Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

MIFOHAZA! OKTOBRA 2012

 Nisy Namorona Ve?

Ny Sela Mpandray Hafanana ao Amin’ny Voangorin’afo

Ny Sela Mpandray Hafanana ao Amin’ny Voangorin’afo

Mandositra ny ankamaroan’ny biby rehefa may ny ala. Ny voangorin’afo kosa vao mainka manatona. Hazo vao avy may mantsy no fanatodizany. Mandositra koa ny biby mpiremby azy, ka tsy voahelingelina izy rehefa misakafo sy mivady ary manatody. Fa ahoana no ahafantarany ny toerana misy ala may?

Sela mpandray hafanana

Diniho izao: Misy sela mpandray hafanana eo akaikin’ny tongony afovoany. Io no mamantatra an’ilay taratra tsy hita maso avy amin’ny ala may. Mahamay ireo sela ireo noho ilay taratra, ary iny no misarika an’ilay voangory hankany amin’ilay toerana misy afo.

Manampy ny voangorin’afo hamantatra ny toerana misy afo koa ny tandrony. Ireo no mamantatra ny zavatra simika avoakan’ny afo eny amin’ny rivotra rehefa may ny hazo tena tiany. Hitan’ny mpikaroka sasany fa fantatr’ireo voangory foana, na hazo iray monja aza no may any amin’ny 800 metatra. Izany rehetra izany no ahafantaran’ny voangorin’afo fa misy ala may any amin’ny 48 kilaometatra mahery avy eo aminy!

Dinihin’ireo mpikaroka ny sela mpandray hafanana sy ny tandrok’ilay voangory, mba hahafahany manatsara an’ireo fitaovana mpamantatra afo sy taratra tsy hita maso. Na tena arifomba aza ny fitaovana toy izany, dia tsy maintsy ampangatsiahina rehefa ampiasaina ao an-trano. Mihevitra àry ireo mpikaroka fa afaka manampy azy hamorona fitaovana tsara kokoa ny voangorin’afo. Nandinika ny tandroky ny voangory koa ny injeniera, ka lasa te hamorona fitaovana mpamantatra afo, izay arifomba kokoa sady mahay manavaka ny zavatra simika avy amin’ny ala may sy ny zavatra simika hafa.

Tena mahagaga an’ireo mpikaroka ny fahaizan’ny voangorin’afo mahita ny toerana hanatodizany. Hoy i Richard Hoebeke, manam-pahaizana momba ny voangory, ao amin’ny Oniversiten’i Cornell any Etazonia: “Ahoana no ahaizany an’izany? Tena kely ny zavatra fantatsika momba an’ireny bibikely ireny, izay manana fitaovana tena matsilo sy mandaitra ary be pitsiny mba hamantarana afo sy taratra tsy hita maso.”

Ahoana ny hevitrao? Avy amin’ny evolisiona (na fiovana miandalana) ve ny fahaizan’ny voangorin’afo mamantatra ala may, sa nisy namorona?