Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nitsidika An’i Tchernobyl

Nitsidika An’i Tchernobyl

Nitsidika An’i Tchernobyl

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY UKRAINE

Mbola tsy nisy toa azy ilay loza tany amin’ny foibe mpamokatra hery niokleary, tany Tchernobyl, 20 taona lasa izay. Niempo ny iray tamin’ireo fitaovana efatra mpamokatra hery niokleary, tamin’ny 26 Aprily 1986. Tena nahatsiravina ny vokany. Mbola azo diovina sy amboarina foana mazàna ny toerana nisy loza, na vokatry ny nataon’olombelona ilay izy, na voajanahary. Namela taratra mampidi-doza anefa ilay loza tany Tchernobyl, ary niteraka voka-dratsy naharitra.

VOATERY nandao ny tranony ny olona tany akaikin’ilay foibe. Mitsidika any anefa izy ireo isaky ny 9 Mey, tato anatin’ireo taona faramparany, ary miaraka aminy ny havana aman-tsakaizany indraindray. Mandevina any ny olona nonina tany taloha amin’ny fotoana sasany. Mandeha any koa ny mpahay siansa, mba handinika ny vokatr’ilay taratra mampidi-doza. Ary vao haingana, dia misy sampan-draharaha avy eto Ukraine, mitondra olona mitsangantsangana any.

Misy tanàna atao hoe Pripet, telo kilaometatra avy eo amin’ilay foibe. Niresaka momba ny fitsangantsanganana atao any, ny pejy voalohan’ny Gazetin’i New York (anglisy), tamin’ny Jona 2005. Nolazainy fa “tsy atahorana hampaharary” ilay izy, ary misy “olona mpitarika.” * Tamin’ireo taona 1970 io tanàna io no nanomboka nisy, ary 45 000 teo ho eo ny mponina tao. Niala tao anefa izy ireo taorian’ilay loza niokleary. Toy izany koa ny olona tany amin’ny tanàna maro hafa. Tsy azo nonenana intsony mantsy ireny tanàna ireny satria feno taratra mampidi-doza. Herintaona teo ho eo no nipetrahan’i Anna sy Victor ary ny zanak’izy ireo, tany Pripet, talohan’ny fotoana nitrangan’ilay loza. *

Tokotokony ho 15 kilaometatra avy eo amin’ilay foibe kosa ny tanàna kelin’i Tchernobyl (anarana iantsoana an’ilay foibe koa). Navela hankany isan-taona, tato ho ato, ny olona nipetraka tany taloha. Mandeha any koa ry Rudnik, satria any ny tanàna niaviany. Niaraka tamin-dry zareo tany Tchernobyl izahay mivady, taona vitsivitsy lasa izay. Aleo hotantaraiko aminareo ny dianay.

Fitsangantsanganana nampalahelo

Niala teto Kiev renivohitra izahay, ary nandeha nianavaratra. Nandalo tanàna kely maro izahay. Feno trano teny amoron-dalana, ary voaravaka voninkazo ny tokotany. Hitanay nikarakara ny legiomany teny an-jaridaina ny olona. Nisy tanimboly feno katsaka sy varimbazaha ary tanamasoandro teny anelanelan’ireo tanàna. Midadasika hatrany amin’ny faravodilanitra ireny voly ireny.

Nisy zavatra niova tampoka anefa rehefa nandeha elaela izahay. Toy ny hoe niampita sisin-tany izahay. Tsy nisy soratra nampahafantatra an’ilay fiovana, nefa tsapanay ilay izy. Nangingina nampahatahotra mantsy ireo tanàna manaraka nolalovanay. Efa ratsy ireo trano, simba ny varavarankely, ary mihidy kadanà ny varavarana. Feno bozaka koa ny tokotany sy ny tanimboly.

Hay izahay efa nanomboka niditra ny faritra tsy azo onenana! Telopolo kilaometatra avy eo amin’ilay foibe izy io. Hoy i Anna: “Feno taratra mampidi-doza ny tanàna etỳ. Nisy olona 150 000 mahery avy amin’ny tanàna lehibe sy tanàna kely maro tetỳ, nafindra nanerana ny Firaisana Sovietika teo aloha.”

Nanohy ny dianay izahay ka tsy ela dia tonga teo amin’ny faritra hafa iray. Voafefy tariby avo be niranirany ilay izy. Nisy trano kely fisavana vita amin’ny hazo, tsy lavitra teo. Nisy mpiambina tao, ary nisava izay rehetra nandalo. Nijery ny pasipaoronay ny iray taminy. Nadikany ny nomeraon’ny fiaranay, ary novohany ny vavahady.

Tafiditra tao anatin’ilay faritra izahay. Maitso mavana erỳ ny ravin’ireo hazo teny amoron-dalana. Feno kirihitra matevina tany anaty ala. Tsy araka ny noeritreretiko mihitsy ny zavatra hitako. Nihevitra aho mantsy hoe hahita hazo may, na hazo madinika ringidringitra. Nahita ny famantarana ny tanànan’i Tchernobyl izahay, rehefa nandeha kelikely. Vita tamin’ny biriky niloko fotsy nisy soratra manga ilay izy.

Nahita farmasia izahay, raha vao niditra ny tanàna. Niasa tao taloha ny renin’i Victor. Mbola teo ny soratra milaza ny ora fisokafany, saingy efa vasoka, ary naloto sy feno vovoka ny varavarankely nihantonany. Nisy zaridaina tany afovoan-tanàna, ary teo akaikiny ny trano fanaovam-pety. Nitantara i Anna fa matetika no nandeha niala voly tao izy sy ny olona tao an-tanàna rehefa avy niasa, ka nijery fampisehoana isan-karazany. Tsy lavitra teo no nisy ny trano fijerena sinema. Ukraina no anarany. Nankao amin’io trano nangatsiatsiaka sy maizimaizina io ny ankizy, taloha, rehefa nafana be ny andro, ary nijery ny filma nivoaka farany. Efa ela no tsy nandrenesana hehy intsony tao. Nentin’i Anna sy Victor tany amin’ny tranony taloha izahay, avy eo. Tsy dia lavitra ilay izy. Tsy afaka niditra teo amin’ny varavarana anoloana izahay, fa nisy hazo tsy voakapa nibahana teo. Nankany ambadiky ny trano àry izahay, ka nanao aloha sy aoriana nanavatsava ahitra. Tsy teo intsony anefa ny varavarana, fa lavaka be sisa no teo amin’ny rindrina.

Be dia be ny zavatra simba tao anatin’ilay trano. Nisy fandriana vy efa harafesina tao, ary efa bobongolo ilay kidoro nikirazorazo teo amboniny. Naloto ny temitra teo amin’ny rindrina, sady rovidrovitra no nikiraviravy. Nitsimpona sary tranainy iray teo amin’ny fako niparitaka eran’ny trano i Anna. Nalahelo izy, sady niteny hoe: “Naniry hiverina tatỳ foana aho, ary nanantena fa mbola ho toy ny taloha ihany ny zava-drehetra ato. Tena mampalahelo ahy ny mahita an’ity tranonay simba be, sady nangalarin’ny olona ny entana!”

Niala teo amin’ny tranon-dry Rudnik izahay, ary nandeha an-tongotra nanaraka ny arabe. Nahita olona maromaro niresadresaka teo amin’ny toerana iray izahay, avy eo. Nifarana ilay arabe rehefa nandeha 500 metatra izahay, ka tonga teo amin’ny zaridaina iray teo amoron-kady. Nisy felana fotsy maro naelin’ny rivotra avy tamin’ireo hazo. Renirano lehibe mikoriana moramora no tazana erỳ ambany, ary misy tohatohatra midina mankeo amorony. Olona an-jatony no niandry teo tamin’ny 1986, mba hotaterina tamin’ny sambo hiala tao amin’ilay tanàna.

Nitsidika voalohany ny tranony taloha tany Pripet ry Rudnik, tamin’ny herintaona. Efa 19 taona izay no nialany tany, taorian’ilay loza niokleary.

Fotoana hisaintsainana

Feno 20 taona amin’ity Aprily 2006 ity ny nitrangan’iny loza iny. Hetsika maro no atao mba hahatsiarovana izany. Mampahatsiahy olona maro izany fa tsy mahay mikarakara tsara ny tany ny olombelona, raha tsy misy tari-dalana avy amin’Andriamanitra, na dia eo aza ny ezaka mafy ataony.—Jeremia 10:23.

Nasain’ny Firenena Mikambana nodinihin’ny mpahay siansa indray ny vokatr’ilay loza. Navoaka tamin’ny Septambra lasa teo ny tatitra momba izany. Voalaza fa 56 no maty tamin’ilay izy, ary tombanana fa 4 000 monja no ho fatin’ny aretina azo avy amin’ilay taratra mampidi-doza. Nolazaina anefa, tamin’ny voalohany, fa 15 000 ka hatramin’ny 30 000 eo ho eo no ho faty. Nilaza ny Gazetin’i New York, nivoaka tamin’ny 8 Septambra 2005, fa “maromaro ny mpiaro ny tontolo iainana nanakiana” an’ilay tatitra, “satria mihevitra izy ireo fa natao hanafenana ny loza mety hateraky ny hery niokleary” izany.

Nianatra momba an’i Jehovah Andriamanitra Mpamorona, i Victor, tatỳ aorian’ilay loza. Hoy izy: “Tsy ketraka intsony izahay satria fantatray fa tsy hitranga intsony ny loza mahatsiravina toy ireny, rehefa ho tonga ny Fanjakan’Andriamanitra. Ho azo onenana indray ny tanàna misy ny tranonay any akaikin’i Tchernobyl, ary ho lasa paradisa kanto. Tsy andrinay ny fotoana hahatanterahan’izany.”

Mampanantena tokoa ny Baiboly fa haverina amin’ny laoniny ilay Paradisa tany am-boalohany, ary hitatra manerana ny tany. An-tapitrisany no nanjary natoky tanteraka an’izany, taorian’ny fotoana nitrangan’ilay loza tany Tchernobyl. (Genesisy 2:8, 9; Apokalypsy 21:3, 4) Teto Ukraine fotsiny, dia olona 100 000 mahery no nanjary nanana io fanantenana io tato anatin’ny 20 taona! Mampanantena hoavy sambatra ho an’izay maniry hahalala ny fikasany Andriamanitra. Ampirisihinay ianao handinika momba izany.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Tsy mampirisika ny olona hitsidika an’ilay toerana ny Mifohaza! na dia maro aza ny manam-pahefana milaza fa tsy misy atahorana ny mitsangantsangana any vetivety.

^ feh. 5 Jereo ny Mifohaza! 8 Mey 1997, pejy 12-15.

[Efajoro/​Sary, pejy 16]

Tsangambato ho An’ireo Nanadio

Natao hanomezam-boninahitra an’ireo mpiasa nanadio ilay toerana nitrangan’ny loza tany Tchernobyl, io tsangambato efatra metatra io. Namono ny afo izy ireo, nanarona an’ilay fitaovana mpamokatra hery niokleary mbola nanetroka, ary nanala izay zavatra mbola nisy taratra mampidi-doza. Nahatratra ana hetsiny ireny mpiasa ireny, tamin’ny farany. Voalaza fa 4 000 eo ho eo no mety ho faty vokatr’ilay loza, ary amin’ireo mpiasa ireo ny ankamaroany.

[Sary, pejy 15]

Famantarana ny tanànan’i Tchernobyl sy ny trano fijerena sinema

[Sary, pejy 15]

Ry Rudnik sy ny tranony any Tchernobyl

[Sary, pejy 16]

Ilay foibe mpamokatra hery niokleary nitrangan’ny loza, telo kilaometatra avy eo amin’ny tranon-dry Rudnik any Pripet (sary kely)