Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Iza “Ilay Hany Andriamanitra Marina”?

Iza “Ilay Hany Andriamanitra Marina”?

Iza “Ilay Hany Andriamanitra Marina”?

NIVAVAKA matetika tamin’Andriamanitra, izay nantsoiny hoe Ray, i Jesosy, sady nampianatra ny olona hanao izany koa. (Matio 6:9-11; Lioka 11:1, 2) Niangavy mafy toy izao izy, tao amin’ilay vavaka niarahany tamin’ny apostoliny, ora vitsivitsy talohan’ny nahafatesany: “Ray ô, tonga ny fotoana. Omeo voninahitra ny zanakao mba hanomezany voninahitra anao. Koa mba hahazoan’izy ireo fiainana mandrakizay, dia ilainy ny mianatra hahalala anao, ilay hany Andriamanitra marina, sy Jesosy Kristy, ilay nirahinao.”—Jaona 17:1, 3.

Mariho fa nivavaka tamin’ilay nantsoiny hoe “ilay hany Andriamanitra marina” i Jesosy. Nanasongadina ny toerana ambony tanan’Andriamanitra izy avy eo, rehefa niteny hoe: “Koa ankehitriny, Ray ô, omeo voninahitra eo anilanao aho, dia ilay voninahitra nananako teo anilanao fony mbola tsy nisy izao tontolo izao.” (Jaona 17:5) Nahoana i Jesosy no mbola nangataka ny ho eo anilan’Andriamanitra, raha izy ihany “ilay hany Andriamanitra marina”? Aleo hojerentsika ny amin’izany.

Ny toerana tanan’i Jesosy any an-danitra

Novonoina i Jesosy, ora vitsivitsy taorian’ny nanaovany io vavaka io. Tsy maty ela be anefa izy, fa ny zoma tolakandro ka hatramin’ny alahady maraina ihany. (Matio 27:57–28:6) Nitantara ny apostoly Petera hoe: “Natsangan’Andriamanitra tamin’ny maty izany Jesosy izany, ary vavolombelon’izany izahay rehetra.” (Asan’ny Apostoly 2:31, 32) I Jesosy ihany ve no nanangana ny tenany tamin’ny maty? Tsia, satria milaza ny Baiboly fa “tsy mba mahalala na inona na inona” ny maty. (Mpitoriteny 9:5) “Ilay hany Andriamanitra marina”, dia ilay Rainy any an-danitra, kosa no nanangana azy.—Asan’ny Apostoly 2:32; 10:40.

Novonoin’ireo mpivavaka nanenjika azy i Stefana mpianatr’i Jesosy, taoriana kelin’izay. Nahazo fahitana izy, rehefa iny handeha hitora-bato azy iny mihitsy izy ireo. Hoy izy: “Indro, hitako ny lanitra misokatra, ary ny Zanak’olona mijoro eo an-tanana ankavanan’Andriamanitra.” (Asan’ny Apostoly 7:56) Hitan’i Stefana teo “an-tanana ankavanan’Andriamanitra” tany an-danitra àry i Jesosy, na “ny Zanak’olona.” Mbola teo ‘anilan’Andriamanitra’ toy ny talohan’ny nahatongavany teto an-tany ihany izy, izany hoe mbola nanohana azy.—Jaona 17:5.

Taorian’ny namonoana an’i Stefana, dia nisehoan’i Jesosy i Saoly, fantatra kokoa amin’ny anarany romanina hoe Paoly. (Asan’ny Apostoly 9:3-6) Niresaka momba ilay “Andriamanitra nanao izao tontolo izao sy ny zava-drehetra ao aminy” i Paoly, tamin’izy tany Atena, any Gresy. Nilaza izy fa io Andriamanitra io, izany hoe ilay “hany Andriamanitra marina”, dia ‘hitsara ny tany onenana, eny, hitsara azy araka ny marina amin’ny alalan’ny lehilahy iray voatendriny. Ary efa nomeny antoka ny amin’izany ny olona rehetra tamin’ny nananganany azy io tamin’ny maty.’ (Asan’ny Apostoly 17:24, 31) Nilaza i Paoly teo fa “lehilahy” na olona i Jesosy, ary natsangan’Andriamanitra ho amin’ny fiainana any an-danitra. Midika izany fa mbola ambany noho Andriamanitra izy.

Nasehon’ny apostoly Jaona koa fa ambany noho Andriamanitra i Jesosy. Nilaza i Jaona fa nanoratra ny Filazantsarany izy, mba hinoan’ny mpamaky fa “i Jesosy no Kristy Zanak’Andriamanitra”, fa tsy Andriamanitra. (Jaona 20:31) Nahazo fahitana avy tany an-danitra koa izy. Nahita ny ‘Zanak’ondry’ izy tamin’izay. Voalaza ao amin’ny Filazantsarany fa i Jesosy izy io. (Jaona 1:29) Misy 144 000 miara-mitsangana aminy. Resahin’i Jaona fa “novidina [na natsangana] avy teto an-tany” izy ireo. Nohazavainy koa fa manana ny ‘anaran’ny Zanak’ondry sy ny anaran’ny Rainy voasoratra eo amin’ny handriny’ izy ireo.—Apokalypsy 14:1, 3.

Iray ihany àry ve “ny Zanak’ondry” sy ny “Rainy”? Mazava ho azy fa tsia. Samy hafa izy ireo ao amin’ny Baiboly, ary na ny anarany aza tsy mitovy.

Ny anaran’ny Zanak’ondry sy ny an’ny Ray

Araka ny hitantsika teo, dia i Jesosy no anaran’ny Zanak’Andriamanitra, na ny Zanak’ondry. (Lioka 1:30-32) Iza kosa no anaran’ny Rainy? Miverimberina imbetsaka ao amin’ny Baiboly izy io. Izao, ohatra, no lazain’ny Salamo 83:18: ‘Ianao irery ihany, izay atao hoe Jehovah, no Ilay Avo Indrindra ambonin’ny tany rehetra.’ Mampalahelo fa nosoloana hoe “Tompo” sy “Andriamanitra” ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah, ao amin’ny Baiboly maro. Betsaka anefa ny Baiboly namerina azy io tao amin’ireo andininy nisy azy taloha.

Ohatra miavaka amin’izany ny Baiboly Dikan-teny Amerikanina Mahazatra (1901). Naveriny tao amin’ireo andininy nisy azy taloha ilay anaran’Andriamanitra hoe Jehovah. Hoy ny sasin-tenin’izy io: “Rehefa avy nandinika tsara ireo mpandika teny nanavao ity Baiboly ity, dia niara-niaiky toy izao: Tsy tokony harahin’ny mpandika ny Testamenta Taloha amin’ny teny anglisy na amin’ny teny hafa intsony, ilay finoanoam-poana jiosy hoe masina loatra ny Anaran’Andriamanitra ka tsy azo tononina. Soa ihany fa tsy ahitana taratr’io finoanoam-poana io intsony ny dikan-teny maoderina maro navoakan’ny misionera.”

Fampianaran’iza ny Andriamanitra telo izay iray?

Ahoana àry ny amin’ny fampianarana momba ny Andriamanitra telo izay iray? Andriamanitra iray ihany mantsy i Jehovah sy Jesosy, araka io fampianarana io. Izao no namaritan’ny gazety Ilay Polipitra Velona (anglisy) azy io, tao amin’ny nomeraony tamin’ny Aprily-Jona 1999: ‘Iray ny Andriamanitra Ray, iray ny Jesosy Kristy Tompo, ary iray ny Fanahy Masina. Telo izy ireo nefa mitovy, na iray ihany, raha ny marina. Samy Andriamanitra izy telo, mitovy karazana, nefa tena samy hafa, satria samy manana ny maha izy azy.’ *

Avy aiza izany fampianarana saro-takarina izany? Resahin’ny gazety Taonjato Kristianina (anglisy) ao amin’ny nomeraony tamin’ny 20-27 Mey 1998, fa nisy pasitera niaiky hoe “fampianaran’ny eglizy” ny Andriamanitra telo izay iray, fa “tsy fampianaran’i Jesosy.” Mifanaraka amin’izay nampianarin’i Jesosy ve anefa izy io, na dia tsy fampianarany aza?

Ambony noho ny Zanaka ny Ray

Nampianatra ny mpianany hivavaka toy izao i Jesosy: “Rainay izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao.” Asehon’ny Baiboly fa ambony noho ny Zanany ilay Raintsika any an-danitra atao hoe Jehovah. Voalaza ao, ohatra, fa “hatramin’ny taloha indrindra ka mandrakizay” izy. Resahina ao koa anefa fa “lahimatoa amin’ny zavaboary rehetra” i Jesosy. Nilaza mihitsy aza i Jesosy fa lehibe noho izy i Jehovah. Hoy izy: “Ny Ray dia lehibe noho izaho.” (Matio 6:9; Salamo 90:1, 2; Kolosianina 1:15; Jaona 14:28) “Samy Andriamanitra” anefa ny Ray sy ny Zanaka, araka ny fampianarana momba ny Andriamanitra telo izay iray.

Hita tsara ao amin’ny vavaka nataon’i Jesosy koa fa mbola ambony noho ny Zanaka ny Ray, ary samy hafa ny Zanaka sy ny Ray. Anisan’izany ity vavaka nataony talohan’ny namonoana azy ity: “Ray ô, raha sitrakao, dia esory amiko ity kapoaka mangidy ity [na fahafatesana manala baraka], nefa aoka tsy ny sitrapoko no atao, fa ny anao.” (Lioka 22:42) Raha “iray ihany, raha ny marina”, Andriamanitra sy Jesosy, araka ny fampianarana momba ny Andriamanitra telo izay iray, nahoana no toa tsy mitovy amin’ny an’Andriamanitra ny sitrapon’i Jesosy na ny faniriany?—Hebreo 5:7, 8; 9:24.

Ankoatra izany, raha iray ihany i Jehovah sy Jesosy, nahoana no misy zavatra fantatr’i Jehovah, nefa tsy fantatr’i Jesosy? Izao, ohatra, no tenin’i Jesosy momba ny fotoana hitsarana izao tontolo izao: “Tsy misy mahalala ny amin’izany andro na ora izany, na ny anjely any an-danitra, na ny Zanaka, afa-tsy ny Ray ihany.”—Marka 13:32.

Ny Andriamanitra telo izay iray sy ny eglizy

Tsy fampianaran’i Jesosy sy ny Kristianina voalohany, ny Andriamanitra telo izay iray. Araka ny voalaza tetsy aloha, dia “fampianaran’ny eglizy” izy io. Hoy ny gazety Ilay Polipitra Velona ao amin’ny nomeraony tamin’ny 1999, momba azy io: “Toa mieritreritra ny olona indraindray fa fampianarana kristianina eken’ny rehetra ny Andriamanitra telo izay iray.” Nilaza anefa ilay gazety avy eo fa tsy “avy ao amin’ny Baiboly” io fampianarana io.

Miresaka amin’ny an-tsipiriany momba azy io ny Rakipahalalana Katolika Vaovao (1967, anglisy), ary miaiky hoe: ‘Hita àry fa fampianarana nipoitra tamin’ny faramparan’ny taonjato faha-4 ny Andriamanitra tokana olona telo. Tamin’izay izy io vao voafaritra tsara sy tena neken’ny Kristianina, ka lasa anisan’ny zavatra inoany.’

Hoy i Martin Werner, mpampianatra any amin’ny Oniversiten’i Berne, any Soisa: ‘Asehon’ny Testamenta Vaovao mazava foana, fa ambany noho Andriamanitra Ray i Jesosy, isaky ny misy resaka momba ny nahatongavany ho olombelona teto an-tany na ny maha Mesia azy.’ Hita àry fa hafa tanteraka noho ny fampianaran’ny eglizy momba ny Andriamanitra telo izay iray, ny zavatra ninoan’i Jesosy sy ny Kristianina voalohany. Taiza kosa no niavian’io fampianarana io?

Ny niavian’ny Andriamanitra telo izay iray

Miresaka momba ny andriamanitra sy andriamanibavy maro nivavahan’ny olona ny Baiboly. Anisan’izany i Astarta, Milkoma, Kemosy, ary Moloka. (1 Mpanjaka 11:1, 2, 5, 7) Nisy fotoana aza efa ninoan’ny olona maro teo amin’ny firenen’Israely fahiny, fa i Bala no Andriamanitra marina. Nasain’i Elia mpaminanin’i Jehovah namantatra ny tena marina sy nanao safidy àry izy ireo. Hoy izy: “Raha Jehovah no Andriamanitra, manaraha Azy; fa raha Bala kosa, dia manaraha azy.”—1 Mpanjaka 18:21.

Fahita koa ny olona nivavaka tamin’ny andriamanitra sampy telo mitambatra, talohan’ny nahaterahan’i Jesosy. Hoy i Will Durant, mpahay tantara: “Tany Ejipta no niavian’ny andriamanitra telo mitambatra.” Hoy koa i James Hastings ao amin’ny Rakipahalalana Momba ny Fivavahana sy ny Fitsipi-pitondran-tena (anglisy): “Manana andriamanitra telo mitambatra, ohatra, ny fivavahana karàna, dia i Brahma sy Siva ary Vishnu. I Osiris sy Isis ary Horus kosa ny an’ny fivavahana ejipsianina.”

Be dia be àry ny andriamanitra. Nahalala an’izany ve ny Kristianina voalohany? Andriamanitra Hery Fara Tampony ve i Jesosy tamin’izy ireo?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 14 Izao no famaritana ao amin’ny Fanekem-pinoan’i Athanase, nosoratana taonjato vitsivitsy taorian’ny nahafatesan’i Jesosy: “Ny Ray dia Andriamanitra, ny Zanaka dia Andriamanitra, ary ny Fanahy Masina dia Andriamanitra. Tsy Andriamanitra telo anefa izy ireo, fa Andriamanitra iray ihany.”

[Sary, pejy 7]

EJIPTA

Andriamanitra telo mitambatra: Horus, Osiris, Isis, arivo taona faharoa T.K.

[Sary, pejy 7]

PALMYRA, SYRIA

Andriamanitra volana sy ny Tompon’ny Lanitra ary andriamanitra masoandro, taonjato voalohany A.K. tany ho any

[Sary, pejy 7]

INDE

Andriamanitra hindoa telo mitambatra, taonjato fahafito A.K. tany ho any

[Sary, pejy 7]

NORVEZY

Andriamanitra telo izay iray (Ray, Zanaka, Fanahy Masina), taonjato faha-13 A.K. tany ho any

[Sary nahazoan-dalana, pejy 7]

Sary roa ambony: Musée du Louvre, Paris