Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Hataoko fa Mahatsiaro Tena ho Tsy Misy Dikany Aho?

Inona no Hataoko fa Mahatsiaro Tena ho Tsy Misy Dikany Aho?

Manontany ny Tanora Hoe...

Inona no Hataoko fa Mahatsiaro Tena ho Tsy Misy Dikany Aho?

ENY TSIA

Tianao ve ny bika aman’endrikao

rehefa mijery fitaratra ianao?

Hitanao ve hoe mba misy zavatra

manavanana anao ihany?

Mahavita mandà ve ianao rehefa taomin’ny

ankizy hanaraka ny sitrapony?

Mahatanty ahitsin’olona ve ianao?

Mahatanty kianina ve ianao?

Hitanao ve hoe mba misy

olona tia anao ihany?

Mikarakara ny fahasalamanao ve ianao?

Faly ve ianao rehefa misy olona

mahavita zavatra tsara?

Hitanao ve hoe mba mahomby ihany

ianao amin’izay ataonao?

Raha tsia no namalianao ny maro amin’ireo fanontaniana ireo, dia mety hidika izany fa mahatsiaro tena ho tsy misy dikany ianao. Hanampy anao ity lahatsoratra ity!

MIHEVITRA ve ianao fa ratsy be na vendrana, na tsy misy dikany raha oharina amin’ny ankizy hafa? Raha izany no izy, dia fantaro fa tanora maro no manana olana toy izany.

“Kivy aho fa be dia be ny zavatra tsy tiako amin’ny tenako. Tsy mampaninona ny olona ilay izy mazàna, nefa olana be amiko.”—Lanto. a

“Na manja sy bôgôsy toy inona aza ianao, dia tsy maintsy misy foana ny tsara lavitra noho ianao.”—Annie.

“Tsy mahazo aina aho rehefa tafaraka amin’ny ankizy. Matahotra aho sao heveriny hoe vendrana.”—Fitia.

Izany koa angamba no tsapanao, nefa aza kivy. Ireto misy soso-kevitra telo afaka manampy anao.

1. Mitadiava namana

Andinin-teny mahasoa: “Tia amin’ny fotoana rehetra ny tena namana, sady toy ny rahalahy natao hanampy amin’ny fotoam-pahoriana.”—Ohabolana 17:17.

Inona no dikan’izany? Afaka mampahery ny tena namana rehefa misy olana. (1 Samoela 18:1; 19:2) Mety hahafaly anao na dia ny mahalala fotsiny aza hoe misy olona miahy anao. (1 Korintianina 16:17, 18) Miaraha àry amin’olona mahay mampahery.

“Tsy hamela anao ho kivy ny tena namana.”—Dera.

“Mba mila mahalala fotsiny ianao indraindray hoe misy olona vonona hanampy anao. Lasa tsapanao hoe mba ilaina ihany ianao.”—Hoby.

Mitandrema anefa: Ankizy hendry atao namana. Izy ireny no hahita ny toetra tsaranao sy tsy hanery anao hitovy aminy. (Ohabolana 13:20; 18:24; 1 Korintianina 15:33) Raha manaonao foana ianao satria te hampifaly ny hafa fotsiny, dia ho menatra sy hahatsapa hoe nohararaotina.—Romanina 6:21.

Soso-kevitra: Soraty eto ny anaran’ilay namana eritreretinao hoe afaka ny hanampy anao.

․․․․․

Nahoana raha miaraka aminy tsindraindray? Tadidio fa tsy voatery ho tanora foana no azo atao namana.

2. Mazotoa manampy olona

Andinin-teny mahasoa: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.”—Asan’ny Apostoly 20:35.

Inona no dikan’izany? Handray soa ianao rehefa manampy ny hafa, satria tena ho faly sy ho afa-po. Hoy ny Ohabolana 11:25: “Hovalian-tsoa ny olona malala-tanana, ary izay manao soa be dia be, dia handray soa be dia be koa.” b

“Eritreretiko izay azoko atao ho an’ny olona eo anivon’ny fiangonanay. Miezaka manampy an’izay sahirana aho avy eo. Faly aho rehefa miaraka amin’olona sy manampy azy.”—Riana.

“Tsara ny mitory sy mampianatra Baiboly, satria mieritreritra ny hafa ianao, dia lasa hadinonao ny olana mahazo anao.”—Joro.

Mitandrema anefa: Tsy mety ny hoe manampy olona satria fotsiny hoe te hahazo valiny. (Matio 6:2-4) Tsy hisy vokany tsara izany. Tsy maintsy ho hitan’ny olona fa tia tena ianao!—1 Tesalonianina 2:5, 6.

Soso-kevitra: Soraty eto hoe iza no efa nampianao, ary inona no nataonao tamin’izay.

․․․․․

Nahafaly anao ve ilay izy?

․․․․․

Iza koa no azonao ampiana? Soraty eto izay eritreretinao hatao aminy.

․․․․․

3. Aza kivy rehefa manao fahadisoana

Andinin-teny mahasoa: “Samy efa nanota ny rehetra ka tsy mahatratra ny voninahitr’Andriamanitra.”—Romanina 3:23.

Inona no dikan’izany? Tsy lavorary isika rehetra. Tsy maintsy hilaza na hanao zavatra tsy mety àry ianao indraindray. (Romanina 7:21-23; Jakoba 3:2) Azonao atao anefa ny manamboatra ny sainao mba tsy ho kivy be. Hoy ny Baiboly: “Mety ho lavo impito ny marina, nefa ho tafarina ihany.”—Ohabolana 24:16.

“Mahatsiaro ho tsy misy ilana azy ianao, rehefa mahita hoe hendry noho ianao ny hafa.”—Zo.

“Manana toetra tsara sy toetra ratsy daholo ny olona. Tokony ho faly amin’ny toetra tsarantsika isika, ary hiezaka hiala amin’ny toetra ratsy.”—Lauren.

Mitandrema anefa: Tsy mety ny minia manao ratsy satria hoe tsy lavorary. (Galatianina 5:13) Tsy ho naman’i Jehovah Andriamanitra intsony ianao raha manao izany. Ny fifandraisana aminy anefa no zava-dehibe indrindra.—Romanina 1:24, 28.

Soso-kevitra: Soraty eto izay toetra tianao hananana.

․․․․․

Soraty eo akaikiny ny daty androany. Mitadiava fanazavana hanampy anao hanana ilay toetra. Rehefa afaka iray volana, dia jereo ny ezaka efa vitanao.

Sarobidy amin’Andriamanitra ianao

Hoy ny Baiboly: ‘Lehibe noho ny fontsika Andriamanitra.’ (1 Jaona 3:20) Tsy mahita ny toetra tsaranao angamba ianao, nefa i Jehovah mahita izany. Tsy hitany intsony ve anefa izy ireny rehefa manao fahadisoana ianao? Aoka hatao hoe manana vola iray alina ariary ianao, ary misy rovitra kely ilay izy. Harianao ve ilay vola, na hoheverinao fa tsy misy ilana azy intsony? Tsia! Mbola ilaina foana ilay izy, na misy rovitra na tsia.

Toy izany no fahitan’Andriamanitra anao. Voamariny sy sarobidy aminy izay ataonao mba hampifaliana azy, na heverinao ho tsy misy dikany aza ilay izy. Hoy mantsy ny Baiboly: ‘Andriamanitra tsy mba tsy marina ka hanadino izay nataonao, sy ny fitiavana nasehonao ho an’ny anarany.’—Hebreo 6:10.

Hita ao amin’ny Mifohaza! hafa koa ny andian-dahatsoratra “Manontany ny Tanora”

[Fanamarihana ambany pejy]

a Novana ny anarana sasany.

b Raha Vavolombelon’i Jehovah ianao, nahoana raha mitory ny hafatra momba ilay Fanjakana? Tena hahafaly anao izany.—Isaia 52:7.

ERITRERETO IZAO:

Inona no hataonao raha mahatsiaro ho tsy misy dikany ianao satria

● kianin’ny ankizy?

● heverinao fa mahay na tsara noho ianao ny hafa?

● ny toetra ratsinao ihany no hitanao?

[Teny notsongaina, pejy 27]

“Misy olona tena tsara tarehy, nefa mbola mieritreritra ihany hoe ratsy be izy. Misy indray tsy tena tsara nefa mihevitra fa izy no manja indrindra. Miankina amin’ilay olona ihany ilay izy.”—Aina

[Efajoro/Sary, pejy 27]

NY HEVITRY NY TANORA TOA ANAO

Mila zavatra mampahatanjaka azy na dia ny trano mafy be aza. Matanja-tsaina koa aho rehefa ampaherezin’ny namako. Na itsikiany sy fihininy fotsiny aza aho dia efa faly.’

“Tsy tokony hialona isika rehefa misy olona tsara toetra. Mety hahasoa antsika mantsy ny toetrany, ary mety hahasoa azy koa ny antsika.”

[Sary]

Aubrey

Lauren

[Sary, pejy 28]

Mbola sarobidy foana ny vola na dia rovitra aza. Mbola sarobidy amin’Andriamanitra koa ianao na dia tsy lavorary aza