Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

MIFOHAZA! OKTOBRA 2012

 Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

“Efa ho ny antsasaky ny olona voan’ny kansera [any Royaume-Uni], izany hoe 130 000 mahery, no afaka nisoroka an’izany raha tsy nifoka sigara sy tsy nisotro na nihinana zavatra mankarary.”—VAOVAON’NY BBC, GRANDE-BRETAGNE.

‘Mandroso be sy lasa arifomba izao ny fivarotana bibidia an-tsokosoko ataon’ireo fikambanan’ny mpanao heloka bevava, ka lasa mihena be noho ny hatramin’izay ireo karazana zavamananaina tian’ny olona indrindra.’—FIKAMBANANA MPIARO NY BIBIDIA, ETAZONIA.

Mihena dimy taona latsaka kely ny androm-piainan’ny olona mijery tele fotsiny mandritra ny adiny enina isan’andro eo ho eo, raha oharina amin’ny an’ireo tsy mijery tele. Midika izany fa mihena 22 minitra eo ho eo ny androm-piainan’ny olona iray, isaky ny mijery tele mandritra ny adiny iray izy.—BRITISH JOURNAL OF SPORTS MEDICINE, GRANDE-BRETAGNE.

Ny 90 isan-jato maherin’ny vehivavy bevohoka any Alemaina no mifidy ny hanala zaza rehefa mahalala hoe sembana ara-tsaina ny zaza ao an-kibony.—DER TAGESSPIEGEL, ALEMAINA.

Miady Saina ny Mponina An-tanàn-dehibe

Hita tamin’ny fikarohana fa “mora mahery setra ny mponina an-tanàn-dehibe rehefa miady saina, raha oharina amin’ny any ambanivohitra”, araka ny gazety poloney Przekrój. Milaza i Mieczysław Jaskulski, mpitsabo aretin-tsaina ao amin’ny Laboratoara Fikarohana Momba ny Aretin-tsaina any Varsovie hoe: “Be loatra ny zavatra mampiasa saina any an-tanàn-dehibe. ... Raha oharina amin’ireo any ambanivohitra, dia manan-tombo 21 isan-jato ny adin-tsaina mahazo ny mponina an-tanàn-dehibe, ary manan-tombo 39 isan-jato ny olana ara-pihetseham-po.” Inona àry no azon’izy ireo atao? Hoy ny Przekrój: “Aza miady saina amin’ny zavatra tsy azonao anoarana”, “aza mieritreritra asa intsony rehefa mirava”, “manaova dia an-tongotra kely”, ary “aza matahotra maka andro tsy iasana.”

Inona avy no Tehirizin’ny Facebook?

Nampiasa Facebook nandritra ny telo taona ny tovolahy aotrisianina iray nianatra momba ny lalàna, ka te hahafantatra ny zavatra voatahiry momba azy tao. Nandefasan’ny Facebook CD mirakitra fanazavana nahatratra 1 222 pejy izy. Hoy izy tao amin’ny gazety alemà Der Tagesspiegel: “Voatahiry tao daholo ny zava-drehetra, na hafatra io, na resadresaka, na fanazavana saro-pady momba ny namana.” Mbola tao koa aza ny fanazavana efa novonoiny!