Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

“Ny ampahefatry ny mponina” any Etazonia “no voan’ny aretin-tsaina, isan-taona. Ny antsasaky ny mponina any no efa voan’izany, teo amin’ny fiainany.”—SCIENCE NEWS, ETAZONIA.

Tsy latsaky ny 24 ireo onja mihoatra ny 15 metatra, nentin’ny Rivo-doza Ivan, tany amin’ny Hoalan’i Meksika, tamin’ny Septambra 2004. Nihoatra ny 27 metatra ny onja avo indrindra tamin’izany.—GAZETIBOKY SCIENCE, ETAZONIA.

Atahorana hitombo avo efatra heny ny lozam-piarakodia mety hidirana hopitaly, noho ireo mpamily mitelefaonina sady mitondra fiara, na eny an-tanany ilay izy na tsia.—BMJ, GRANDE BRETAGNE.

▪ Fiteny 6 912 no ampiasaina ankehitriny, araka ny lisitra navoakan’ny boky iray natao hanampiana ny mpandika Baiboly.—THE NEW YORK TIMES, ETAZONIA.

▪ Mifoka sigara ny 30 isan-jaton’ireo vehivavy bevohoka sy mampinono any Polonina, na dia efa nampitandremana aza izy ireo, fa misy vokany ratsy amin’ny zanany izany.—GAZETIBOKY ZDROWIE, POLONINA.

Tsy Mahasambatra ny Harena

Nilaza ny gazety ABC News Online, fa nanao fanadihadiana momba ny mpanankarena ny foibe fikarohana iray any Aostralia. Fantatra tamin’izany, fa mpanapitrisa aostralianina 1 ao anatin’ny 20 monja no mihevitra ny tenany ho mpanefohefo. Nilaza i Clive Hamilton, talen’ilay foibe fikarohana, fa “vao mainka tsy afa-po amin’ny fidiram-bolany ny olona, rehefa mihamanankarena.” Ny 13 isan-jaton’ireo olona be vola indrindra ihany, raha ny marina, no tena afa-po amin’ny fiainany. Hoy i Hamilton: “Nahoana àry no vola aman-karena no tena katsahintsika, kanefa miharihary fa zavatra hafa no tena mahasambatra?”

Fako any Ambony Tsy Taka-maso Any

“Hanao ahoana tokoa moa ny hatezeran’ny olona, raha toa ny mpamily ka samy mamela ny fiara lany lasantsy eny afovoan’ny arabe?”, hoy ny gazetiboky New Scientist. Tsy misy hafa amin’izany anefa no mitranga any ambony tsy taka-maso any. Be dia be mantsy ireo satelita tsy miasa intsony navela fotsiny any amin’ny lalana falehan’ny zanabolana, ka atahorana hidona amin’ireny ny sambon-danitra vaovao. Miisa 1 120 eo ho eo ireo fitaovana mihoatra ny 60 santimetatra eo akaikin’ilay toerana mety indrindra amin’ny fifandraisan-davitra. Tokony ho 300 amin’ireo ihany anefa no mbola miasa. Anisan’ireo satelita mampidi-doza navela fotsiny any ambony any, ireo fitaovana miisa 32 mpamokatra hery niokleary.

Ady sy Fitaovam-piadiana

Tsy nandeha loatra ny varotra fitaovam-piadiana, rehefa nifarana ny Ady Mangatsiaka. Niroborobo anefa izany tato anatin’ireo taona faramparany. Nanao tatitra ny fikambanana iray any Stockholm, izay mikatsaka ny fandriampahalemana eran-tany (SIPRI), fa nahatratra iray tapitrisa tapitrisa dolara ny vola lany tamin’ny fitaovam-piadiana maneran-tany, tamin’ny 2004. Raha zaraina io vola io, dia mahazo 162 dolara (Ar 350 000 eo ho eo) avy ny lehilahy sy vehivavy ary ankizy eran-tany. Nilaza ny SIPRI fa nisy ady 19 tamin’ny 2004, ary samy nahafaty olona 1 000 mahery avy izy ireny. Ady naharitra folo taona mahery ny 16 tamin’ireo.

Fiara Mandeha Amin’ny Alkaola sy Lasantsy

Mandeha amin’ny alkaola sy lasantsy izao, ny ampahatelon’ireo fiara vaovao lafo any Brezila, araka ny voalazan’ny gazetiboky Veja. Afaka mandeha amin’ny lasantsy, na alkaola vita amin’ny fary, na izy roa miaraka, ireny fiara ireny. Nitombo 34 isan-jato ny alkaola fanao solika lafo teny an-tsena, tamin’ny 2003 sy 2004. Tsy hoe fiarovana ny tontolo iainana akory no itiavan’ny olona an’io alkaola io, fa noho izy io mora vidy kokoa. Nanazava i Rafael Schechtman, mpiandraikitra ny Foibe Mikarakara ny Foto-drafitrasa any Brezila, fa tsy dia sahirana loatra “ny mpanjifa rehefa tsy misy na lafo loatra ny solika”, noho ny fisian’ny fiara mandeha amin’ny alkaola sy lasantsy. “Raha mihalafo, ohatra, ny alkaola, dia mividy lasantsy ny olona. Raha mihalafo indray ny lasantsy, dia mividy alkaola ny olona.”