Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Boky Iray Azonao Itokisana—Fizarana 5

Gresy Fahiny

Boky Iray Azonao Itokisana—Fizarana 5

Miresaka momba an’ireo firenena matanjaka resahin’ny Baiboly ny “Mifohaza!”, ka ity no fahadimy amin’ireo lahatsoratra fito misesy momba izany. Nosoratana ireo lahatsoratra ireo mba hampiharihariana fa azo itokisana ny Baiboly, avy amin’ny fanahy masina, ary mampanantena fa hifarana ny fijaliana vokatry ny fitondran’olombelona feno habibiana.

LASA nalaza i Gresy * tamin’ny taonjato fahefatra Talohan’i Kristy (T.K.), noho i Aleksandra, tovolahy makedonianina. Nantsoina hoe Aleksandra Lehibe izy, ary i Gresy no lasa firenena matanjaka fahadimy, taorian’i Ejipta, Asyria, Babylona, ary Media sy Persa.

Nizarazara sy nihalefy ny herin’ny fanjakan’i Aleksandra rehefa maty izy. Tsy firenena matanjaka intsony i Gresy nefa nanan-kery nandritra ny fotoana ela, noho ny kolontsainy, ny fiteniny, ny fivavahany, ary ny filozofiany.

Tantara azo itokisana

Tsy milaza ny Baiboly hoe nisy olona nirahin’Andriamanitra haminany, tamin’ny fotoana nampahatanjaka an’i Gresy. Tsy nisy boky ao amin’ny Baiboly nosoratana koa tamin’izany. Resahin’ny faminanian’ny Baiboly anefa i Gresy. Aseho matetika ao amin’ny Soratra Grika Kristianina, na Testamenta Vaovao, koa fa nanan-kery izy. Avy amin’ny teny grika midika hoe “tanàna folo”, ohatra, ny hoe Dekapolisy, izay niantsoana tanàna folo tany Israely sy teny akaikiny. (Matio 4:25; Marka 5:20; 7:31) Tononin’ny Baiboly imbetsaka i Dekapolisy ary hita fa tena nisy, rehefa jerena ny tantara tsy ara-pivavahana sy ireo sisa tavela tamin’ny teatra, kianja be, tempoly, ary toerana fandroana.

Miresaka betsaka momba ny kolontsaina sy fivavahana grika koa ny Baiboly, indrindra fa ny Asan’ny Apostoly, izay nosoratan’i Lioka dokotera. Ireto misy ohatra:

Mitantara ny nitsidihan’ny apostoly Paoly an’i Atena tamin’ny taona 50 ny Baiboly, ary voalaza ao fa feno “sampy eran’ilay tanàna.” (Asan’ny Apostoly 17:16) Hamarinin’ny tantara fa feno sampy sy toerana masina tokoa i Atena sy ny manodidina.

Hoy ny Asan’ny Apostoly 17:21: “Ny firesahana na fihainoana zava-baovao ... no fandanian’andron’ny Atenianina sy ny vahiny rehetra nandalo tao.” Nasehon’ny asa soratr’i Thucydide sy Démosthène fa tia niresaka sy niady hevitra tokoa ny Atenianina.

Milaza mazava ny Baiboly hoe “niady hevitra” tamin’i Paoly ny “Epikoreanina sy ny filozofa stôika”, ary nitondra azy teo amin’ny Areopago mihitsy satria te hihaino azy bebe kokoa. (Asan’ny Apostoly 17:18, 19) Nampahalaza an’i Atena ireo filozofa maro, anisan’izany ny Epikoreanina sy ny Stôika.

Alitara ho an’ny andriamanitra tsy fantatra

Nisy hoe “Ho An’Andriamanitra Tsy Fantatra” ny alitara iray tao Atena, hoy i Paoly. (Asan’ny Apostoly 17:23) Toa i Épiménide avy any Kreta no nanorina an’ireo alitara “ho an’andriamanitra tsy fantatra.”

Hoy i Paoly rehefa nandaha-teny tamin’ny Atenianina: “Fa naterany koa isika.” Tsy tenin’ny poety iray io nindraminy io fa tenin’ny ‘poety sasany teo amin’izy ireo.’ (Asan’ny Apostoly 17:28) Hita fa i Aratus sy Cléanthe ireo poety grika ireo.

Rariny àry raha niteny toy izao ny manam-pahaizana iray: “Hitako hoe olona nanatri-maso no nitantara ny fitsidihan’i Paoly an’i Atena.” Toy izany koa ny fitantaran’ny Baiboly momba ny nandehanan’i Paoly tany Efesosy, any Azia Minora. Mbola tia nivavaka tamin’ny sampy grika ny olona tao amin’io tanàna io, tamin’ny taonjato voalohany, ary i Artemisy andriamanibavy no tena nalaza.

Sarivongan’i Artemisy, andriamanibavy efesianina

Tononin’ny Asan’ny Apostoly imbetsaka ny tempolin’i Artemisy, izay iray amin’ireo zava-mahatalanjona fito fahiny. Voalaza, ohatra, fa nahatezitra an’i Demetrio mpanefy volafotsy ny fitorian’i Paoly tany Efesosy. Mpanamboatra tempoly kelin’i Artemisy i Demetrio ary nandeha be ny tsenany. Tezitra izy niteny hoe: “Io Paoly io no nandresy lahatra vahoaka maro sy nampiova hevitra azy, tamin’ny filazana fa tsy andriamanitra ireo andriamanitra nataon-tanana.” (Asan’ny Apostoly 19:23-28) Nitarika vahoaka romotra àry i Demetrio ka niantsoantso izy ireo hoe: “Lehibe i Artemisin’ny Efesianina!”

Azonao tsidihina ny sisa tavela amin’i Efesosy sy ilay toerana nisy ny tempolin’i Artemisy. Hita amin’ireo soratra fahiny avy any Efesosy koa fa natao hanomezam-boninahitra an’i Artemisy ireo sampy, ary be mpanefy volafotsy tany.

Faminaniana azo itokisana

Nanoratra momba izay hitranga i Daniela, mpaminanin’i Jehovah Andriamanitra, 200 taona teo ho eo talohan’ny andron’i Aleksandra Lehibe. Hoy izy: ‘Nahita osilahy iray avy any amin’ny filentehan’ny masoandro aho. Dia nitety ny tany manontolo izy io nefa tsy nitehi-tany. Ary nisy tandroka niharihary be teo anelanelan’ny masony. Nihananatona izy mba hanafika an’ilay ondrilahy manana tandroka roa. Dia nihazakazaka nankany amin’ilay ondrilahy izy, sady romotry ny hatezerana. Dia namely an’ilay ondrilahy izy, ka nahatapaka ny tandrony roa. Tsy nanan-kery hanoherana azy ilay ondrilahy, ka nazerany tamin’ny tany sady nohitsakitsahiny. Nirehareha loatra ilay osilahy. Raha vao natanjaka anefa izy, dia tapaka ilay tandroka lehibe, ary nisy tandroka efatra nipoitra nisolo azy io. Niharihary be izy ireo, ary nitodika tany amin’ny rivotra efatry ny lanitra.’—Daniela 8:5-8.

Marina tsara izay nolazain’ny Baiboly momba ny fandresen’i Aleksandra Lehibe sy ny hizarazaran’ny fanjakany

Mihatra amin’iza izany? Hoy i Daniela: “Ilay ondrilahy hitanao, izay manana tandroka roa, dia ireo mpanjakan’i Media sy Persa. Ilay osilahy lava volo dia ny mpanjakan’i Gresy, ary ilay tandroka lehibe teo anelanelan’ny masony dia ny mpanjaka voalohany.”—Daniela 8:20-22.

Eritrereto ange e! Efa nolazain’ny Baiboly tamin’ny fotoana nampahatanjaka an’i Babylona fa i Media sy Persa sy Gresy no ho firenena matanjaka manaraka. Efa voalaza mazava teo koa hoe “raha vao natanjaka [i Gresy], dia tapaka ilay tandroka lehibe”, izany hoe i Aleksandra, ary hisy efatra hisolo azy nefa tsy taranany.—Daniela 11:4.

Tanteraka tamin’ny an-tsipiriany tokoa izany. Lasa mpanjaka i Aleksandra tamin’ny 336 T.K., ary resiny tao anatin’ny fito taona i Dariosy III, mpanjaka persianina matanjaka. Nanitatra ny faritaniny izy avy eo, mandra-pahafatiny tamin’ny 323 T.K., teo amin’ny faha-32 taonany. Tsy nisy nanana fahefana feno toa an’i Aleksandra ireo nandimby azy, ary tsy nisy taranany nandimby azy. Milaza kosa ny boky Fotoana Nampiroborobo ny Kolontsaina Grika (anglisy) fa “nanao ny tenany ho mpanjaka” sy naka an-keriny an’ilay fanjakana ireo jeneraliny efatra, dia i Lysimaque, Cassandre, Séleucus, ary Ptolémée.

Nanatanteraka faminaniana hafa koa i Aleksandra, rehefa nanitatra ny faritaniny. Nilaza mialoha, ohatra, i Ezekiela sy Zakaria, niaina tamin’ny taonjato fahafito sy fahenina T.K., fa ho rava ny tanànan’i Tyro. (Ezekiela 26:3-5, 12; 27:32-36; Zakaria 9:3, 4) Nanoratra mihitsy aza i Ezekiela fa hatao “any anaty rano” ny vato sy ny vovoka ao aminy. Tanteraka ve izany?

Nanatanteraka ny faminanian’ny Baiboly i Aleksandra rehefa nampiasa ny sisan-javatry ny tanànan’i Tyro eo amin’ny kontinanta, mba hanaovana fefiloha mankeny amin’ilay tanàna anosy

Diniho izay nataon’ny tafik’i Aleksandra rehefa nanao fahirano an’i Tyro izy, tamin’ny 332 T.K. Nalefan’izy ireo tao an-dranomasina ny sisan-javatry ny tanànan’i Tyro teo amin’ny kontinanta, ary nanamboarany fefiloha nankeny amin’ilay tanàna anosy. Nahomby ilay tetika ka resy i Tyro. Hoy ny mpikaroka iray nandinika an’ilay toerana, tamin’ny taonjato faha-19: “Tanteraka hatramin’ny tsipiriany madinika indrindra ireo faminaniana momba an’i Tyro.” *

Fanantenana azo itokisana

Tsy hoe niadana sy tsy nanana ahiahy ny olona rehefa nandresy tany maro i Aleksandra. Hoy ny manam-pahaizana iray nandinika ny fotoana nampahatanjaka an’i Gresy: ‘Zara raha nivoatra ny fiainan’ny sarambabem-bahoaka.’ Niverimberina matetika izany teo amin’ny tantara. Marina mihitsy ny lazain’ny Baiboly hoe: “Nanjakazaka tamin’ny namany ny olona ka nampiditra loza taminy.”—Mpitoriteny 8:9.

Tsy hitohy mandrakizay anefa izany, satria nanorina fanjakana avo lenta lavitra noho ny an’ny olombelona Andriamanitra. Hisolo ny fitondran’olombelona rehetra io Fanjakan’Andriamanitra io ary tena hiadana sy tsy hanana ahiahy mandrakizay ny olom-peheziny.—Isaia 25:6; 65:21, 22; Daniela 2:35, 44; Apokalypsy 11:15.

I Jesosy Kristy no ho Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Tia an’Andriamanitra sy ny olombelona i Jesosy fa tsy toa an’ireo mpitondra liam-pahefana sy tsy miraharaha ny hafa. Hoy ny mpanao salamo momba azy: “Hovonjeny ny mahantra miantso vonjy, mbamin’ny ory sy izay rehetra tsy manan-kamonjy. Hangoraka ny olona ambany sy ny mahantra izy, ary hamonjy ny ain’ny mahantra. Hanavotra ny ain’izy ireo amin’ny fampahoriana sy ny herisetra izy.”—Salamo 72:12-14.

Tianao ve ny Mpitondra toy izany? Hahaliana anao àry ny handinika ny momba an’ilay firenena matanjaka fahenina, dia i Roma. Tamin’ny fotoana nampahatanjaka an’i Roma no teraka ilay Mpamonjy nolazaina mialoha, izay namela soritra maharitra teo amin’ny tantara. Vakio ao amin’ny Mifohaza! manaraka ny fahenina amin’ireo lahatsoratra mitohitohy momba ny firenena matanjaka.

^ feh. 4 I Gresy talohan’ny taonjato voalohany no resahina ato amin’ity lahatsoratra ity, fa tsy i Gresy ankehitriny.

^ feh. 23 Efa nolazain’i Ezekiela mialoha fa i Nebokadrezara mpanjakan’i Babylona no handresy voalohany an’i Tyro. (Ezekiela 26:7) Naorina indray ilay tanàna avy eo. Io tanàna voaorina io ilay noravan’i Aleksandra, ka nahatanteraka ny tsipirian’ireo faminaniana rehetra.