Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Diso Mifandray Loatra Amin’ny Mpiara-mianatra Amiko ve Aho?

Diso Mifandray Loatra Amin’ny Mpiara-mianatra Amiko ve Aho?

Manontany ny Tanora Hoe...

Diso Mifandray Loatra Amin’ny Mpiara-mianatra Amiko ve Aho?

“Rehefa mitantara ny fiarahan-dry zareo tamin’ny faran’ny herinandro ny ankizy, dia hitako hoe nahafinaritra be ilay izy, ka tena malahelo aho fa tsy mba niaraka taminy.”— Miora. *

“Rehefa mahita ankizy maromaro tafaraka aho indraindray, dia mieritreritra hoe: ‘Tena mpinamana be ry zareo. Raha mba naman’ireo koa mantsy aho!’ ”— Jao.

“Mora ninamana tamin’ny ankizy aho tany am-pianarana, ka izay no tena olana tamiko.”— Maria.

NY MPIARA-MIANATRA aminao no tena miaraka aminao mandritra ny andro. Mitovy matetika ny zavatra mahaliana anareo, ny olana mahazo anareo, ary ny zavatra mahakivy anareo. Mety hihevitra ianao hoe betsaka kokoa ny zavatra itovianao amin’izy ireo, noho ny zavatra itovianao amin’ny ray aman-dreninao sy ny iray tam-po aminao ary ny mpiray finoana aminao. Ara-dalàna àry raha te hinamana amin’izy ireo ianao. Misy maha ratsy an’izany ve anefa? Mety hampidi-doza ve izany? Ahoana no ahafantaranao raha efa diso mifandray loatra amin’ny ankizy any am-pianarana ianao? Hatraiza no tokony ho fetran’ny fifandraisanao aminy?

Mila namana ianao

Mila namana isika rehetra, mba hiara-mifaly amintsika amin’ny fotoana mahafinaritra, sy hianteherantsika amin’ny fotoan-tsarotra. Nanana namana i Jesosy ary nahafinaritra azy ny niaraka tamin’izy ireo. (Jaona 15:15) Anisan’izany i Jaona, “ilay mpianatra [tena] tiany.” Teo anilan’i Jesosy io namany akaiky io, rehefa ho faty teo amin’ny hazo fijaliana izy. (Jaona 19:25-27; 21:20) Mila namana toy izany koa ianao, olona izay hanohana anao foana, na amin’ny mora na amin’ny sarotra. Hoy ny ohabolana iray ao amin’ny Baiboly: “Izay tena sakaiza tokoa dia tia amin’ny andro rehetra, sady miseho ho rahalahy hamonjy amin’ny fahoriana.”—Ohabolana 17:17.

Angamba ianao nahita ankizy toy izany tany am-pianarana, ary tonga dia nifankahazo tsara ianareo. Mitovy ny zavatra mahaliana anareo, ary tia mifampiresaka ianareo. Marina fa tsy mpiray finoana aminao ilay ankizy, nefa tsy “naman-dratsy” koa izy, araka ny hevitrao. (1 Korintianina 15:33) Ekena fa misy ankizy tsy mitovy finoana aminao, nefa tsy maditra. (Romanina 2:14, 15) Midika ve anefa izany fa tokony hinamana be aminy ianao?

Tsy mitokantokana ny Kristianina

Mazava ho azy fa tsy mihatakataka amin’ireo tsy mitovy finoana aminy ny tena Kristianina. Miresaka amin’ny lehilahy sy vehivavy avy amin’ny firenena sy fivavahana ary kolontsaina rehetra izy ireo, mba hankatoavany ilay didy hoe: “Ataovy mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra.” (Matio 28:19) Tsy mitokantokana ny Kristianina, na mihataka amin’ny mpiara-monina sy mpiara-miasa ary mpiara-mianatra aminy. Tena miahy ny hafa kosa izy ireo.

Modely tena tsara ny apostoly Paoly amin’io lafiny io. Nahay niresaka tamin’ny “karazan’olona rehetra” izy, na dia tsy nitovy finoana taminy aza izy ireo. Mazava ho azy fa tsy nieritreritra ny hifanerasera be tamin’izy ireo i Paoly. Hoy kosa izy: “Ataoko noho ny vaovao tsara ny zava-drehetra, mba hitoriako azy io amin’ny hafa.”—1 Korintianina 9:22, 23.

Afaka manahaka an’i Paoly ianao, ka tokony ho sariaka amin’ny mpiara-mianatra aminao. Miezaha mifampiresaka tsara amin’izy ireo. Mety mba te hanana ilay fanantenanao miorina amin’ny Baiboly koa izy ireo. Izany no hitan’ny ankizivavy kristianina iray atao hoe Janet. Nasaina nanoratra ny fiheverany ny mpiara-mianatra aminy ny ankizy rehetra tao am-pianarany. Samy namaky izay nosoratan’ny hafa momba ny tenany izy ireo, avy eo. Izao no nosoratan’ny ankizy iray momba an’i Janet: “Tena falifaly foana ianao, fa mba lazao anay ny antony!”

Hita amin’izany fa mety ho liana amin’ny zavatra inoanao ny mpiara-mianatra aminao. Tena hisy vokany tsara àry raha sariaka amin’izy ireo ianao. Azo antoka fa ho afaka hanazava aminy ny zavatra inoanao ianao amin’izay. Avelao ny mpiara-mianatra aminao mba hilaza ny heviny koa, ary henoy tsara izy. Tena ilainao izany fahaizana mifampiresaka amin’ny olona izany rehefa hiasa ianao any aoriana, ka hila hanazava amin’ny mpiara-miasa aminao ny zavatra inoanao. Ho afaka “hampamirapiratra ny fampianaran’Andriamanitra Mpamonjy antsika, amin’ny zava-drehetra” ianao, raha sariaka amin’ny olona any am-pianarana sy any am-piasana.—Titosy 2:10.

“Aza manaiky hiray zioga amin’ny tsy mpino”

Mazava ho azy fa samy hafa ny hoe sariaka amin’ny mpiara-mianatra sy ny hoe minamana be aminy. Hoy i Paoly: “Aza manaiky hiray zioga amin’ny tsy mpino.” (2 Korintianina 6:14) Raha te hinamana be amin’ny olona iray ianao, dia tsy maintsy mitovy amin’ny azy ny fitsipika arahinao sy ny tanjonao. Tsy hety tsotra izao anefa izany, raha toa ilay olona ka tsy manaraka ny fampianarana sy fitsipika ara-baiboly arahinao. Mety ho voatarika hanao ratsy na hiala amin’ny fahazarana tsara ianao, raha miray zioga na minamana be amin’ny mpiara-mianatra tsy Vavolombelona.

Efa voa i Maria vao nahatsapa fa marina izany. Nahay nifandray tamin’ny olona izy ka mora nahazo namana. Sarotra taminy anefa ny namaritra hoe hatraiza no tokony ho fetran’ny fifandraisany tamin’ny mpiara-mianatra taminy. Hoy izy: “Faly aho rehefa tian’ny olona, na ankizilahy na ankizivavy. Lasa voafandrik’izao tontolo izao tsikelikely anefa aho, noho izany, ka voagejany mihitsy tamin’ny farany.”

Toa an’i Maria dia mety ho sarotra aminao koa ny hamantatra, raha efa lasa mifandray akaiky loatra amin’ny ankizy tsy mpiray finoana aminao ianao. Hisoroka alahelo anefa ianao, raha mifidy tsara izay ho namanao akaiky. Ahoana àry no hanaovanao izany safidy izany?

Ahoana no hifidianana namana tsara?

Efa hitantsika teo fa nanana namana akaiky i Jesosy fony tetỳ an-tany. Ny fitondran-tena tsarany sy ny firesahany momba an’Andriamanitra no nahazoany izany. Ary izay olona nanaiky ny fampianarany sy ny fomba fiainany, no nifandray akaiky taminy. (Jaona 15:14) Izany, ohatra, no nitranga tamin’i Petera, Andrea, Jakoba, ary Jaona. Rehefa avy nihaino an’i Jesosy ireo lehilahy ireo, dia “nandao ny zava-drehetra ... ka lasa nanaraka azy”, ary tonga namany akaiky.—Lioka 5:1-11; Matio 4:18-22.

Nasehon’i Jesosy mazava tsara tamin’ny teniny sy ny zavatra nataony, fa zava-dehibe taminy izay ninoany ka tsy nampandefitra an’izany mihitsy izy. Navelan’i Jesosy handeha izay tsy nety nanaiky azy sy ny fampianarany.—Jaona 6:60-66.

Tena nanohina ny fon’i Jesosy, ohatra, ny fahatsoran’ny tovolahy iray. Hoy ny Baiboly: “Nijery azy i Jesosy ary tia azy.” “Lasa” anefa ilay tovolahy rehefa fantany izay nantenain’i Jesosy tamin’ny namany. Toa tena olona tsara ilay tovolahy matoa i Jesosy “tia azy.” Mihoatra noho izany anefa no notakiny tamin’ny namany. (Marka 10:17-22; Matio 19:16-22) Ary ahoana ny aminao?

Angamba misy ankizy mifankahazo tsara aminao any am-pianarana. Eritrereto anefa hoe: ‘Vonona hankatò ny didin’i Jesosy ve izy? Moa ve izy te hianatra momba an’i Jehovah, ilay nasain’i Jesosy ivavahantsika?’ (Matio 4:10) Ho hitanao ny valin’ireo fanontaniana ireo, rehefa miresaka aminy ianao sady manaraka ny fitsipiky ny Baiboly.

Marina fa tokony ho sariaka amin’ny mpiara-mianatra aminao ianao, toy ny nataon’i Jesosy tamin’ny karazan’olona rehetra. Olona tia an’i Jehovah, ilay Rainy any an-danitra, ihany anefa no nataony namana akaiky. Afaka manao toy izany koa ianao. ‘Aoka ho tsara foana ny fitondran-tenanao’ any am-pianarana. Miresaha momba ny zavatra inoanao, ary mahaiza mandanjalanja rehefa manao izany. Aza hadinoina mihitsy ny mifidy ny namana tsara indrindra!—1 Petera 2:12.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Novana ny anarana sasany.

ERITRERETO IZAO:

▪ Inona no loza mety hitranga, raha miaraka amin’ny mpiara-mianatra aminao ianao amin’ny fotoana tsy fianarana? Fahendrena ve izany?

▪ Rehefa avy namaky ity lahatsoratra ity ianao, tsapanao ve fa diso mifandray loatra amin’ny mpiara-mianatra aminao ianao? Inona no azonao atao, raha izany?

[Efajoro/​Sary, pejy 18]

AHOANA NO HAHAZOAKO TENA NAMANA?

Misy fanadinadinana tanora avy any Etazonia, Italia, Frantsa, ary Espaina ao amin’io video io, ary tena nilaza izay tao am-pony izy ireo. Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy io, ary misy amin’ny fiteny 36.

[Sary, pejy 18]

Mety ho liana amin’ny zavatra inoanao ny mpiara-mianatra aminao