Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fomba 2—Karakarao ny Vatanao

Fomba 2—Karakarao ny Vatanao

“Tsy misy tokoa olona mankahala ny tenany fa dia mamelona sy mikarakara azy.” (Efesianina 5:29, Dikanteny Iombonana Eto Madagasikara) Tena ho salama ianao raha mikarakara vatana.

Aoka ianao ho ampy torimaso. “Aleo fialan-tsasatra eran-tanan’ila, toy izay asa mafy eran-tanan-droa nefa toy ny misambo-drivotra fotsiny.” (Mpitoriteny 4:6) Be ny adidy sy ny fialam-boly ankehitriny, ka lasa tsy ampy ny fotoana hatoriana. Ilaina anefa ny torimaso mba hahasalama. Asehon’ny fandinihana fa mihavao ny vatana sy ny atidoha rehefa matory, ka mihatsara ny fitadidiana sy ny toe-po.

Manatanjaka ny hery fanefitra ny torimaso ary mahatonga antsika tsy ho mora andairan’ny otrikaretina na diabeta na kansera, tsy ho mora marary fo, matavy loatra, ketraka lava, tapaka lalan-dra, ary angamba aza tsy ho mora voan’ny aretin’i Alzheimer. “Aro loza” voajanahary ny torimaso ka aleo matory rehefa te hatory, fa tsy mihinana vatomamy na zavatra tsy mampatory na misotro kafe. Mila matory adiny fito na adiny valo isan’alina ny ankamaroan’ny olon-dehibe mba hahazo aina sy ho metimety tsara ary hahavita hiasa tsara. Mila torimaso mihoatra noho izany ny tanora. Mora mikorontan-tsaina ny tanora tsy ampy torimaso ary mora resin-tory rehefa mitondra fiara.

Tena mila matory isika, indrindra rehefa marary. Mety ho sitrana ny aretina sasany toy ny sery, raha matory bebe kokoa isika ary misotro rano betsaka.

Karakarao ny nifinao. Tsara ny miborosy nify sy mampiasa kofehy fanadiova-nify isaky ny avy misakafo, indrindra rehefa hatory. Hiaro ny nify sy ny hihy tsy ho simba izany ary hiaro antsika tsy ho banga. Tsy handray soa feno amin’ny sakafo hanintsika isika raha banga. Voalaza fa tsy matin’ny fahanterana ny elefanta fa matin’ny hanoanana, satria mihasimba ny nifiny ka tsy afaka mitsako tsara intsony izy. Raha zarina miborosy nify sy mampiasa kofehy fanadiova-nify ny ankizy isaky ny avy misakafo, dia ho salama kokoa rehefa mihalehibe.

Manatòna dokotera. Ilana dokotera matihanina ny aretina sasany. Ho voatsabo tsara sy tsy handaniam-bola kokoa izy ireny raha hita mialoha. Ataovy àry izay ahitana sy itsaboana ny fototry ny aretina raha tsy salama ianao, fa aza manala soritr’aretina fotsiny.

Hisoroka olana maro isika raha manao fizaham-pahasalamana tsy tapaka, toy ny vehivavy bevohoka karakarain’ny dokotera mahay. * Tadidio anefa fa tsy mahavita fahagagana ny dokotera. Rehefa hataon’Andriamanitra “vaovao ny zava-drehetra” vao ho sitrana daholo ny aretina.—Apokalypsy 21:4, 5.

^ feh. 8 Jereo ilay lahatsoratra hoe “Reny Salama Zaza Salama”, ao amin’ny Mifohaza! Novambra 2009.