Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Boky Iray Azonao Itokisana: Fizarana 6

Boky Iray Azonao Itokisana: Fizarana 6

 Boky Iray Azonao Itokisana: Fizarana 6

Roma Fahiny

Miresaka momba an’ireo firenena matanjaka resahin’ny Baiboly ny Mifohaza!, ka ity no fahenina amin’ireo lahatsoratra fito misesy momba izany. Nosoratana ireo lahatsoratra ireo mba hampiharihariana fa azo itokisana ny Baiboly, avy amin’ny fanahy masina, ary mampanantena fa hifarana ny fijaliana vokatry ny fitondran’olombelona feno habibiana.

NANORINA ny Fivavahana Kristianina i Jesosy, ary nampiely azy io ny mpanara-dia azy, tamin’ny fotoana nampahatanjaka ny Fanjakana Romanina. Mbola ahitana lalana sy lakandrano ary tsangambato nataon’ny Romanina any amin’ny tany toa an’i Grande-Bretagne sy Ejipta. Tena misy ireny sisan-javatra ireny, ary mampahatsiahy antsika fa tena nisy koa i Jesosy sy ny apostoliny ary izay nolazain’izy ireo sy nataony. Mandeha amin’ilay lalana mety ho nolalovan’ny apostoly Paoly tamin’izy nankany Roma, ohatra, ianao rehefa mandeha amin’ny Lalana Apianina.—Asan’ny Apostoly 28:15, 16.

Tantara azo itokisana

Hita ao amin’ny tantaran’ny Baiboly momba an’i Jesosy sy ny mpianany ny zava-nitranga  maro tamin’ny taonjato voalohany. Nisy fisehoan-javatra roa niavaka notantarain’i Lioka, mpanoratra Baiboly, ary nitranga tao anatin’ny taona iray ihany: Nanomboka nitory i Jaona Mpanao Batisa ary natao batisa i Jesosy, ka lasa Kristy na Mesia. Nilaza i Lioka fa nitranga izany “tamin’ny taona fahadimy ambin’ny folo nanjakan’i Tiberio Kaisara [taona 29], fony i Pontio Pilato no governoran’i Jodia, ary i Heroda no lehibem-paritr’i Galilia.” (Lioka 3:1-3, 21) Nanonona anaran’olona ambony efatra koa i Lioka, dia i Filipo (rahalahin’i Heroda), Lysania, Anasy, ary Kaiafa. Hamarinin’ny tantara tsy ara-pivavahana hoe tena nisy ireo olona fito ireo, fa i Tiberio sy Pilato ary Heroda ihany no horesahintsika ato.

Tiberio Kaisara Malaza izy ary misy sary mampiseho ny endriny. Notendren’ny Antenimieran-doholona Romanina ho mpanjaka izy tamin’ny 15 Septambra taona 14, tamin’i Jesosy 15 taona teo ho eo.

Pontio Pilato Samy tononin’i Tacite, Romanina mpahay tantara, ny anaran’i Pilato sy Tiberio, ao amin’ny tantara iray nosoratana taoriana kelin’ny nahavitan’ny Baiboly. Hoy i Tacite momba ny teny hoe “Kristianina”: ‘Novonoin’i Pontio Pilato, anisan’ny manam-pahefana teo amintsika, i Kristy, ilay niavian’ny anarana [hoe Kristianina], nandritra ny fitondran’i Tiberio.’

Heroda Antipasy Nanorina ny tanànan’i Tiberiasy, teo akaikin’ny Ranomasin’i Galilia, izy ary tany no nipetraka. Toa tany koa izy no nandidy ny hanapahana ny lohan’i Jaona Mpanao Batisa.

Mitantara fisehoan-javatra lehibe tamin’ny andron’ny Romanina koa ny Baiboly. Hoy ny Baiboly momba ny fotoana nahaterahan’i Jesosy: “Tamin’izany andro izany, dia namoaka didy hanoratana ny anaran’ny mponina eran’ilay tany i Aogosto Kaisara. I Kyrenio no governora tany Syria tamin’io fanoratana voalohany io. Dia nankany amin’ny tanàna niaviany avy ny olona rehetra mba hosoratana anarana.”—Lioka 2:1-3.

Samy miresaka momba an’i Kyrenio i Tacite sy Josèphe, Jiosy mpahay tantara. Misy firaketana momba ny didy navoakan’ny mpanjaka romanina iray, any amin’ny Tranomboky Britanika. Porofoin’izy io fa tena nisy ilay fanoratana. Izao no voalaza ao: “Hanomboka izao ny fanisam-bahoaka fanao isan-trano. Tokony hasaina hiverina any amin’ny faritra niaviany àry ny olona rehetra, na inona na inona antony nifindrany.”

 Miresaka momba ny ‘mosary lehibe tamin’ny andron’i Klaodio’, mpanjaka romanina, koa ny Baiboly. (Asan’ny Apostoly 11:28) Manamarina izany i Josèphe, mpahay tantara tamin’ny taonjato voalohany. Hoy izy: “Namely azy ireo ny mosary tamin’izany, ary maro no maty.”

Milaza koa ny Asan’ny Apostoly 18:2 fa ‘nandidy ny hialan’ny Jiosy rehetra tany Roma i Klaodio.’ Manamarina izany ny tantaram-piainan’i Klaodio, nosoratan’ilay Romanina mpahay tantara atao hoe Suétone, tamin’ny taona 121 tany ho any. Nilaza izy fa ‘noroahin’i [Klaodio] avy tao Roma ny Jiosy rehetra’, ary “mbola nanakorontana foana” satria nankahala ny Kristianina.

Milaza ny Baiboly fa tamin’ny fotoana nitrangan’ilay mosary, dia “nanao akanjona mpanjaka” i Heroda Agripa, ary nikabary tamin’ny vahoaka nanindrahindra azy. Hoy ilay vahoaka: “Feon’andriamanitra izany, fa tsy feon’olona!” Milaza ny Baiboly fa “lanin’ny kankana” i Agripa, taorian’izay, “ka tapitra ny ainy.” (Asan’ny Apostoly 12:21-23) Nitantara an’izany koa i Josèphe, saingy nisy tsipiriany nampiany. Nilaza izy fa nanao “akanjo miravaka volafotsy” i Agripa rehefa nikabary. Nilaza koa izy fa ‘narary kibo be i Agripa’, ary maty, dimy andro taorian’izay.

Faminaniana azo itokisana

Misy faminaniana miavaka koa ao amin’ny Baiboly, ary nosoratana sy tanteraka tamin’ny andron’ny Romanina izany. Nankany Jerosalema, ohatra, i Jesosy indray mandeha, ary nitomany an’ilay tanàna sady nilaza ny fomba handravan’ny Romanina azy. Hoy izy: “Ho avy aminao ny andro hananganan’ny fahavalonao fefy hazo maranitra manodidina anao ... Tsy havelany hisy vato hifanaingina eo aminao, noho ny tsy nahatakaranao ny fotoana nanaraha-maso anao.”—Lioka 19:41-44.

Ho afa-mandositra anefa ny mpanara-dia an’i Jesosy. Amin’ny fomba ahoana? Nanome toromarika voafaritra tsara toy izao i Jesosy: “Rehefa hitanareo fa misy miaramila mitoby manodidina an’i Jerosalema, dia fantaro fa manakaiky ny fandravana azy. Koa izay any Jodia, aoka handositra any an-tendrombohitra, ary izay ao Jerosalema aoka hiala ao.” (Lioka 21:20, 21) Mety ho nieritreritra ny mpanara-dia an’i Jesosy hoe: ‘Ahoana no handosirana nefa ny tanàna aza ho voahodidina?’

Nitantara izay nitranga i Josèphe. Nalain’ny governora romanina iray avy tao amin’ny volan’ny tempoly ny hetra tokony ho naloan’ny Jiosy, tamin’ny taona 66. Tezitra be ny Jiosy mpikomy ka namono miaramila romanina, ary nilaza fa nahaleo tena ny Jiosy. Nianatsimo niaraka tamin’ny miaramila 30 000 i Cestius Gallus, governora romanina tao Syria, tamin’io taona io, ary tonga tao Jerosalema nandritra ny fety ara-pivavahana iray. Tafiditra tao amin’ireo tanàna manodidina i Gallus ary nanomboka nandoaka ny mandan’ny tempoly, izay nisy an’ireo mpikomy. Niala tampoka anefa ry Gallus ary nenjehin’ny Jiosy.

Tsy voafitaka ny Kristianina tsy nivadika. Takatr’izy ireo fa tanteraka ilay faminaniana miavaka nolazain’i Jesosy hoe hisy miaramila hitoby manodidina an’ilay tanàna. Niala ilay tafika ka nanararaotra nandositra ireo Kristianina tsy nivadika. Maro no nankany Pela, tanàna any an-tendrombohitra any ampitan’i Jordana. Tsy nanao politika ny olona tany.

Nanao ahoana kosa i Jerosalema? Niverina ny tafika romanina, notarihin’i Vespasien sy Titus zanany, ary nisy miaramila 60 000. Nanatona an’ilay tanàna izy ireo tamin’ny taona 70, talohan’ny Paska. Nosamboriny avokoa ny mponina sy ny mpivavaka tonga hanao an’ilay fankalazana. Notapahiny ny hazo rehetra teny amin’ny manodidina ary nanamboarany fefy hazo maranitra, araka ny efa nambaran’i Jesosy. Resy ilay tanàna, dimy volana teo ho eo tatỳ aoriana.

Tsy navelan’i Titus hosimbana ny tempoly. Nodoran’ny miaramila iray anefa izy io ka nirodana tanteraka, araka ilay nambaran’i Jesosy. Jiosy sy olona niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy 97 000 no lasa babo ary 1 100 000 teo ho eo no maty, hoy i Josèphe. Matin’ny hanoanana sy aretina ny ankamaroany. Maro no lasa  andevo tany Roma. Afaka mitsidika an’ilay toerana malaza atao hoe Colisée ianao, raha mankany Roma. I Titus no namita ny fanorenana azy io, taorian’ny nandreseny an’i Jodia. Ho hitanao koa ny Andohalambon’i Titus, izay fahatsiarovana ny nandresena an’i Jerosalema. Tanteraka amin’ny an-tsipiriany tokoa ny faminanian’ny Baiboly ka azo itokisana. Tena ilaina àry ny mieritreritra izay lazainy momba ny hoavy.

Fanantenana azo itokisana

Niresaka momba ny Fanjakana na fitondrana iray “tsy anisan’ity tontolo ity” i Jesosy, rehefa nijoro teo anatrehan’i Pontio Pilato, mpanjaka romanina. (Jaona 18:36) Nampianariny hivavaka momba an’io Fanjakana io ny mpanara-dia azy. Hoy izy: ‘Rainay izay any an-danitra, ho tonga anie ny fanjakanao! Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao, tahaka ny any an-danitra.’ (Matio 6:9, 10) Mariho fa ny sitrapon’Andriamanitra no hotanterahin’io Fanjakana io etỳ an-tany, fa tsy ny an’ny olombelona mirehareha sy tia voninahitra.

I Jesosy no Mpanjakan’io Fanjakana any an-danitra io. Hovany ho paradisa ny tany manontolo, araka ny fikasan’Andriamanitra tamin’ny voalohany.—Lioka 23:43.

Rahoviana ny Fanjakan’Andriamanitra no handray an-tanana ny raharahan’ny olombelona? Nanome ny valiny i Jesosy natsangana tamin’ny maty, tamin’izy niresaka tamin’ny apostoly Jaona, izay gadra tao amin’ny Nosy Patmo nandritra ny fotoana nanjakan’i Domitien, rahalahin’i Titus. Hoy i Jesosy: “Misy mpanjaka fito: Efa lavo ny dimy, ary ny iray mbola eo, fa ny iray kosa mbola tsy tonga, nefa rehefa tonga izy, dia hitoetra kelikely.”—Apokalypsy 17:10.

Efa lavo ireto “mpanjaka” na fanjakana dimy ireto, tamin’i Jaona nanoratra an’ireo teny ireo: Ejipta, Asyria, Babylona, Media sy Persa, ary Gresy. I Roma ilay ‘mbola teo.’ Iray àry sisa no tavela, dia ilay firenena matanjaka farany resahin’ny Baiboly. Iza izy io ary hanjaka hafiriana? Hovaliana ao amin’ny laharana manaraka izany.

[Sary, pejy 10]

Nandalo teo amin’ny Lalana Apianina i Paoly

[Sary, pejy 10]

Anisan’ireo olona ambony resahin’ny Filazantsaran’i Lioka i Tiberio Kaisara, ary Romanina izy

[Sary, pejy 11]

Soratra ahitana ny anaran’i Pontio Pilato

[Sary, pejy 12, 13]

Vola madinika romanina misy sarin’i Titus, zanak’i Vespasien

[Sary nahazoan-dalana]

Musée de Normandie, Caen, France

[Sary, pejy 13]

Natao hahatsiarovana ny nandravana an’i Jerosalema tamin’ny taona 70 ny Andohalambon’i Titus, any Roma

[Sary nahazoan-dalana, pejy 10]

Ambony: Sary mivohitra ejipsianina sy sarin’i Néron: Photograph taken by courtesy of the British Museum; sary mivohitra persianina: Musée du Louvre, Paris; ambany, sarin’i Tiberio Kaisara: Photograph taken by courtesy of the British Museum