHAZA! OKTOBRA 2012

Nitsidika Rajako Izahay

Nitsidika Rajako Izahay

MISY ala mbola tsy nosimban’olona any atsimoandrefan’ny République centrafricaine, eo anelanelan’i Cameroun sy ny Repoblikan’i Congo. Misy zava-tsarobidy mbola tsy be mpahita ao. Te hahita an’ilay izy izahay, ka nandeha fiara nandritra ny adiny 12 mba hahatongavana tao amin’ny Valan-javaboary Dzanga-Ndoki. Tao no nahitanay an’ilay rajako atao hoe Makumba sy ny fianakaviany.

Vehivavy atao hoe Bara no nitarika anay, ary tsy navelany nisaratsaraka izahay. Nilaza izy fa tokony ho mailomailo izahay, satria fandalovan’ny elefanta nitady sakafo ilay lalana nandehananay. Tsy elefanta ihany anefa no natahoranay. Nanoro hevitra àry izy hoe: “Raha vao misy rajako tamy, dia aza mihetsika fa miondreha. Tsy haninona anareo izy fa hitabataba fotsiny. Aza mijery azy eo amin’ny masony. Ny ahy akimpiko fotsiny ny masoko.”

Lehilahy avy amin’ny foko BaAka no nanampy anay hahita lalana. Misy mihevitra fa Pygmée ry zareo noho ny paoziny sy ny hafohiny. Efa tena zatra  izy ka fantany foana raha vao misy biby, na dia ireo mahay miafina indrindra aza. Fantany ilay biby na dia zara raha hitany aza, ary na fofona sy feo kely fotsiny aza no reny. Feno andian-tantely koa nanodidina anay. Hain’ilay lehilahy erỳ ny nanavatsava an’ilay ala matevina, ka nila tsy ho arakay izy.

Tsy ela izahay dia tonga tao amin’ny ala iray mbola tsy nisy nanimba. Vitsy ny vazaha efa nitsofoka tao. Nijanona tampoka ilay lehilahy, ary nanondro toerana malalaka teo akaikin’ilay lalana nisy anay. Kirihitra efa tapatapaka sy bozaka efa milamaka no hitanay, satria nisy zanaka rajako nilalao teo. Nisy ambinkambina rantsankazo avy nohanin-dry zareo koa teo. Vao mainka izahay tsindrian-daona.

Mety hirefy 1,8 metatra sy hilanja 200 kilao mahery ny rajako any Afrika Andrefana

Nandeha niadana ilay lehilahy rehefa afaka telo kilaometatra teo ho eo. Nanao feo mipoapoaka tamin’ny lelany izy, amin’izay tsy matahotra ireo rajako. Nandre feo mibetroka kely izahay sady nandre sampan-kazo tapatapaka. Nasain’i Bara nandroso moramora ny rehetra ary tsy navelany niteny intsony. Nasainy nininginingina izahay ary nanondro tany amin’ireo hazo izy. Io fa tazanay i Makumba, tokony ho valo metatra avy teo aminay.

Lasa nangina tampoka ny tao anaty ala, ka ny fidoboky ny fo sisa no re. Nanahy izahay sao hanatona anay i Makumba. Nitodika tany aminay ihany izy, ka hitanay ny endriny matevin-koditra. Rehefa avy nandinika anay kelikely izy dia nanoaka be. Soa fa tsy naninona anay izy!

Midika hoe “Mailaka” ny hoe Makumba amin’ny fiteny aka. Tsy hoatr’izany mihitsy anefa i Makumba tamin’io maraina io, fa variana nisakafo miadana. Nisy zanaka rajako roa nifampitolontolona sy nifanitikitika teo akaiky teo. Nilalao teo akaikin’i Mopambi reniny kosa i Sopo, ilay rajako kely bebe maso vao folo volana. Nosintonin-dreniny moramora izy, raha vao nitady handeha lavidavitra. Ny hafa indray nihinana ravinkazo sy laingon-kazo na niara-nilalao. Nijery kely anay ry zareo ary nilalao indray avy eo.

Tsy maintsy nandeha izahay rehefa afaka adiny iray. Hita koa hoe efa leo anay i Makumba, ka nitrerona indray mandeha izy dia nitsangana ary lasa tany anaty ala. Vetivety dia lasa daholo izy rehetra. Hotsaroanay mandritra ny taona maro ireo zavaboary mahavariana ireo, na dia vetivety ihany aza no nahitanay azy.