Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

MIFOHAZA! MARTSA 2011

Fomba 5—Ny Fahasalamanao sy ny An’ny Fianakavianao

Fomba 5—Ny Fahasalamanao sy ny An’ny Fianakavianao

“Miezaka hahalala ny zava-misy ny olona malina rehefa hanao zavatra.” (Ohabolana 13:16) Hanampy anao ho vonona hanao izay fanovana ilaina mba hahasalama anareo mianakavy ny fahalalana zavatra sasany momba ny fahasalamana.

Mianara foana. Mampianatra sy manome boky momba ny fahasalamana ny fikambanana miankina sy tsy miankina, any amin’ny tany sasany. Hararaoty izy ireny. Ianaro ireo fomba tsotra hanatsarana sy hitandroana fahasalamana, ary aza tery saina fa mivonòna hiova.

Tena mety hitondra soa ho anao sy ny taranakao ny fahazarana tsara nianaranao. Azo inoana fa handray soa ny ankizy raha modely tsara ny ray aman-dreniny, eo amin’ny resaka sakafo, fahadiovana, torimaso, fanatanjahan-tena, ary fisorohana aretina.—Ohabolana 22:6.

Inona koa no ilaina? Tsy ampy handrisika anao hanao izay hahasalama anao ny fiheverana izay hahasoa anao. Mety ho sarotra ialana ny fahazaran-dratsy, ary matetika no ilana finiavana be na dia ny manao fanovana kely fotsiny aza. Mety tsy hanao izay fantany fa hahasoa azy ny olona sasany, na dia efa atahorana harary mafy sy ho faty aza. Inona àry no handrisika azy? Toa antsika rehetra, dia mila manana antony lehibe hiovany izy.

Tokony ho salama sy hatanjaka foana, ohatra, ny mpivady, mba hahafahany hifanampy. Te hanampy sy hampiofana ny zanany foana ny ray aman-dreny. Mila mikarakara ny havany mihantitra koa ireo ankizy efa lehibe. Tiantsika hahafinaritra ny fiaraha-monina isika, fa tsy ho enta-mavesatra ho azy ireo. Ilana fitiavana sy fiahiana ny hafa izany rehetra izany.

Mbola misy antony lehibe noho izany aza, dia ny hoe te hankasitraka ny Mpamorona sy hahafoy tena ho azy isika. Tian’ireo mino an’Andriamanitra ny hiaro ny aina, izay fanomezana sarobidy. (Salamo 36:9) Ho afaka hanompo azy bebe kokoa isika raha salama. Izany no antony lehibe indrindra hikarakarantsika fahasalamana.

Mandray soa ny olona mikarakara fahasalamana