Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Afaka ny ho Tena Sambatra Ianao!

Afaka ny ho Tena Sambatra Ianao!

Afaka ny ho Tena Sambatra Ianao!

TOA maro no mino maneran-tany, fa ny olona sambatra, dia izay tsara bika, tomady, manana fiara lafo vidy, vola be any amin’ny banky, asa ambony, trano be, ary fitaovana elektronika kely nivoaka farany. Miankina amin’ny harena sy ny bika tokoa ve anefa ny fahasambarana?

“Tena nihabetsaka” tato ho ato “ny fikarohana momba ny fahasambarana, fanantenana, fifantohana amin’ny lafy tsaran’ny fiainana, ary ny toetra mahasalama ny saina sy ny vatana”, araka ny tatitra manokana nataon’ny gazety Fotoana (anglisy). Nahagaga ny maro ny vokatr’ireo fikarohana ireo, satria hita tamin’izy rehetra ireo fa mamita-tena izay mihevitra hoe hahasambatra azy ny vola sy ny laza ary ny hatsaran-tarehy. Mety hanimba ny saina kosa aza izany, ary mety hahakivy mihitsy.

Manankarena noho ny taloha ny olona maro any Etazonia. Vao mainka anefa tsy nahasambatra azy ireo izany, araka ny voalazan’ny gazety Fotoana. Toy izany koa no mitranga amin’ny olona any an-tany hafa. Lasa nanan-karena be, ohatra, i Chine. Lasa be dia be koa anefa ny olona tsy sambatra any. Ny famonoan-tena no “antony voalohany mahafaty ny olona 15 ka hatramin’ny 34 taona” any Chine, araka ny gazety iray any an-toerana. Ny antony iray toa mahatonga izany, dia satria manery mafy azy ireo hanan-karena sy hahazo asa tsara ny fiaraha-monina.

Hita àry fa tsy mampihena ny tebiteby ny harena, fa vao mainka aza mampitombo azy io. Hoy ny oniversite iray, taorian’ny fandinihana nataony: “Ny fomba fiainantsika indray izao no lasa antony voalohany mampikorontana ny fontsika sy ny saintsika.” Nilaza koa i Van Wishard, mpandinika ny fiaraha-monina, fa ‘tena mihabetsaka ny mpiasa marary saina sy marary fo, ka mihamitombo hatrany ny vola lanin’ny orinasa maro iantohana ny fitsaboana azy ireny.’

Misy vokany ratsy eo amin’ny ankizy koa ity tontolo miova haingana ity. Nilaza i Wishard fa efa misy izao ny boky natao ho an’ny ankizy valo taona, mba hampianarana azy “ny fomba hamantarana ny adin-tsaina sy hiatrehana izany.” Hita tamin’ny fanazavana iray momba ny fahakiviana koa, fa miakatra 23 isan-jato be izao, isan-taona, ny isan’ny ankizy kivy! Ankoatra izany, dia ‘ny ankizy any amin’ny akanin-jaza izao no tena ividianana fanafody iadiana amin’ny fahakiviana, ary mihabetsaka hatrany izy ireo.’

Mihamaro koa ny olona matahotra. Tsy ny fiovaovan’ny toe-karena fotsiny no mahatonga izany. Mihabetsaka ny mpanao politika sy mpivavaka mahery fihetsika, ka mitebiteby mafy ny olona maro sao hahita zavatra mahatsiravina amin’ny hoavy. Misy vahaolana amin’ireo rehetra ireo ve?

Roa arivo taona lasa teo ho eo izay, dia nisy fomba fiaina hafa nampianarin’i Jesosy Kristy. Mahafinaritra ilay izy, ary mampihena ny adin-tsaina. Hoy i Jesosy: “Sambatra ny mahatsapa fa mila an’Andriamanitra.” (Matio 5:3) Io fahamarinana tsotra nefa lalina io no hevi-dehibe tamin’ny fampianarany. Nampirisika ny mpihaino azy i Jesosy mba hifantoka amin’ny zavatra tena ilaina. Mila mahalala ny marina momba ny Mpamorona sy ny fikasany ho an’ny olombelona isika.

Ho hitantsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka, fa hanampy antsika hahita izay zavatra tena lehibe eo amin’ny fiainana izany fahalalana izany, ka hahatonga antsika ho sambatra sy ho afa-po kokoa. Hanana fanantenana tena tsara koa isika.

[Teny notsongaina, pejy 3]

Ny harena ve no mahasambatra?