Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

MIFOHAZA! MARTSA 2011

Fomba 1—Misakafoana Tsara

Fomba 1—Misakafoana Tsara

“Mihinàna, nefa aza atao be loatra, ary zavamaniry hohanina betsaka.” Tsotra sady tsy tontan’ny ela io torohevitr’i Michael Pollan mpanoratra io. Inona no tiany holazaina?

Mihinàna sakafo tsy notehirizina. Aleo sakafo vao notazana na vao nokarakaraina, toy ny fihinan’ny olona hatramin’izay, toy izay sakafo amin’ny boaty na notehirizina. Mazàna no be siramamy sy sira ary menaka ny sakafo amin’ny boaty na plastika na ny sakafo masaka efa notehirizina, aroso any amin’ny hotely fisakafoana. Mahatonga aretim-po, fahatapahan’ny lalan-dra, kansera, na aretina hafa izany. Tsara raha tsy endasina ny sakafo fa andrahoina amin’ny rano na etona na lafaoro. Mampiasà zavamanitra mampahatsiro sakafo mba tsy hampiasana sira be. Andrahoy tsara ny hena, ary aza mihinana sakafo simba.

Aza mihinana be loatra. Milaza ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana (OMS) fa mihamaro ny olona matavy loatra. Vokatry ny fihinanana tafahoatra izany matetika. Hita tamin’ny fandinihana iray fa “betsaka kokoa noho ny ankizy tsy ampy sakafo ny ankizy matavy loatra”, any amin’ny faritra sasany atỳ Afrika. Na ho ela na ho haingana, dia mety harary ny ankizy matavy loatra, ohatra hoe ho voan’ny diabeta. Ry ray aman-dreny, fero ny sakafo hohaninareo mba hanahafan’ny zanakareo anareo.

Zavamaniry no tena ataovy sakafo. Mahasalama kokoa noho ny hena sy sakafo be tavolo ny voankazo sy legioma ary voamadinika. Miezaha mihinana trondro indray mandeha na indroa isan-kerinandro, ho solon’ny hena. Tsy dia misy otrikaina intsony ny sakafo sasany, toy ny paty sy vary fotsy ary mofo sasany, ka aza hanina betsaka. Aza mihinana sakafo be mpitia nefa mampidi-doza. Ry ray aman-dreny, arovy ny fahasalaman’ny zanakareo ka ataovy izay itiavany sakafo mahasalama. Omeo voanjo sy voankazo na legioma madio tsara, ohatra, izy rehefa mitady haninkanina, fa aza omena vatomamy na ovy nendasina.

Misotroa rano betsaka. Na ankizy ianao na lehibe, dia ataovy betsaka ny rano sy ranon-javatra tsy misy siramamy sotroinao isan’andro, indrindra amin’ny andro mafana sy rehefa mampiasa vatana na manao fanatanjahan-tena. Manampy amin’ny fandevonan-kanina ny rano, manala ny loto ao amin’ny vatana, mahasalama hoditra, ary mampihena. Ho azonao ny ainao ary ho metimety tsara ianao. Aza atao be loatra ny toaka sy zava-pisotro mamy sotroinao. Hitombo enina kilao mahery isan-taona ianao, raha misotro zava-pisotro mamy iray vera eo ho eo isan’andro.

Mety ho lafo sy sarotra azo ny rano madio, any amin’ny tany sasany, nefa tena ilaina. Tokony hampangotrahina na diovina amin’ny zavatra simika ny rano tsy azo antoka. Voalaza fa betsaka kokoa ny olona matin’ny rano maloto noho ny matin’ny ady na horohoron-tany. Mahafaty ankizy 4 000 isan’andro izy io. Milaza ny OMS fa tsara raha tsy omena afa-tsy nonon-dreny ny zaza, hatramin’ny fahenim-bolany, ary ampiana sakafo hafa izany aorian’izay, hatramin’ny faharoa taonany, fara faharatsiny.