Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

MIFOHAZA! OKTOBRA 2012

Mahaiza Mandamin-javatra

Mahaiza Mandamin-javatra

Handray soa be dia be ianao raha miezaka kely mandamina an’izay ataonao. Hanam-potoana kokoa sy tsy dia hiady saina ianao ary ho tsara naoty.

AHOANA raha hividy zavatra iray ao amin’ny fivarotana lehibe ianao, nefa mikorontana ambony ambany ny entana ao? Tsy ho lany fotoana hitady an’ilay izy ve ianao? Tsy ho tsara kokoa ve raha milamina tsara ny entana ary misy soratra mampahafantatra ny toerana ahitana azy? Ilaina koa ny mahay mandamin-javatra rehefa mianatra. Ireto misy soso-kevitra:

Manaova fandaharam-potoana.

Hoy i Zachary, ankizilahy 18 taona avy any Etazonia: “Efa nisy fotoana aho nanadino tanteraka ny devoarako sady tsy nahavita raharaha, fa tany amin’ny namako nandritra ny faran’ny herinandro. Niangaviako ny mpampianatra nony tonga ny alatsinainy, mba hanome ahy fotoana hanaovana devoara. Ataoko lisitra izao ny zavatra ataoko ka tsy misy hadinoko.”

Hoy koa i Celestine, any Papouasie-Nouvelle-Guinée: “Nosoratako tao anaty fandaharam-potoanako daholo ny zavatra nataoko, toy ny devoara sy fanadinana ary fety. Amin’izay hitako hoe inona no lehibe kokoa, ka vitako ara-potoana ny zava-drehetra.”

Soso-kevitra: Ataovy lisitra ny zavatra tokony hataonao, ka soraty amin’ny karine, taratasy kely, telefaonina, na zavatra hafa.

Aza mangataka andro.

Mora erỳ ny milaza hoe: “Hataoko io rehefa avy eo.” Tsara kokoa anefa raha vitaina haingana ny zavatra tokony hatao, indrindra fa ny devoara.

Soso-kevitra: Miezaha hanao devoara raha vao tonga ao an-trano, dieny mbola tsy mijery tele na manao fialam-boly hafa.

Ampirimo mialoha ny fitaovam-pianarana.

Ahoana raha efa any am-pianarana ianao vao mahita hoe hadino ny kahie, stylo, na boky? Ahoana no hisorohana an’izany? Hoy i Aung Myat, tovolahy any Myanmar: “Ampirimiko mialoha foana ny fitaovana entiko mianatra.”

Soso-kevitra: Alamino tsara ny fitaovana ao anaty kitaponao mba ho mora tadiavina.

Fehiny: Mahaiza mandamin-javatra, dia tsy hanadinodino zavatra ianao, tsy ho tara, ary hanam-potoana hanaovana ny zavatra hafa tokony hatao.

Izao atao: Eritrereto hoe inona no zavatra tokony halaminao? Mitadiava fanampiana amin’ny ray na reny na namanao avy eo.

Fanampim-panazavana

Inona no Hanampy Ahy Tsy Hangataka Andro?

Misy soso-kevitra hanampy anao tsy hangataka andro ato.

Ataoko Ahoana Daholo Ireto Devoara Ireto?

Tsy arakao intsony ve ny devoaranao? Inona no azonao atao?

Ampiasao Tsara ny Fotoana

Diniho hoe ahoana no ampiasanao ny fotoananao isan’andro sy ny fiainanao manontolo mihitsy. Ahoana moa izany?